Ny Ray ao an-danitra, omeo voninahitra
Ny Ray ao an-danitra e omeo voninahitra,
Ny Tompo Andriamanitsika omeo voninahitra,
Tiavo, ankalazao, omeo voninahitra,
Tolory hasina e, omeo voninahitra.
1 Ny Tompon'ny lanitra e omeo voninahitra,
Nahary ny tany e, omeo voninahitra,
Dia hiadana eran-tany isika olombelona omeo voninahitra,
2 Ny Tompon'ny aina e omeo voninahitra,
Mamelona antsika e omeo voninahitra,
Dia hiadana...
3 Ny didin'ny Ray e omeo voninahitra,
Fa didim-pitiavana e omeo voninahitra,
Dia hiadana...
4 Ny Teniny masina e omeo voninahitra,
Mitory ny marina e, omeo voninahitra,
Dia hiadana...
5 Ireny madinika e omeo voninahitra,
Mitovy amin-Janany e, omeo voninahitra,
Dia hiadana...
6 Ilay Fiangonana e omeo voninahitra,
Vahoakany masina e, omeo voninahitra,
Dia hiadana...
7 Ny Zanany tokana e omeo voninahitra,
Fanahiny Masina e, omeo voninahitra,
Dia hiadana...