Mba omeo anay ny Fanahy Mpanazava

Nampiditra: Belle
Sokajy: Fanahy Masina,


  • Fihirana Vaovao p. "508
  • Ankalazao ny Tompo p. "445
  • Fihirana Hasina p. "312
  • Vavaka sy Hira p. "496

Mba omeo anay e, mba omeo anay
Ny Fanahy Mpanazava, ô ry Jesoa ô!
 
1 'Zay rehetra nolazain'ny Raiko ahy
 No nambarako anareo.
 
2 Ianareo dia votsa saina, mpanadino:
 Tadidio 'zay nolazaiko.
 
3 Mbola tsy ampy fahalalana ianareo
 Ka ho avy ny Fanahy.
 
4 Lasana aho ka tsy ho hita eto intsony:
 Izy hitoetra am-ponareo.
 
5 Zava-tsoa no fanomenareo ny zaza,
 Fa ny Raiko: ny Fanahy.
 
6 Izy hanoro sy hampahatsiaro anareo
 'Zay voalazako rehetra.
 
7 Ankamantatra ankehitriny ny Fambara
 Raha tsy eo ny Fanahy.
 
8 Isan'andro dia handika teny izy:
 Ireo hafatra navelako.
 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0075 s.] - Hanohana anay