Hohiraiko mandrakizay 'lay tanànako mandrakizay

Hohiraiko mandrakizay
'Lay tanànako mandrakizay.
 
1 Izaho mino an'Andriamanitra tokana,
 Andriamanitra Ray mahefa, nanao ny lanitra sy ny tany
 Sy ny zavatra rehetra, na ny hita maso na ny tsy hita.
 
2 Mino aho fa i Jesoa Tompo tokana,
 Mino aho fa i Jesoa Zanak'Andriamanitra.
 
 Nateraka izy fa tsy natao, iray fomba amin'ny Ray,
 Ary izy no nahariana ny zavatra rehetra.
 
3 Isika olombelona sy ny famonjena antsika
 No nidinany avy any an-danitra.
 
 Ary naka nofo izy tamin'i Maria Virjiny
 Noho ny herin'ny Fanahy Masina, ka tonga olombelona.
 
 Ary nofantsihina izy tamin'ny hazofijaliana,
 Nofantsihina, nijaly, ary nalefina.
 
4 Fa nitsangana ho velona,
 Fa nitsangana ho velona.
 
 Dia niakatra any an-danitra mba handray ny fanjakany,
 Ary mbola ho avy indray hitsara ny olon-drehetra.
 
5 Ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany,
 Tsy hanam-pahataperana ny fanjakany.
 
 Izaho mino ny Fanahy, aina ivondronantsika,
 Sy ny batemy tokana, fanalana ny fahotana.
 
6 Mino aho fa ny Fanahy Tompo loharanon'aina,
 Iray voninahitra miaraka amin'ny Ray sy ny Zanaka.
 
 Izaho mino ny Eglizy tokana, masina,
 Izay manerana ny tany, miorina amin'ny Apôstôly.
 
7 Izaho mino ny hitsanganan'ny maty,
 Eny mino aho ny fiainan-ko avy.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 306
Fihirana Vaovao p. 464
Vavaka sy Hira p. 721
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0577