Aleloia, hoderaina anie

Nampiditra: Belle
Sokajy: Fihobiana,


  • Fihirana Hasina p. "301
Aleloia, aleloia,
Hoderaina anie ny anaranao, ry Iaveh,
Aleloia, aleloia.
Ho anio sy ho mandrakizay. Amen.
 
1 Andriamanitra ô, Andriamanitra ô,
 Ianao no hany tiako, 
 Anjara lovako, anjara lovako.

2 Andro aman'alina aho, andro aman'alina aho 
 Mivetsovetso Anao
 Fa te-hahita anao, fa te hahita anao.

3 Ny faniriako, ny faniriako 
 Hanao ny sitrakao,
 Ho tia ny namako, ho tia ny namako.
 
4 Anao irery ihany, anao irery ihany 
 Ny foko sy ny saiko, 
 Ny andro iainako, ny andro iainako.

5 Tsy sitrapoko loatra, tsy sitrapoko loatra 
 Ny diso taminao:
 Osa ny nofoko, osa ny nofoko.

6 Matoky hatrany aho, matoky hatrany aho 
 Ny fialofako
 Ny fon'ny Zanakao. ny fon'ny Zanakao. 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0062 s.] - Hanohana anay