Efa mandrorona ny andro
Madiva ho rakotra haizina ny tany:
Mitoera re, Tompo ô, atý aminay. (Lk. 24, 29)
(Lk. 2, 29-32)
1 Eny, Tompo,
Am-piadanana tokoa ankehitriny
Andefasanao ity mpanomponao:
Dia ho to 'zay voalazanao.
2 Fa satria:
'Zany masoko nahita miharihary
'Zato famonjena 'zay nomaninao
Ho an'ireo firenen-drehetra.
3 Hazavana
''Zay hanilo ny vahoaka eran-tany
Fa kiady kosa sady reharehan'i
Israely vahoakanao.
4 Eny, Tompo,
Mendri-dera ny fitiavanao anay
Fa nirahinao ho anay ny Zanakao
Hampiadana anay rehetra.