Tsy mila masoandro ny tanàna

Nampiditra: Belle


  • Ankalazao ny Tompo p. "120
  • Fihirana Hasina p. "284
  • Vavaka sy Hira p. "429
  • Fihirana Vaovao p. "168

Tsy mila masoandro ny tanàna,
Na volana hanazava azy,
Fa ny voninahitr'Andriamanitra
No mamirapiratra ao aminy
Fa ny Zanak'ondry no fanilony. (Apôk. 21, 23)

(Lioka 1, 46-55)
 
1 Ny foko midera ny Tompontsika,
 Ny saiko mifaly amin'Andriamanitra
 Noho izy Mpamonjy nitsinjo ahy
 'Lay mpanompovaviny tsinontsinona.
 
2 Fa indro manomboka ankehitriny
 Hantsoin'ny taranaka: "Sambatra" aho:
 Nahavita be tamiko ilay Mahefa,
 Ilay hoe "Ny Masina no anarany".

3 'Lay mandrakizay ny indrafony
 Amin'ny olon-drehetra matahotra Azy,
 'Lay Tompo Mpandresy mahery sandry ,
 Mampihahaka ireo 'zay mpiavonavona.
 
4 Manongana ireo izay mpanjakazaka
 Kanefa manandratra ireo ambany;
 Manototra soa an'ireo noana
 Fa mampody maina an'ireo mpanana.
 
5 Mpanarina an'Israely olony
 Satria mahatsiaro ny indrafony
 Nampanantenainy ny razantsika
 Ho an'i Abrahama sy izay taranany.
 
6 'Lay Ray be fitiavana mba derao,
 Hobio 'lay Zanany tonga nofo,
 Ary koa 'lay Fanahy mampiray antsika,
 Ho mandrakizay alaovalo!


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.1028 s.] - Hanohana anay