Rano miboiboika

Rano miboiboika, rano tsy mety ritra,
Tsy ritra mandrakizay, no omen'i Kristy.

(Izaia 12, 1-6) 

1 Fa tezitra tamiko ianao, ry Tompoko,
 Kanefa nitony, ka dia isaorako:
 Ianao, Andriamanitra Ray, no vonjiko,
 Matoky aho, mijoro fa tsy matahotra.
 
2 Ny Tompo no hery sy reharehako,
 Fa izy no vonjy sy fialofako;
 Avia àry hanovo amin-kafaliana
 Ny vonjin'ny Tompo eo an-doharanony.
 
3 Am'zany andro izany samia manezaka,
 Derao Andriamanitra, antsoy ny anarany;
 Torio ny vahoaka ny zava-bitany,
 Lazao fa tsy takatra hoe ny anarany.
 
4 Ambony ny Tompo ka dia nasehony,
 Lazao an'izany ny vazantaniny;
 Ianao, ry Siôna, hitotorebika,
 Fa Tompo lehibe izy sady masina.
 
5 Andeha àry hidera ny voninahiny,
 Isaory ny Ray noho ny fanomezany,
 Isaory ny Zanaka fa nanavotra,
 Isaory Andriamanitra Fihavanana.

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 136
Fihirana Dera p. 184
Fihirana Hasina p. 282
Fihirana Vaovao p. 44
Vavaka sy Hira p. 399
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0191