(Iz. 2, 11-17)
1 Ny fijerin'ny mpangarika rehetra
Hatanondrika;
Ny avonavon'ny mpianjona rehetra
Dia haetry;
Am'izany andro izany izy Tompo
No hasandratra.
2 Eny, hisy andro iray ho azy Tompo
'Lay Mahery
Ka izay mizahozaho sy miavona
Hofongorany;
Ny voamboana, ny sedera tsara volo,
Hokapainy.
3 Eny, hisy andro iray ho azy Tompo
'Lay Mahery
Ka ny manda sy ny rova mafy orina
Horavàny
'Rony sambo fitaterana entam-barotra
Hopotehiny.
4 Ny fijerin'ny mpangarika rehetra
Hatanondrika;
Ny avonavon'ny mpianjona rehetra
Dia haetry;
Am'izany andro izany izy Tompo
No hasandratra.