Ry Jesoanay, Mpamonjy soa

Nampiditra: pissoa


  • Fihirana Dera p. "80
  • Fihirana Hasina p. "692
  • Vavaka sy Hira p. "737

1 - Ry Jesoanay, Mpamonjy soa
Manolo-tena indray ho anay
Ty ny fonay mba raiso koa,
Ka isika anie ho tena iray.

2 - Mba akambano ao indray
'Reo asa kely vitanay
Ka atolorinao ny Ray
Fa tsy mba mendrika izahay.

3 - Sasao 'zahay ho lapanao
Satria fa sitrakao izany ;
Ny helokay re avelao
Ka dia hadio, hadio hatrany.
 

 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0068 s.] - Hanohana anay