1 - Jereo an-tanan'ny pretranao,
Jereo ny Hostia atolotray
Ho tonga Vatan'ny Zanakao
Ho Sorona famonjena anay.
2 - Anaty kalisy ny divay
Jereo koa asandratra aminao
Hovana ho Ran'ny Zanakao
Ho Ra mpanadio ny otanay.
3 - Ny mofo sy ny divay anie,
Tandindon'ny hasasaranay,
Atolotray Anao manome
Ho mariky ny fisaoranay.
4 - Ry Tompo, jereo ny fonay
Atolotra Anao toy ny Hostia
Hadio sy ho mendrika Anao izahay
Anao ny fonay, Anao doria.