'Zaho mino an'Andriamanitra (2) Tompo nahary ny tany sy ny lanitra

1 'Zaho mino an'Andriamanitra
 Tompo nahary ny tany sy ny lanitra
 Sy izay rehetra hita sy tsy hitantsika.
 'Zaho mino an'i Jesoa Kristy lahitokan'Andriamanitra,
 Nijaly ho antsika, maty ka nitsangana
 Sy niakatra any an-danitra akaikin'ny Ray.
 
2 'Zaho mino ny Fanahy Masina
 (fa izy) Tompo mpanome ny aina
 Sady mpankahery ny fanahintsika.
 'Zaho mino ny Eglizy iray,
 Masina, katôlika, ary apôstôlika.
 'Zaho mankatò ny batemy ho fanalana ny fahotana.
 
3 'Zaho mino fa any andro iray
 Ny nofontsika sy ny maty rehetra,
 Na dia efa lo, dia hitsangana hotsaraina.
 'Zaho mino fa ao ankoatran'izao hitantsika sy rentsika izao,
 Dia misy fiainana tena maharitra
 Sy mateza, ary koa mandrakizay. Amen.

 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 199
Fihirana Vaovao p. 352
Vavaka sy Hira p. 712
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095