Fiadanana e, homba antsika mianakavy anie ny fiadanana

Fiadanana e,
Homba antsika mianakavy anie ny fiadanana e,
Fiadanana nomen'i Kristy;
Ny fiainana ao an-danitra ao anie
Ka fihavanana e,
Fihavanana manomboka etoana.
 
1 Ny entim-belona no enti-maty anie, hoy ny razana e,
 Ny entim-belona no hitsarana;
 Didy tokana nomen'i Jesoa dia ny fitiavana e:
 Aoka isika hifankatia.
 
2 Toy ny kintana ny lakroà ka mamirapiratra e
 Manambara ny tena fitiavana:
 Mampihavana ny olombelona sy Andriamanitra e
 Sy mitory fa izy no lalana.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Fiadanana
Fihirana Dera p. 269
Fihirana Hasina p. 181
Fihirana Vaovao p. 380
Karine Dera p. 545
Vavaka sy Hira p. 553
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091