Dera sy laza anie ho anao, ry Tompo Mpandresy
Dera sy laza anie ho anao, )
Ry Tompo Mpandresy. ) (indroa)
1 Andriamanitra ianao, ry Jesoa,
Fa nietry ho tonga olombelona
Ka hoy izahay manao hoe:
2 Nohelohina ianao, novonoina,
Fa nitsangana tamin'ny maty;
Ka hoy izahay manao hoe:
3 Any an-danitra ianao, ry Jesoa,
No mandefa ny Fanahy Masina;
Ka hoy izahay manao hoe: