Ry Tompo Zanahary ô, indro ny pretranay

Nampiditra: Belle
Sokajy: Fanolorana,


  • Vavaka sy Hira p. "727
  • Fihirana Hasina p. "176
  • Fihirana Dera p. "75
  • Fihirana Vaovao p. "362

1 Ry Tompo Zanahary ô, indro ny pretranay
 Manolotra ho anao ny mofo sy ny divay.

Mba raiso ka hamasino
Ny soronay rehetra;
Andriamanitra Rainay,
Ekeo ny vavakay. (indroa)

2 Ny mofo mba ovao re ho Vatan'i Jesoa,
 Mba raiso ny divay ho tonga Rany koa.

3 Ry Tompo Zanahary ô, raiso ny tolotray
 Ho sorom-pamonjena ny otanay rehetra.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0132 s.] - Hanohana anay