1 Ry Tompo Andriamanitra Rainay
Henoy ny antsonay:
Jereo ny tolotra aterinay,
Henoy ny antsonay.
Raiso, Tompo, ny hasina )
Avy aminay zanakao. ) (indroa)
2 Mba raiso ny mofo atolotray...
Ho Vatan'i Jesoa Mpamonjy anay...
3 Atolotray eto koa ny divay...
Hovàna ho Ran'ny Mpanavotra anay...
4 Atolotray koa ny tenanay...
Ho anao, ry Tompo, mandrakizay...