1 'Ndreto 'zahay, Tompo ô ie,
hanolotra sorona ie
Ambonin'ny ôtely,
ao an-tranonao Ray.
Andriamanitra velona tia anareo,
Andriamanitra velona Tomponareo,
Andriamanitra velona andrasanareo,
Andriamanitra velona ao aminareo.
2 Indro ny mofo e ie,
atolotray e ie,
Ovay ho Vatan'i Jesoa Mpamonjy.
3 Inty ny divay e ie,
atolotray e ie,
Ovay ho Ran'i Jesoa Mpamonjy.
4 Ny asanay e ie,
ny fiainanay e ie
Ovay ho Tenan'i Jesoa Mpamonjy.