1 Midìna, ry anjely masina,
Hitondra ity hôstia madio
Ho any am-paradisa soa,
Ho fiderana ny Tompo.
Ry Andriamanitra,
Mitsaoka anao 'zahay e,
Ankasitraho re ity fanatitray.
2 Mba ento, ry anjely masina,
Ity kalisim-pamonjena
Ho any am-paradisa soa,
Ho fisaorana ny Tompo.
3 Mba raiso, ry anjely masina,
Ho sorona ny tenanay e
Ho any am-paradisa soa,
Ho voninahitry ny Tompo.