1 Mba raiso re, ry Ray, ny mofo sy divay
Atolotry ny pretra ho soronay rehetra. (indroa)
2.Ny rakitry ny tany tsy ankatoavinao,
Ny Ran'i Jesoa ihany no mendrika ho Anao (indroa)
3 Atolotray, tazano ny fijalianay,
Ka raiso toy ny rano anatin'ny divay. (indroa)
4 Na lehibe na zaza dia harin-tananao,
Ka vory mankalaza indray mitsaoka anao. (indroa)
5 Nanota taminao, ka dia manondri-doha:
Mifona ka avelao, ry Tomponay Tsitoha. (indroa)
6 Henoy izao talaho, jereo ny fonay,
Diovy, androtsaho 'lay Ra namonjy anay. (indroa)