Fomba fikonfesena tsotra

Dinihina tsara mialoha ny fahotana sy ny fahadisoana nahazo ny tena (mety ho mandritry ny andro vitsivitsy, na farafaharatsiny ahay, fotoana kely mialoha): tamin’ny hevitra, tamin’ny teny sy tamin’ny natao ary tamin’ireo adidy tsy vita.

Rehefa avy nandini-tena tsara sy nandinika kônsiansy dia atao samirery ny Fiampangatena:

«Miampaga tena amin’Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra aho, ary koa amintsika mianakavy, fa nanota tokoa tamin’ny hevitro, tamin’ny teniko, sy tamin’ny nataoko ary tamin’ny adidy tsy vitako: (sady mando-tratra) fahotako izany, fahotako, fahotako lehibe.

Koa mihanta amin’i Msina Maria  Virijiny mandrakizay aho, amin’ny anjely sy ny Olomasina rehetra ary koa amintsika mianakavy mba hivavaka ho ahy amin’ny Tompo Andriamanitsika».

Avy eo dia manatona ny Mpampikônfesy, manao hoe:

Amin'ny Anaran'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Amen

Tsofy rano aho Raiko fa nanota.

Ny Fiampangantena efa vitako teny am-pitoerana.

Dia lazaina eto ny fotoana nikônfesena farany… ka tohizana hoe: Nahazo ny famotsorana aho, ary nahavita ny asa fivalozana.

Tanisaina ny fahotana: Izao avy ny fahotako: …. Rehefa vita ny fitanisàna ny fahotana dia tohizana hoe: Izaho miampanga tena amin’izany fahotako izany sy izay rehetra tsy tsaroako.

 

Rehefa mangina ny Mpikofesy dia miteny ny Mpampikofesy, ka henoina tsara izay lazainy fa sady manoro hevitra izy no manome fananarana sy fampianarana ary manome hery ny Mpikofesy.

Dia omeny ny Asa fivalozana (vavaka na/sy asa fiantrana, na asa fivalozana hafa, izay hatao rehefa miala ny trano fikofesena).

Avy eo, asainy manao ny Ny Fanenenana ny Mpikofesy:

Ny Fanenenana:

«Andriamanitra Tompoko, malahelo mafy amin’ny ratsy nataoko taminao aho, satria ianao tsara indrindra koa tokony ho tiana indrindra; ary ianao tsy tia ny ratsy, manampo fa tsy hanao ratsy aminao intsony aho, sy hanao asa fivalozana amin’ny fitahianao ahy».

na: «Tompo ô, mamindrà fò amiko fa mpanota aho!»

mandritra izany dia misy vavaka ataony, teneniny moramora izany, dia omeny ny Famotsorana ka hoy izy:

Ary izaho mamela ny fahotanao amin’ny anaran’ny ray sy ny Zanaka † sy ny fanahy Masina. Amena.

Faranany hoe: Mandehàna am-piadanana!

Valiana hoe: Hisaorana anie Andriamanitra!

Dia miala eo sady mandeha mamita ny Asa fivalozana, izay mety ho vavaka no ampanaoviny.

Vavaka samihafa, mety misy amin’ireto no hampanaoviny anao

Ry Fanahin’i Jesoa

Ry Fanahin’i Jesoa, hamasino aho;

ry vatan’i Jesoa, vonjeo aho;

ry ran’i Jesoa, hetsaho aho;

ry rano nivoaka tamin’ny lanivoan’i Jesoa, sasao aho;

ry fijalian’i Jesoa, herezo aho.

Ry Jesoa tsara fo, henoy aho,

afeno ao anatin’ny ferinao aho,

aza avela hisaraka aminao aho,

arovy amin’ny hasomparan’ny fahavaloko aho,

antsoy amin’ny andro hahafatesako aho,

ary asaovy mankany aminao aho,

hiaraka hankalaza Anao

amin’ny Olomasina mandrakizay. Amen.

Fivavahan’ny Tompontsika na Hataky ny Tompo

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio ny haninay isan’andro, avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay, aza avelanao ho azan’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy. (Fa anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay). Amen.

Voninahitra anie

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Tahaka ny taloha  sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

Fiarahaban’ny anjely

Arahaba ry Maria feno hasoavana, ny Tompo ao aminao, nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao, ary nosoavina i Jesoa nateraky ny kibonao. Masina Maria, Renin’Andriamanitra, mivavaha ho anay mpanota, ankehitriny  ary amin’ny andro hahafatesanay. Amen.

Ry Jesoa o

Ry Jesoa o, avelao ny fahotanay, arovy izahay amin’ny memin’ny afobe, tariho mankany andanitra ny fanahy rehetra, indrindra ireo izay mila ny famindramponao bebe kokoa. Amen.

Simbolin’ny apôstôly

Izaho mino an’Andriamanitra, Ray mahefa ny zavatra rehetra, nahary ny lanitra sy ny tany. Izaho mino an’i Jesoa Kristy, Zanany tokana Tompontsika, noforonin’ny Fanahy Masina, naterak’i Maria Virijiny, nijaly faha Pontsy Pilaty, nofantsihina tamin’ny hazofijaliana, maty dia nalevina, nidina tany ambany tany; nitsangan-kovelona tamin’ny andro fahatelo; niakatra any an-danitra, mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra Ray mahefa ny zavatra rehetra, avy any Izy mbola ho avy, hitsara ny velona sy ny maty. Izaho mino ny Fanahy Masina, ny Eglizy masina manerana ny tany, ny fiombonan’ny olomasina, ny fanalana ny ota, ny hitsanganan’ny vatantsika ho velona, ary ny fiainana mandrakizay. Amen.

Tsarovinao

Tsarovinao, ry Maria Virijiny be famindrampo, fa tsy mbola re ny olona fa nafoinao, izay nanatona ny fiarovanao sy nihanta ny fanampianao ary nangataka ny fifonanao; matoky izany aho, dia midodododo manketo aminao, ry Reny Virijiny lohan’ny virijiny rehetra, manatona anao aho mpanota, aza malain-kihaino ny teniko ry Renin’ny Teny, fa raiso tsara izy ary ekeo. Amen.

Izahay mifefy aminao

Izahay mifefy aminao, ry Renimasin’Andriamanitra, aza manary ny fangatahanay amin’ny manjoa anay, fa afaho amin’ny rofy rehetra mandrakizay izahay, ry Virjiny be voninahitra sy be hasoavana.

Ry Misely arkanjely masina

Ry Misely arkanjely masina, ampio izahay amin’ny ady majoa anay, arovy izahay amin’ny hasoparana sy ny fandriky ny Demony; ary ianao ry filohan’ny tafiky ny lanitra, noho ny herin’Andriamanitra dia tohero i Satana sy ny fanahy mpanimba rehetra izay mihahaka eran’izao tontolo izao mba hahavery ny olona, ary avarino amin’ny afobe. Amen.

Anjelin’Andriamanitra

Anjelin’Andriamanitra, mpiambina ahy sy nanakinan’Andriamanitra mpamindra fò ny aiko; hazavao aho anio, ambeno, tahio ary zakao. Amen.

Andriamanitra omeo ny fahasoavanao

Andriamanitra, omeo ny fahasoavanao, ny havako, ny mpano soa ahy, ny sakaizako sy ny fahavaloko; vonjeo ny mahatra, ny marary sy ny miala aina; tariho ao amin’ny Eglizinao ny olona mivavaka aminao amin’ny fò mahitsy; ampivalozy ny mpanota ary tsilovy ny tsy mino. Andriamanitra o, afaho ny fanahin’ny olona marina izay mbola ao amin’ny afofandiovana. Koa omeonao ny fiadanana mandrakizay izy. 

Hevitra mandeha

raherison15 ( 21/01/2015 07:26)
tena manampy tokoa ilay izy fa misaotra
ChefOdilon ( 20/03/2015 13:26)
Misaotra fa ampy hikonfesena ity.
www.fidel61 ( 16/03/2019 18:45)
mankasitraka fa tena manampy ny fikarohana vavaka hafa ilay izy

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0426