Eokaristia : Fanompoana

Ny Vatana aman-dRan'i Kristy

communion.jpg

 

Vakiteny I : Jenezy 14, 18-20
Nanolotra mofo sy divay i Melkisedeka

 

Salamo 109 : Ianao mpisorona mandrakizay araka ny fanaon'i Melkisedeka

 

Vakiteny II : 1 Korintiana 11, 23-26
Isaky ny mihinana ity mofo ity sy misotro amin'ity kalisy ity ianareo, dia manambara ny nahafatesan'ny Tompo.

 

Evanjely : Lioka 9, 11b-17

Nihinana izy rehetra ka voky

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny vahoaka ny amin'ny Fanjakan'Andriamanitra sady nanasitrana ny marary. Efa ho hariva ny andro ka nanatona Azy ny roa ambin'ny folo lahy nanao taminy hoe: "Ravao ny vahoaka handeha hitady fandriana sy hanina any amin'ny vohitra sy ny saha manodidina, fa aty an'efitra isika izao". Fa hoy Izy tamin'izy ireo : "Omenareo hanina izy". Dia namaly izy ireo nanao hoe : "Tsy manana afa-tsy mofo dimy sy hazan-drano roa izahay, raha tsy hoe handeha hividy angaha izahay, mba hisy hohanin'ireo vahoaka be ireo". Fa tokony ho dimy arivo lahy izy ireo. Dia hoy Izy tamin'ny mpianany : "Asaivo mipetraka mitsitokotoko dimampolo avy ny olona". Dia nataon'izy ireo izany, ka nasainy nipetraka daholo izy ireo. Tamin'izay, noraisin'i Jesoa ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nitso-drano azy ary novakiany sy nozarainy tamin'ny mpianany, mba haroson'izy ireo eo anoloan'ny vahoaka. Dia nihinana izy rehetra ka voky. Dia nentina ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno sobika roa ambin'ny folo.

Izany ary ny Tenin'ny Tompo - Dera anie ho anao ry Kristy.

 

 

Fifampizarana

Ankoatra ny "procession" entina hanehoana ampahibemaso ny finoana sy ny fanajana sy Sakramenta Masina atao amin'ity andro ity ao amin'ny Fiangonana Katolika, dia tiako ny manomboka ny fifampizarana ny Tenin'Andriamanitra amin'ny hoe "omenareo hanina izy ireo". Ilay tenin'i Jesoa tamin'ny Apostoly. Tsara homarihina fa ireo Apostoly ireo, (mialoha io Evanjely io, Vakio Lk 9, 1-11a) rehefa avy nitantara ny traikefam-piainany tamin'i Jesoa dia nentiny tany an-tany efitra, mangingina, mba hiala sasatra, mba haka fampianarana vaovao, na koa mba hila fanazavana amin'ny mety ho olana sedraina amin'ny fitoriana ny Fanjakan'Andriamanitra. Rehefa tonga anefa ny vahoaka dia noraisin'i Jesoa am-pitiavana. Toa tsy nahoany akory ireto mpianany niasa mafy ho Azy, mpianatra izay nanaraka ny teniny ka tsy nitaky karama fa nihinana ihany izay naroson'ny olona...

Nony hariva ny andro, nanomboka niakatra ny tambavin'ny apostoly, ankoatra ny harerahana, eo koa ny hanoanana efa mamely. Tsy tanan'izy ireo intsony ny ahiahiny ka naborany an'i Jesoa : "Ravao ny vahoaka hitady hanina sy kodoro". Raha miverina amin'ny traikefam-piainantsika andavan'andro isika dia hahatsapa fa tsy ny vahoaka loatra no noana, tsy ny vahoaka loatra no mitady kidoro hialana sasatra. Ny harerahan'ny Apostoly, ny hanoanan'ny Apostoly no nanosika azy ireo hiala tsiny ka nataony hisolo vaika azy ny vahoaka. Raha ny marina manko, zaran'ny vahoaka aza ny hitafa sy hitoetra miaraka amin'ilay Mpaminany izay efa nampitampim-bava an'i Eroda (Lk 9, 7-10).

Ao anatin'izany hanoanana sy harerahana izany indrindra no nanirahan'i Jesoa azy ireo "hanome hanina" ny vahoaka, hanompo ny vahoaka. Tsy ampy ny mahatsapa ny fahorian'ny hafa ka mitaraina. Ny hala olana amin'ny tsy fahampian'ny ho enti-manana tsy vahaolana manakana ho amin'ny "fanompoana". Ampy ho an'ny Tompo ny kely hany mba nananany : mofo dimy sy hazandrano roa. Ilainy kosa anefa ny zotom-po hisahirana, hisikina hanompo : mba diniho moa ny hamorona antoko zato izany e (5000 amin'ny tsi-dimampolo tsi-dimampolo), tsy asa moramora. Nefa dia notanterahin'ny apostoly an-jotom-po. Rehefa avy eo mbola nampihinana ny olona sy nanangona ny sisa tsy lany.

Izany no Eokaristia : Fanompoana. Raha nitantara ny Fanasana farany niarahan'i Jesoa sy ny Mpianany i Joany dia tsy fanasana "sakafo" no notantarainy fa fanasana "tongotra" (Jn 13, 1ss) : ny fanaovany ny asan'ny mpanompo, ny andevo, ny fanasana tongotra. Raha mitantara ny namoronana ny Eokaristia i Paoly (vak II : 1 Kor 11)) dia nanafatrafatra hoe "isaky ny mihinana ity mofo ity sy misotro amin'ity kalisy ity ianareo dia manambara ny fahafatesan'ny Tompo mandra-pihaviny". Izany tokoa satria notanterahin'i Kristy tamin'ny fanolorany ny tenany sy ny rany ho antsika izay nosantariny tamin'ny alakamisy masina niaraka tamin'ny Mpianany.

Fa isaky ny manolotra ny "mofo sy ny divay vokatry ny tany sy ny hasasaran'ny olombelona" isika[1] dia "mahatsiaro an'i Jesoa. Nafarany manko ny hanao lamesa "ho fahatsiarovana Azy"[2]. Fanatanterahana ny didiny izany.

Tsaroantsika ny Salamo 109 milaza hoe :
" Tenin'ny Tompo amin'ny Tompoko,
"Mipetraha eto an-kavanako
izaho hanao ny fahavalonao
ho fitoeran-tongotrao"...
Ny Tompo ho eo ankavananao
mandripaka mpanjaka am-pahavinirana...

Ny eo an-kavanana, araka ny kolon-tsaina jody dia izay mpanatontosa iraka : noho izany rehefa manaiky hanatontosa ny didin'i Jesoa isika, manaiky hijjoro eo an-kavanany, dia izy kosa no hijoro eo an-kavantsika, hamaly ny vavaka ataontsika aminy... Mila fandinihana lalina io salamo io.

Fa inona moa ny didin'ny Tompo? Raha tsy ny didim-pitiavana, ilay fitia vonona hanompo hatramin'ny fara-fofonaina. Dia izay ny Eokaristia. Manaiky hanompo ny hafa, eny fa na dia taorian'ny asa aman-draharaha nanirahana aza tahaka ireto apostoly efa reraky ny asa fitoriana. Izany no hahafahantsika mifampizara ny kely mba hananana tahaka an'i Abrahama, hitsinjovana ny fiainam-piangonana sy ny mahantra (rakitra), na tahaka an'ireo apostoly tsy hihambahamba hanolotra ny iraimbilanja ho bemiray hampivoatra ny fiaraha-monina.

Misy heviny ary araka izany ny Sorona atolotra rahefa i Kristy no tsaroana eo am-panolorana azy, ka hampahafana ny fo amin'ny famoaboasana ny Tenin'Andriamanitra (Lk 24) sy hampahiratra ny maso hahita ny endrik'Andriamanitra tsy voakosoky ny fahotana sy ny fahantrana ao amin'ny mpanota sy ny fadiranovana. Ny tena olon'ny Eokaristia dia afaka mahita ilay olona nohariana hitovy endrika amin'Andriamanitra ao amin'ireo tokony hoheverina ho fahavalony...

Olon'ny Eokaristia ve ianao?

Aza kivy fa ivereno ventesina ny antsa mialoha ny Evanjely hoe :

Ry Jesoa Mpiandry ondry tsara,

MamindrĂ  fo aminay

aoka ianao no hanina mamelona sy manohana anay

ary aoka ianao hampahita anay ny soa

any amin'ny tanin'ny velona.



[1] Jereo lamesa (fanomanana ny tolotra)

[2] Miverina in-droa amin'ny vak II

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102