Ny sekta sy ny fampianaran-diso

1. Famaritana
a. Ny fampianaran‐diso (Hérésie)

Ny hoe : « fampianaran‐diso » dia ilay antsoin’ny teny grika hoe : « hairesis » (αἵρεσις: option, opinion, secte, parti). Izany hoe manaraka hevitra hafa na foto‐pampianarana hafa ankoatr’izay ampianarin’ny fiangonana na ny Soratra Masina. Ny Fiangonana Katolika dia milaza fa « fampianaran‐diso » izay mifanohitra amin’ny foto‐pampianaran’ny Eglizy sy ny foto‐pinoana katolika. Ny fampianaran’i Kalvin kosa dia samy milaza fa ny fampianarana rehetra mifanohitra amin’ny fampianaran’ny Soratra Masina .

b. Ny sekta (La secte)

Ny « sekta » dia adikan’ny teny latina hoe « secta » na « sequi » izay milaza hoe « manaraka lalana hafa » fa eo koa ny teny hoe « secare » izay midika hoe « tapaka » tsy mifandray amin’ny fototra intsony izay nihaviany (Jao.15,1‐5). Ny sekta dia olona iray na vondron’olona mitarika sy mitaona olona efa manaraka fivavahana iray mba hanohitra sy hankahala ny fivavahana misy azy ka hifidra hanaraka fivavahana na finoana hafa. Ny sekta dia teraka avy amin’ny fisarahana nisy teo amin’ny antokom‐pivavahana lehibe iray. Paoly dia noheverin’i Jiosy fa « sekta » adikan’ny teny grika hoe : « airesin » (αιρεσιν) (Asa.24,14) satria noheverina fa nitaona ny jiosy hiala na hiendaka amin’ny fivavahana Jiosy hanaraka fivavahana hafa ankoatry ny Jodaisma. Notsaraina teo anatrehan’i Feliksa izy ary nampangaina hoe: « Fa io lehilahy io dia hitanay fa tena [ratsy fanahy]* sady mpampikomy ny Jiosy rehetra eny tontolo eny, ary izy no tari‐dalan'ilay antoko atao hoe Nazarena ». (Asa. 24,5). Nambara mihitsy ho *« Pesta » (λοιμον) i Paoly. Saingy nambaran’i Paoly fa tsy sekta izy satria ny Andriamanitry ny Jiosy « Andriamanitry ny razako/Andriamanitr’i
Abrahama » ihany no ivavahany sy inoany ary ny « lalàna sy ny mpaminany » izay nampianarin’ny Jiosy ihany no ampianariny sy anompoany an’Andriamanitra.
Mino ny fitsanganana amin’ny maty ihany koa toy ny fariseo namany i Paoly (Asa.24,14).
Misy ny sekta ao anatin’ny fikambanana miafina « occulte » na ilay antsoina hoe « Sociétés secrètes » mody manao asa fiantrana sy asa soa « club de services »
hanakonana ny fanompoan‐tsampy sy fanompoana an’i Satana ataony.

2. Ny mampiavaka ny sekta amin’ny fiangonana:

• Ovana mihitsy ny dikan‐teny sy ny soratra mba hivoizana fampianarana hafa « Fausse interprétation ou fausse traduction de la Bible » Jereo
Baibolin’ny Témoin de Jehovah ohatra Jao.1,2 « Izy [ny Teny] dia tao amin’Andriamanitra… » ao amin’ny Baiboly Protestanta fa ao amin’ny Baiboly Traduction Monde Nouveau ny Temoin de Jehovah kosa dia « Ny Teny dia tao amin’andriamanitra ». Jereo ihany koa fa novainy mihitsy ny 1 Jao.5, 20 mba hanamafisany ny heviny fa tsy Andriamanitra i Jesoa Kristy.
• Tsy mitovy lanja eo anatrehany ny boky ao amin’ny Baiboly :Misy ny tsindrina sy ampianarina kokoa araka izay mifanaraka amin’ny eritreriny. « Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy
kilema*; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany » [* Gr. salama]. (2 Tim. 4,3). Filàny « propre désir, feeling » izay adikan’ny teny fototra grika hoe : « epitumias » (επιθυμιαs). Ohatra amin’ireny ny bokin’ny Ezekiela, Daniela, Jaona, Apokalypsy…
• Misy mpitarika antsoina hoe « Gourou » :
Ny mpitarika dia heverina ho manana fanomezam‐pahasoavana manokana tsy misy toa azy avy amin’ny « fanahy » na « andriamanitra » (leader charismatique). Tsy refesi‐mandidy, tompon’ny fahefana sy ny fanapahana ary fanapahan‐kevitra samirery ao amin’ilay antokom‐pivavahana, tompon’ny vola aman‐karena
« milliardaires » (autorité charismatique, comme un gourou, avec une direction totalitaire). Ny mpikambana ao aminy dia tsy mahalala mihitsy ny vola miditra sy
mivoaka ary ny fananan’ny Fiangonana. Afenina mafy izany ary ny ekipa vitsy latsaky ny 10 raha be indrindra no mahalala izany sy miara‐mandray ny fanapahan‐
kevitra. Tsy misy rafi‐pitondrana sy ambaratongan‐drafitra tahaka ny fiangonana. Io « Gourou » io no topoiny sy haniny amam‐bolony izay lazainy ary tsy maintsy
tanterahana izay ampanaoviny. Tsy mety diso io fa « iraka solon’andriamanitra na dia ratsy fitondran‐tena aza. Manan‐danja noho ny tenin’Andriamanitra
« Baiboly » ny teny na ny nofin’ilay mpitarika « Gourou ».
• Samatsamahiny ny Soratra Masina « etude sectoriel » :
Fotokevitra vitsy nalaina tao amin’ny Soratra Masina mifanaraka amin’ny filany no ampianariny sy voiziny na itariny aza fa tsy ny Soratra masina iray manontolo
araka ny konteksta (exagérer certaines doctrines particulières sans tenir compte les contextes). Ny tanjona dia izay hahazoana olona maro. (Teolojian’ny hosotra, ny
harena, ny fitahiana « théologie de la prosperité ». Tsy omeny lanja ny fampianarana momba ny « fitsanganana amin’ny maty » na iniana tsy resahana mihitsy.
• Fanompoam‐pivavahana tsy misy fandaminana sy rafitra :
Izay tian’ny mpitarika atao no atao « lazainy fa araka ny fitarihan’ny Fanahy Masina ». Tsy misy litorjia iombonana, tsy manaraka litorjia.
• Atao fitaovana sy saribakoly mba hampiasaina amin’izay ilàna azy ny mpikambana (manipulation mentale et exploitation des adeptes),
Mba hanatratraran’ny mpitarika ny zava‐kendreny dia ampiasainy ny fahaiza‐miteny, ny fanambatambazana, fanangolena, fampihorohoroana na fanamelohana
raha ilaina (séduction, culpabilisation, menace, mobilisation, promesses de développement et de salut élitiste). Ampanantenainy « paradisa », harena, fiadanana
ara‐nofo, vahaolana ny mpikambana ao mba hisarihany azy hanaraka ny fivavahany. Fandangolangoana amin’ny lohateny manintona sy mambabo vetivety.
• Fanararaotana ara‐panahy « Abus spirituel »
Ampitahorina ilay olona fa raha vao miala amin’ilay sekta dia ho very, tsy hahita fitahiana fa voaozona, tsy voavonjy, tsy azo atao ambanin‐javatra ny asa
fanompoana fa tsy maintsy ampandeferina ny ao an‐tokatrano sy ny fiainam‐pianakaviana. Ny ara‐panahy no zava‐dehibe fa aza miraharaha ny ara‐nofo.
• Fangoronan‐karena :
(L'extorsion de fonds « arracher des fonds sans consentement et de façon malhonnête ou par manipulation financière »).
Fanerena ny mpikambana hanao fahafolon‐karena. Natao ho fanangonan‐karena ny fanompoam‐pivavahana. Tdiavina avokoa izay fomba hangaronana ny paosy sy
poketran’ny olona.
• Mpikambana amin’ny rohim‐pikambanana miafina sy mahazo famatsiambola tsy mazava :
(Appartenance d’un réseau secrète ou financement illicite)
Ny sekta dia mpikambana amin’ny fikambanana miafina iraisam‐pirenena. Vola avy amin’ny vola maloto na famotsiam‐bola. Tsy mazava ny loharanom‐bolany.
• Ny ezaka ataon’ny olona no ahazoany famonjena fa tsy ny famindram‐pon’Andriamanitra sy ny fahasoavany
• Mpitompo teny fatratra, mahery fihetsika :
Mitoka‐monina, mankahala ny hafa tsy tia fiombonana « Fanatisme et isolement, Haïr les autres » na koa « integriste ». Nosasana mihitsy ny atidohan’ny
mpikambana ary natao izay hankahalany ny fampianarana sy ny fahalanana efa azony tamin’ireo fiangonana nisy azy teo aloha. Ny hevitra tafiditra ao an‐dohany
ihany no heveriny ho marina na dia tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina aza. Tsy mety hahitsy na ampianarina. Heveriny ho « devoly daholo » ny rehetra sy ny
manodidina (Diboliser les autres). Tsy tia mifandray amin’ny hafa fa te hitoka‐monina. « Mihevitra ny tenany irery na manava‐tena ho masina » toy ny « fariseo ».
• Manome lanja ny faminaniana ny amin’ny ho avy :
Mpahita, mahalala ny momba ny olona sy ny toetrany ary ny ho aviny, ny tonon’andro sy tonom‐bitana.
3. Ahoana no ahafantarana fa fampianaran-diso ?
Tsy mifanaraka na mifototra amin’ny Soratra Masina ny fampianarany
Manindraindra olona, ny mpitarika no tompoina fa tsy i Jesoa Kristy
Fiangonana manao afera (Marketing ecclesiastique) « Church business »
Miliardera ny mpitarika « gourou » fa mahatra ny mpikambana amin’ny ankapobeny. Notaizana hiankin‐doha mandrakariva ny mpikambana ary tsy mikendry
fampandrosoana ny maha olona ny mpitarika.
Lasa tery saina sy tsy afaka mamakafaka sy manana fahalalahana ny mpikambana.
4. Ireo sekta nahavanon-doza indrindra eran-tany.
Sekta hebraika Mesianika na Kabalistika, Maya, Pre‐judaisme
Sekta Silamo : Hamas, Al Qaïda, Boko Haram, Frère Musulman,
Sekta kristiana : Temoin de Jehovah, Sauteria Evangelique « Vahao ny oloko, Shine…, Mormon « Eglise de Jesus Christ des Saints du dernier jour, Secte Moon
Sekta ésotérique : Esoterisme‐ Exoterisme, Spiritisme, Animisme, Franc maçonnerie, New Age, Magie, Rasta
Sekta satanique : Club satanique, Messanta (sady satanika no esoterika) ohatra : « Noelah, Aina eny Itaosy,
5. Inona no tokony hatao mba tsy ho azon’ny sekta sy ny fampianaran-diso ?
Meteza hianatra sy hitombo amin’ny tenin’Andriamanitra (Rom.10,17). Mamakia baiboly isan’andro.
Miorena tsara amin’ny tenin’Andriamanitra araka izay ampianarin’ny fiangonana « Teny tsy misy kilema (2 Tim.4,3 sy 13), ny fampianaran’ny Apostoly» (Asa 2,42).
Fantaro sy ianaro tsara ny foto‐pinoanao sy ny tantaran’ny fiangonana ary ny rafitra ao aminy. Hajao ny Foto‐dalàna sy Fitsipika ary ny fandaminan’ny fiangonana.(2Tim.1,12 ; 2 Tim.3,10‐17)
Mazotoa mitana ny fiombonana sy ny firaisana (Efe.4,3). Hajao ny litorjia.
Mazotoa mitana ny fiombonana sy ny firaisana (Efe.4,3). Hajao ny litorjia.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.017