Niteraka fanontaniana maro ny hevitra fonosin’ny relìka indrindra manoloana ny fandalovan’ny tehin’i Mb Terezy avy any Avila teto Madagasikara farany teo sy ny mbola handalovan’ny sisan-taolany ihany koa. Zavatra iray manan-danja eo anivon’ny fomba amam-paonao nentin-drazana afrikanina, inona no hevitrin’ny relìka eo anivon’ny fiangonana kristianina? Lahatsoratra avy amin’ny Masera Michèle, avy ao amin’ny kongregasiona salezianina ao Gabon.
Ny relìka dia efa hatramin’ny ela no manana anjara toerana ambony manoloana ny fiangonana kristinanina. Hatramin’ny niatombohan’ny finoana kristianina dia maro ireo mpanoratra nanamarika fa ny vatan’i Jesoa sy ireo apôstôly dia manan-danja (anisan’izany ny vatan’i Md Pierra ao Roma, Md Jacques ao Compostelle ary Md Thomas ao Inde).
Taty aoriana, maro ireo mpino kristianina no tonga ao Roma mba hitsidika sy hivavaka manodinana ny fasan’ireo martiry rehefa tonga ny andro anamarihana ny fanandratana azy ireo any an-danitra. Maro ihany koa ny misafidy halevina eo akaikin’izy ireo (ao amin’ny lagraotin’i Mb Madeleine na ao amin’ny fiangonana Md Victor any Marseille; misy ihany koa ny misafidy ny toerana hafa tahakin’ny fasan’i Mb Agnès ao amin’ny katakaômby Md Calixte any Roma).
Maro ireo fahagagana sy mari-pahasoavana nitranga taty aoriana, izay niteraka fanantenana teo anivon’ny mahantra sy ireo nisedra fanaintainana. Vokatr’izany dia lasa fitaratra sy mpanelanelana eo amintsika sy Adriamanitra ireo maritiry sy ireo olomasina.
Inona atao hoe relìka?
Ny teny hoe relìka, izay raisintsika avy amin’ny teny frantsay hoe “RELIQUES” dia avy amin’ny teny latina hoe “RELIQUIAE” izay midika hoe “RESTES”, izany hoe “SISA” amin’ny teny Malagasy. Ampiasaina ity voambolana ity mba hilazana ny zavatra sisa navelan’ireo olona manan-danja eo anivon’ny Eglizy, toy ireo olomasina (ao anatin’izany ny pitsopitsony ara-batana na koa ireo entana izay nampiasain’izy ireo). Tsara anefa ny ampatsiahivana antsika fa fomba ara-pivavahana ihany no atao amin’ireny relìka ireny fa tsy sanatria akory fibebahana na koa fiderana. Ireto farany izay natokana ho an’Andriamanitra irery ihany.
Manoloana izany, ny fanompoam-pivavahana izay atao ho an’ireo olomasina dia mijanona ho litorjia irery ihany, izany hoe fankalazana natokana ho an’ny rehetra, fa tsy raisina ho toy ny mazia, izay fahaiza-manao natokana ho an’olom-bitsy. Indraindray azy izy ity fahaiza-manao ity dia mety hiendrika famitahana noho ny finoanoam-poana aterany, ka mahatonga ny olona sasantsasany hanaiky ny herin’ny fomban-drazana aty amin’ny tany afrikanina.
Izany rehetra izany dia miteraka fanontaniana mahakasika ny fahasamihafana misy eo amin’ireo relìka sy ny taolambalon’ireo razam-be, ary ihany koa eo anivon’ny fanompoam-pivavahana kristianina sy ny fombam-pivavahana nentin-drazana.
Ny fahasamihafana eo amin’ny relìka sy ny taolambalo tsotra
Maro ireo fahasamihafana! Na dia tsy maintsy lazaina ary fa ny fandraisana ny maha zava-dehibe ny relìka dia miankina amin’ny toetra maha-olombelona.
Raha ny marina “izay manana fitiavana manokana ho an’olona iray dia mankamasina ireo fananana izay navelan’itsy farany taorian’ny fahafatesany” arakin’ny tenin’I Md Thomas d'Aquin (†1274). Isika rehetra dia mahita fa ny teolojia dia miainga amin’ny zavatra faran’izay tsotra efa nitranga teo amin’ny fiainana maha olona. Rehefa mahita ny firavaka izay nanaovan’ny renibenao ianao, na ny boky masina nampiasainy, dia tsy ireo fitaovana ireo akory no tianao fa ny renibenao izay tsiahivinao amin’ny alalan’izy ireo. Tadidinao amin’izany ny fahatsorany sy ny finoany, indrindra moa ny fananarana izany nomeny anao; ka noho izany dia misaotra an’Andriamanitra ianao noho ny nanomezany azy anao.
Saingy eto dia tsara any manamarika fa resaka finoana, izany hoe finoana kristianina no resahana.
Fanompoam-pivavahana atao ho an’ireo olomasina sy fombam-pivavahana ara-drazana: ny mampitovy sy ny mahasamihafa azy ireo
“Aty amin’ny tany afrikanina, ny olona efa maty dia mbola mijanona ho fianakaviana” hoy Jean Marc Ela. Ho an’ny finoana ara-drazana afrikanina, ary koa ho an’ny finoana kristianina, ny fahafatesana dia tsy fahataperan’ny fiainana fa midika fiovan-javatra fotsiny ihany. Eo anelanelan’ny velona sy ny maty dia misy fifandraisana izay velomin’ny vavaka sy ny sorona isan-karazany, izay miovaova arakin’ny finoana arahina.
Ny afrikanina dia mino mafy fa ny maty dia tsy tena maty akory. Noho izany antony izany, misy ny haja omena azy ireo. Raha te hanaporofo izany ianao dia jereo ny fomba fanao ao amin’ny firenena na ny faritra misy anao; vatam-paty lehibe, akanjo mihaja, sakafo, haingo isan-karazany apetraka eo akaikin’ny fasana... Amin’ny ankapobeny, ny fomba fandevenana aty Afrika dia miteraka fandaniam-bola sy harena maro, izay mety hiteraka vesatra ho an’ny velona.
Ho an’ny finoana nentin-drazana afrikanina, ny fombam-pivavahana navelan’ny razana dia natokana ho azy ireo ihany. Mba ho afaka mahazo izany fankalazana izany anefa, ny maty iray dia tsy maintsy mahafeno fepetra vitsivitsy: maty aorian’ny fahafenoany taona, manan-janaka maro, niaina tamin’ny fomba tsara, maty tamin’ny fomba voajanahary.
Ireo misionera voalohany, izay tsy notezaina tao anatin’ny kolontsaina afrikanina, dia nino ary nampianatra fa ny razana dia deraina aty Afrika. Izany indrindra no niteraka ny fanakianana ny fombam-pivavahan’ireo razantsika. Kanefa, ny kolontsaina sy ny finoana tsirairay dia manana ny fomba hanamarihany sy hahatsiarovany ny olona efa maty; ary afaka manorina lalàna sy fitsipika ahafahana manome lanja ny olona iray aorian’ny fahafatesany.
Inona ary no mety ho olana? Inona no zavatra mety tsy afaka hiaraka amin’ny finoana kristianina ao anatin’ny fomba nentin-drazana? Mba hahafahana mamaly ireo fanontaniana ireo dia ndeha ho velarintsika ireto teboka telo manaraka ireto:
Ireo fepetra isan-karazany
Azo oharina amin’ny fanelanelanana misy eo amin’ny razambe ny fanelanelanana ataon’ireo olomasina eo anivon’ny Eglizy. Izy ireo dia samy fitaratra sy mpanelanelana avokoa, ary mpiambina natao hiaro sy hanome hery ny fiainam-piarahamonina. Na dia izany aza, tsy mitovy ny fepetra isafidianana azy ireo. Ny razambe dia safidiana amin’ny alalan’ny fepetra sosialy (maty aorian’ny fahafenoana taona, manan-janaka maro, niaina tamin’ny fomba tsara, maty tamin’ny fomba voajanahary); ary ny fahafahan’izy ireo miaro dia mijanona ho an’ny fianakaviana sy ny foko niaviany. Izy ireo izay miankina bebe kokoa amin’ny fifandraisan’ny rà. Izany hoe mifandraika amin’ny resa-taranaka.
Ireo olomasina indray dia mitoetra amin’ny toerana lehibe kokoa, izay marihin’ny fifandraisana ara-pinoana. Ny fahafahan’izy ireo miaro dia misandrahaka amin’ny olona rehetra. Ny fepetra ifidianana azy ireo dia miankina amin’ny fitiavana an’Andriamanitra, ny fanarahana ny didy folo sy ny fanajàna ny fiangonana; amin’ny ankapobeny, dia ny fanekena ilay lalàn’i Jesoa Kristy “raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, sy hitondra ny hazofijaliany, ka hanaraka Ahy” Mt 16, 24. Izany hoe, ny Fiangonana dia manome voninahitra an’Andriamanitra amin’ny alalan’ireo olomasina; amin’ny finoana nentin-drazana dia ny olombelona no manamasina ny olona efa maty. Kanefa, Andriamanitra kosa no manamasina ny olomasina. Ireto farany dia fanomezana avy amin’Andriamanitra, vavolombelon’i Jesoa Kristy, ary vavolombelon’ny Evanjely sy ny Eglizy ihany koa. Ny olona tsirairay dia tsy afaka manamasina ny karan-doha, ny taolan-tongontra, ny taolan-tanan’ny rainy na ny reniny na olon-kafa tsy voafetra. Ary ny fitiavana olona iray dia tokony tsy hitarika amin’ny fanompoana azy; satria izany dia mety hampivaona amin’ny fiainana maha-kristianina. Eto indrindra no mipetraka ny olana.
Ny anjara toeran’ny fanelanelanana
Ny razana, manoloana ny finoana nentim-paharazana afrikanina, dia raisina ho toy ny mpanelanelana eo amin’ny velona sy Andriamanitra. Ny fifandraisana aminy dia heverina fa tsy maintsy atao. Ary ny fianakaviana tsirairay dia tsy maintsy manome hasina sy manompo ny razany. Ny tsy fanajàna ny fanompoam-pivavahana nentim-paharazana na ny fanimbazimbana ireo fitsipika fahagola dia mety hiteraka sazy mafy amin’ireo izay minia mandika izany. Isika koa anefa tsy ho afaka handala ny fomban-drazana raha tsy mankasitraka ireo razambe. Kanefa eo anivon’ny finoana maha Kristianina, na dia omen’Andriamanitra ho fitaratra sy ho anjely mpiambina antsika aza ireo olomasina dia afaka mijanona ho kristianina ihany isika na dia tsy misy azy ireo. Satria I Jesoa Kristy no fitaratra voalohany.
Ny fanelanelanan’i Jesoa Kristy
Ho ahy manokana, ny tokony hialàna dia ny fampifangaroana; ary tokony hampitahaina amin’ny Jesoa Kristy ireo olomasina sy ny razana. Maro ireo teolojia kristianina afrikana no nihevitra an’i Jesoa ho toy razambe na rahalahy. Izany dia mety ho fikasana hampiova ho fomba amam-panao kristianina ny fomba nentim-paharazana afrikanina. Kanefa, izany fiheverana izany dia voafetra eo amin’ny lafiny maha olona.
Raha ny marina, i Jesoa Kristy dia tsy olombelona fotsiny ihany, na rahalahy na razambe. Izy dia zanak’Andriamanitra. Ny fanelanelanany dia tokana ary tsy manam-petra. Avy aminy no anantsika “ny fiainana mandrakizay” Jn 10, 10. Izy no “lalana sy fahamarinana ary fiainana”. Ny fanelanelanan’i Jesoa Kristy dia tsy afaka ampitahaina amin’ny fanelanelanan’ireo razana sy ny olomasina. Tokony atsahatra hatreto noho izany ny fiziriziriana amin’ny hevitra mety hifanohitra amin’izany. Io indrindra no ahafahatsika mijanona ho kristianina na dia tsy miantso ny fanampian’ireo olomasina aza isika. Kanefa, afaka mahazo fitahiana sy zava-tsoa ihany koa isika amin’ny fankasitrahana ireto farany. Izy ireo izay voalaza fa mandray anjara amin’ny fanelanelanan’i Jesoa Kristy (He 1, 1-4); ary manorina ny Eglizy mahomby. Ny olomasina ihany koa dia mamaly ny antson’ny velona izay mitady an’Andriamanitra Ray ka mila ny fanampian’izy ireo.
Noho izany, afaka lazaintsika amin’ny ankapobeny fa ny fanelanelanan’i Jesoa Kristy dia tsy manan-tsahala, tokana ary tsy azo soloina. Avy aminy no ahafahantsika mahazo ny fiainana masina. Ary ny tany afrikanina ankehitriny dia miova tsikelikely ho kristianina; satria na ireo razambe aza dia olona izay natao batemy ary nino an’i Jesoa Kristy, ka niaina ny fiainana nifanaraka tamin’ny Evanjely. Na dia tsy eken’ny Eglizy tanteraka aza ny fahamasinan’izy ireo dia afaka mivavaka amin’ny alalan’izy ireo isika ary afaka mangataka azy ireo ihany koa mba hanampy antsika hanantona an’Andriamanitra. Saingy izany dia mila ny fanekentsika an’i Jesoa Kristy ho mpanelanelana tokana sy mandrakizay nohon’ny sorona tokana izay nataony nankasitrahan’Andriamanitra Ray. Raha tsy misy an’i Kristy, ny fanelanelanana ataon’ireo razana sy ny olomasina dia tsy misy dikany.
Ny nanomboan’ny fanompoam-pivavahana amin’ny alalan’ny relìka eo amin’ny Eglizy : ny martiora kristianina
Aran-tantara, ny fomba fivavahana amin’ny alalan’ny relìka dia niatomboka tamin’ireo fijoroana vavolombelona nataon’ireo martiry. Tsapatsika fa mahakasika mafy antsika ny mahita ny tabilao misy ny sarin’i Md Praxède sy Md Prudentienne manao ny ain’izy ireo ho sorona mba haka ny potik’ireo rahalahin’izy ireo izay lanin’ny liona. Izany fomba fivavahana izany dia tsy zakan’ireo mpino sasantsany ka nahatonga azy ireo hifandrombaka ny vatan’ireo maritiry mba ho azo antoka fa tsy misy tavela intsony ny potik’izy ireo. Ny habibian’ireo mpanenjika dia nampitombo ny hambom-pon’ireo kristianina ary nampifoha ny fanoloran-tenan’izy ireo ho fiarovana ny relìka izay niha kely hatrany.
Ity manaraka ity no voalaza ao amin’ny asan’i Maritirin’ny Md Polycarpe (†156) : “ Nasain’ny kapiteny nodorana ny vatan’i Polycarpe. Ary noraofinay ireo taolambalo izay sarobidy noho ny vatosoa lafo vidy sy ny volamena, ka napetrakay tamin’na toerana voatokana. Torak’izany, izahay dia mivory arak’izay azonay atao, amin-kafaliana, mba hatsiarovana ireo izay efa afaka tao anatin’ny ady sy hiomanana amin’izay zavatra mety hitranga amin’ireo maritiry manaraka.” Noho izany, ny fanajàna ny relìka dia nampiredareda ny zotom-pon’ireo kristianina, nahatonga azy ireo hiditra amin’ny finoana lavitry ny tahotra, nampitambatra azy ireo amin’ny fahamendrehan’ireo olomasina; ary nahatonga azy ireo hanana mpanelanelana. Ny fombafomba fanao taloha mikasika ny fankalazana ny Eokaristia eo ambonin’ny fasan’ireo maritiry dia mbola mitohy ankehitriny amin’ny fametrahana ny relìkan’ireo olomasina ao ambanin’ny hôtely, ka tsindriana vato.
Rehefa nifarana ny fanenjehana ny kristianina dia afaka nankalazaina malalaka ny datin’andro nahaterahan’ireo maritiry fa tsy nionona fotsiny tamin’ny fankalazana ny fandevenana azy ireo. Izany fomba izany dia eken’ny rehetra. Ary indrindra ihany koa fa fahiny dia maro ireo fambara nanaporofo mazava ny fahasoavana nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny relìkan’ireo olomasina. Maro ireo nahazo vokatsoa ka nitantara izany. Ny Baiboly aza ve moa tsy mitantara ny zava-mahagaga azo avy tamin’ny alalan’ny akanjoben’i Elia (Mpanjaka faha-2 2,14) na ihany koa ny nofo mangatsiakan’i Elisà (Mpanjaka faha-2 13,21) ? Ary Andriamanitra dia toa nametraka ny maha-zava-dehibe ny relìkan’ireo mpaminaniny. I Md Joany Damascène (†749) aza moa dia nanambara “raha toa ka nampiboiboika ny rano tao amin’ny vato tany an’efitra Andriamanitra, inona no mahagaga raha ohatra ka nataony izay hampisy fitahiana amin’ny alalan’ny vatan’ireo olomasina?”
Ny voalazan’ny Baiboly
Eo anivon’ny fiainana maha kristianina, ity fomba amam-panao ho an’ireo maritiry ity dia efa nisy hatramin’ny ela; tamin’izany dia teo ambonin’ny fasan’izy ireo no nankalazaina ny Eokaristia. Na dia izany aza, ny kristianina dia mpandova ny fomba jody. Maro ireo fampianarana azon’izy ireo avy tamin’ny alalan’ny kojakoja ara-panahy, fotopampianarana manokana, litorjia ary ireo fampaherezam-panahy isan-karazany avy amin’Andriamanitra.
Hojerentsika amin’izany ny ampahan’ireo soratra masina voalaza ao amin’ny Testamenta Taloha sy Vaovao izay manambara ny fisian’ny fombam-pivavahana mifantoka amin’ny fankalazana sy fanomezam-boninahitra ireo olomasina sy ny relìkan’izy ireo.
Testamenta Taloha
Ny mpaminany Elisà dia nandray ny akanjoben’i Elia, ilay nodimbiasiny toerana, ary nihevitra izany ho toy ny relìkan’ny ray ampanahiny. Ao anatin’izany ny fiantsoana ny Tompo amin’ny anarana hoe ho Andriamanitr’i Elia rehefa manao fahagagana. Izany hoe tsy ny herin’i Elia no niteraka zava-mahagaga, fa tamin’ny alalan’ilay akanjobe no naneho ny heriny Andriamanitra.
Boky faharoan’ny Mpanjaka 2, 9-14
9 Nony tafita izy roalahy, dia hoy Elia tamin’I Elisà : « Angataho izay tianao hataoko aminao, alohan’ny hangalana ahy aminao » Ary hoy ny navalin’i Elisà : « Ny mba hahazo anjara roa amin’ny fanahinao.» 10 Ka hoy Elia : « Mangataha zava-tsarotra ianao ; kanefa raha mahita ahy ianao amin’ny hangalana ahy hiala aminao, dia ho tonga aminao izany ; fa raha tsy izany kosa, dia tsy ho tonga izany. » 11 Mbola nanohy ny diany sady niresaka eny izy roalahy ; dia indro nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy, ka niakatra ho any an-danitra tamin’ny tafio-drivotra i Elia. 12 Sady nijery an’i Elisà no niantso hoe : « Ry ikaky ô ! Kalesin’i Israely sy mpitangi-tsoavaliny! » dia tsy nahita azy intsony izy. Tamin’izay, nalain’i Elisà ny fitafiany, dia notriariny roa; 13 ary noraisiny ny akanjoben’i Elia izay nitambotsotra niala taminy, niverina hankeo Jôrdany izy, ary nijanona teo amorony. 14 Dia noraisin’i Elisà ny akanjoben’i Elia izay nitambotsotra niala taminy, nikapohany ny rano, ka hoy izy hoe: “Aiza ny Tompo Andriamanitr’i Elia! Aiza izy? ” Ary nony nokapohiny ny rano dia nisaraka roa ho eo andaniny avy, ka nita I Elisà.
Toy izany, Andriamanitra dia nanao fahagagana tamin’ny famelomana indray ny maty iray izay nikasoka tamin’ny taolambalon’i Elisà
Boky Faharoan’ny Mpanjaka 13, 20-21
20 Maty i Elisà ka nalevina. Tamin’ny fitsingerenan’ny taom-baovao dia nisisika tamin’ny tany ny andian-jirika Môabita. 21 Ary nisy nandevina olona kosa, ka indro tazany ny anankiray tamin’ireny Jirika ireny, ka natsipiny tao am-pasan’i Elisà ny fatiny. Fa vao nitehika tamin’ny taolambalon’i Elisà ny fatin-dralehilahy, dia nody taminy ny ainy, ka nijoro tamin’ny tongony izy.
Ny bokin’ny Ekleziastika (na Siràka) dia manambara ny haja omen’ny vahoakan’i Israely ny relìkan’ireo mpamimany sy patriarka.
Bokin’ny Ekleziastika 49, 10-15
10 Ny amin’ireo mpaminany 12 lahy kosa, na dia efa ao am-pasana aza ny taolambalony, dia aoka ny Tompo hampijoro olona handimby azy, satria nampahery ny taranak’i Jakôba izy ireo ary namonjy azy tamin’ny finoana ombàm-panantenana. 11 Atao ahoana no fankalazana an’i Zerobabela izay dia toy ny peratra tombokase eo an-tanan-kavanana? 12 Torak’izany koa i Jesoa, zanakalahin’i Jôtsadàky! Satria izy roalahy ireo tamin’ny androny no nanorina ny tranon’Andriamanitra indray ary nanangana ny Toeramasina voatokana ho an’ny Tompo, dia Toeramasina voatendry hanam-boninahitra mandrakizay. 13 Lehibe koa ny fahatsiarovana an’i Nehemia, izay nanangana indray ny mandasika efa rava sy nanamboatra indray ny vavahadintsika mbamin ‘ny hidiny, ary nanorina indray ny trano fonenantsika. 14 Tsy misy olona tahaka an’i Henôka tamin’ireo noarin’Andriamanitra teto an-tany satria izy io dia nofaohina hiala amin’ity tany ity. 15 Tsy nisy koa olombelona tahaka an’i Jôsefa, filohan’ny rahalahiny sady tohanain’ny fireneny; ka voatahiry tamim-pitandremana ny taolambalony.
Testamenta vaovao
Ny Testamenta Vaovao dia manaporofo fa ny jody dia nanana fomba amam-panao izay manome haja ny relìka tamin’ny fotoanandron’i Jesoa.
Evanjelin’i Jesoa Kristy nosorantan’i Md Matio 23, 29.
29 Mampalahelo ianareo ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpiatsaravelatsihy fa manamboatra ny fasan’ny mpamimany ianareo sady manisy haingony ny tsangambaton’ny olo-marina.
Nosoratan’i Masera Michèle, Relijozy Salezianina.
Dikan-teny ho an'ny katolika.org: Marc Odilon TSIAMBANIZAFY