Ny Katolika sy ny sary vongana

Tsy vao voalohan'ny lahatsoratra mikasika ny Katolika sy ny sary vongana ity lahatsoratra ity. Ary tsy vao voalohany iezahana manazava ihany koa hoe ahoana marina no fandraisan'ny Katolika ireny sary vongana ireny. Natao ho an'ny Katolika indrindra ity lahatsoratra ity, satria ny tsy Katolika dia efa nanazavàna hatry ny ela hoe inona marina no ataon'ny Katolika. Saingy sarotra ny mahazo ny zavatra tsy inoana.

Tsy Andriamanitra ny sary vongana ary tsy sary vongana Andriamanitra

 Voalohany indrindra aloha dia lazaina avy hatrany fa tsy raisintsika katolika ho andriamanitra velively ny sary vongana. Tsy misy fampianarana katolika milaza hoe ito sary vongana ito, na iry sary vongana iry no andriamanitry ny katolika. Tsy ampitoviana amin'ny sary vongana Andriamanitra ary tsy ampitoviana amin'Andriamanitra ny sary vongana. Noho izany dia tsy ivavahana velively ny sary vongana. Ny tena katolika, noho izany, izay manaraka ny fampianaran'ny Fiangonana Katolika, dia tsy mangataka fitahiana amin'ny sary vongana. 

Ndeha ara hodinihantsika hoe maninona no misy resaka be lazaina momba ny fandraisan'ny Katolika ny sary vongana.

Tsy ny Katolika irery

Ny Sary vongana dia raisin'ny katolika ho famantarana mampiseho fotsiny ny zavatra tena fonosiny ao ambadika. Ny Fiangonana Katolika dia anisan'ny fiangonana mampiasa famantarana maro. Tsy ny Katolika anefa no tena mampiasa famantarana be indrindra. Ny Ortodoksa ohatra dia mbola mampiasa famantarana betsaka noho ny Fiangonana Katolika. Ao amin'ny trano fiangonana Ortodoksa dia tena betsaka mihitsy ny sary masina sy ny sary vongana. Misy koa ny fitaovana hafa toa ny emboka manitra, ny hazo fijaliana, ny boky.

Ny fiangonana kristianina hafa ihany koa dia mampiasa famantarana. Saika ahitana Hazo fijaliana, misy na tsy misy sary, avokoa ny fiangonana Kristianina. Misy Baiboly eo ambonin'ny pilpitra na ny otely. Betsaka ny mamerina ilay tantara nahaterahan'i Jesoa rehefa tonga ny Noely. Ary na ny trano fiangonana izay omena hasina manokana fa tsy natao ho toa ny trano rehetra aza dia efa famantarana ihany koa.

Ireny rehetra ireny dia famantarana avokoa na tsy mitovy lenta aza.

Koa nahoana ary no ny sary vongana na ny sary masina no tena ifantohana sy hitsikerana ny Katolika?

Ny anton'ny fampiasana famantarana

Hita ary fa samy mampiasa famantarana avokoa ny ankamaroan'ny fiangonana sy ny foto-pivavahana. Ny antony dia satria lalina sy tsy takatry ny saina loatra Andriamanitra ka manampy ny olona izay voafetra ihany hifantoka be be kokoa aminy ny famantarana. Impiry isika no efa nieritreritra an'Andriamanitra ho toa ny lehilahy antitra? Nefa ve voalaza ao amin'ny Baiboly fa toa izany izy? Heverintsika ho toa izany Andriamanitra satria izany no fahatsapantsika ny atao hoe Ray feno fahendrena. Ary tsy maninona izany satria manampy antsika hifantoka aminy rehefa mivavaka na dia izany sary an-tsaina izany fotsiny aza. Ny sary vongana dia mamerina fotsiny io famantarana io ho hita maso. Manampy antsika handeha lalindalina kokoa amin'ny fihaonana amin'Andriamanitra. Raha mibanjina sary vongana iray mampiseho an'i Jesoa mifantsika ohatra, dia mahatsapa kokoa ny halalin'ny fitiavany antsika satria afaka mahazo sary antsaina ny nanolorany tena ho antsika. Toa izany koa, raha mijery ny sarin'i Masina Maria, dia manampy antsika hahatsapa ny fitiavan'i Maria an'i Jesoa, sy ny fitiavan'i Jesoa azy, ka hanampy antsika hitia an'i Jesoa ihany koa. Raha mijery ny sarin'olomasina iray dia hahatsapa ny toe-piainana modely nasehon'iny olomasina iny eo amin'ny fitiavana an'Andriamanitra ka hiezaka amin'izany ihany koa. Ny sary vongana iray dia mahafehy tantaram-piainana sy vavolombelona iray manontolo.

Ilàna fitandremana

Fitaovana izany ny sary vongana ho an'ny Katolika. Ary tokony hijanona ho fitaovana fotsiny ihany izy hahafahana mihaona be be kokoa amin'Andriamanitra. Samy manana ny fihetsem-pony ny olona tsirairay, koa ilàna fitandremana ny fampiasana ny fitaovana toa ny sary vongana. Sao dia tsy tafahoatra ilay sary vongana isika ka manjary ilay sary vongana indray no heverina ho tena izy. Eo no manjary mivadika ho fanompoan-tsamy raha tsy mitandrina. Izany indrindra no nanjò ny vahoakan'Israely tany an'efitra (Eks. 32)

Tsy manana hery manokana ny sary vongana. Fa raha misy hery ao anatiny dia ilay hery mitaona antsika hijery ilay tena izy ihany. Ho an'ny mijery ivelany dia mety misy ny fahagagana avy amin'ny sary vongana. Tsy ilay sary vongana anefa no nahatonga ny fahagagana fa ny fitokisana tamin'ilay "tena izy" asehon'ilay sary vongana.

Famaranana

Rehefa miteny hoe ilaina ny sary vongana dia tsy filàna midika hoe fiankinan-doha izany fa filàna midika ho fanampiana. Tsy foto-pinoana mihitsy ny fampiasana ny sary vongana, kanefa manampy be dia be kosa izy amin'ny fanatonana an'Andriamanitra. Raha toa ka hitanao fa tsy manampy amin'ny fanatonana an'Andriamanitra ny sary vongana fa mitady hivoana dia avelao.

Samy manana ny fihetsem-pony ny tsirairay. Ny zava-dehibe dia ny fifanajana.

(c) katolika.org - TDA

Hevitra mandeha

Fiphanie ( 22/08/2013 08:13)
zay a vo tena maazo an le izy za mantsy misy manontany foana fa ts vovaliko
Francis_Odet ( 27/07/2014 16:43)
Merci tam'le fifampzarana fa mba misy hoentna miatrika ny fanontanian'reo namana aman-tsakaiza 'zani ary hoampitapitaina koa..
rakantofinaritra ( 04/08/2014 08:42)

Fiphanie:

zay a vo tena maazo an le izy za mantsy misy manontany foana fa ts vovaliko
ragotso ( 19/04/2015 21:33)
misaotra anareo tamin'ny fanampim-panazavana. Zah tamin'ny volana aogositra 2012 dia nanana anjara fanazavana mikasika ny relique sy ny sary vongana ary ny taolambalo tsotra satria tamin'izay no nandalo tao amin'ny Communauté anay ny relique de saint Don Bosco. Maro moa ny olona mihevitra fa isika Katolika manompo sampy na mivavaka amin'ny sary(indrindra moa ho anay dia refa 24 mey dia anaovanay procession eran'ny tanana ny statue de la Vierge Marie Auxiliatrice). Ny marina anefa tsy mivavaka amin'ny sary isika fa ny sary masina na sary vongana ireny dia "famantarana hita maso maneho sy manambara ary maniraka na hoe mampitodika antsika, mametraka antsika, maneho amintsika ilay zavatra tena misy nefa tsy hita maso" (amin'ny teny vahiny moa dia hoe "symbole" ireny.Ireny sary vongana na statue ireny dia "symbole" iaby ireny ho antsika Katolika. Tsy mitovy ny hoe famantarana tsotra(signe) fa symbole no izy. Ary ny "Constitution Sacrosanctum Concilium = foto-pampianaran'ny Fiangonana katolika mahakasika ny litorjia", n°125 dia milaza mazava fa azo atao sy ampirisihina ny mpino mba hanaja ireny sary masina na sary vongana ireny. Fitaovana manampy antsika hitodika any amin'ilay tena olona hasehony izy ireny. Misaotra tompoko.
jean michel ( 01/03/2017 16:13)

[quote=Fiphanie]
zay a vo tena maazo an le izy za mantsy misy manontany foana fa ts vovaliko. Miotra fa nahazo fampianarana e.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1048