Fanazavana ny fizotran'ny Litorjia amin'ny Lamesa

Misy fizarana roa lehibe ny Sorona Masina

  • Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra: izay mifarana eo amin’ny Ranombavaka
  • Fankalazana ny Eokaristia: izay manomboka amin’ny rakitra

 

Fankalazana ny Tenin'Andriamanitra

Fidirana

  • Filazana ny andro amin’io fotoana io ary milaza ny antony hivoriana sy ny teny hoentin’ny fiangonana hanentanana amin’io andro io (foto-kevitra)
  • Izay tenenin’ny Pretra tsy hamafisina intsony , fa izay ataon’ny mpanentana no mbola azon’ny Pretra hamafisina sy hazavaina bebe kokoa.
  • Tsy vakiana ny tononkira fidirana raha toa ka efa hatao amin’ny hira fidirana
  • Iangaviana ny hanononana ny pejy misy ny hira amin’ireo fihirana amin’ny hira rehetra atao
  • Atsahatra ny hira fidirana rehefa tonga eny amin’ny Otely ny Pretra

Fifonana

  • Raha toa ka efa mampiditra hira fifonana ny Pretra dia tonga dia lazain’ny mpanentana ny hira fifonana hatao
  • Ny hira fifonana dia mivantana sy mifantoka tanteraka amin’ny Jesoa Kristy
  • Raha toa ka tsy misy ny hoe “Tompo ô, Kristy ô mamindrà fo aminay” ny hira atao dia averina ireo teny ireo amin’ny faran’ny hira ka tsy voatery ho ny Pretra no miventy io fa azon’ny mpanentana atao ary ny vahoaka mamaly (marihina fa efa niresaka mialoha tamin’ny Pretra ny mpanentana)

Voninahitra

  • Ny voninahitra dia antsa tranainy indrindra sy mendrika hajaina entin’ny Fiangonana tafavory eo mankalaza an’Andriamanitra
  • Toy ny tamin’ny fifonana dia tononina avy hatrany ny hira hatao raha toa ka efa nampidirin’ny Pretra ny hiran’ny voninahitra
  • Azo tononina ny voninahitra fa tsy voatery hiraina
  • Tsy misy voninahitra amin’ny Sorona Masina andavanandro raha tsy misy fety fankalazana
  • Misy voninahitra foana kosa ny Alahady afatsy amin’ny fotoanan’ny Fiaviana sy ny karemy
  • Vitaina hatramin’ny farany ny Voninahitra fa tsy tapahina eny anelanelany na dingadinganina

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

  • Tsy azo atao ny manampy ny litorjia izay efa ataon’ny Fiangonana

Oh: misy mbola miantso ny Fanahy Masina mialoha ny vakinteny

  • Samy Tenin’Andriamanitra avokoa na ny Vakinteny na ny Salamo (hiraina na vakiana)
  • Tsy tokony hivezivezy mandritra ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra
  • Ny votoatin’ireo Tenin’Andriamanitra rehetra sy ny toriteny dia mifantoka tanteraka amin’ny foto-kevitra izay omen’ny Fiangonana amin’io andro io
  • Tokony hazava tsara ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra:
    • Tsy maintsy omanina tsara
    • Atao miadana tsara
    • Tsy maintsy azon’ilay mpamaky izay zavatra vakiany mba hanamora ny fampitany izany amin’ny Kristianina
    • Raha misy teny tsy azo na tsy hay ny famakiana azy dia manontania ny Pretra na ny tompon’andraikitra
  • Mikasika ny Salamo:
    • Tsy maintsy mifanaraka amin’ny Vakiteny novakiana
    • Raha tsy hay hiraina dia tsara raha vakiana avy hatrany
    • Azo asiana hira amin’ny famakiana ny Salamo: na atao mialoha sy mamarana ny famakiana izany (Sasin-kira) na atao manelanelana ny famakiana ny Salamo (Fiverenan-kira)

Fitsenana ny Evanjely

  • Tsy vakiana intsony ny teny hoe “Aleloia” raha toa ka efa nohiraina izany
  • Amin’ny vaninandron’ny Karemy dia soloina ny “Voninahitra sy dera” na hira mitovy amin’izany ny Aleloia

Fiekem-pinoana

  • Faneken’ny vahoaka sy fankatoavana ny vakiteny vao nohenoina teo ny hoe: Fiekem-pinoana, ary fampahatsiahivana ny fitsipi-pinoana mialoha ny tena hanombohana ny Eokaristia
  • Azo tononina ary vitaina hatramin’ny farany raha hira no atao
  • Ny Pretra no tsara miventy ny hira “Averina eto indray”

Ranombavaka

  • Ity  indray dia fanentanana ny olona hivavaka
  • Famaranana ny Tenin’Andriamanitra sy fampiharana azy eo amin’ny fiainana
  • Vavaka ho an’izao tontolo izao ny Ranombavaky ny Mpino
  • Tahaka ny Vakiteny ihany koa dia tokony hazava tsara ny famakiana izany

 

Fankalazana ny Eokaristia

Rakitra

  • Fanoloran-tena sy fahafoizana andraisan’ny kristianina anjara amin’ny fanoloran’I Jesoa ny tenany sy fanatontosany ny fanompoam-pivavahana ary hanampiana ny mahantra sy hampisehoana fitiavana ny Rakitra
  • Fanehoam-pinoana ny rakitra noho izany dia:
    • Arak’araky ny fahasoavana izay azontsika tsirairay avy no atolotra amin’izany
    • Tsara raha efa voaomana mialoha ny rakitra hatolotra ary koa mba ho vola madio
  • Tsy misy ambony noho ny Lamesa ny asa rehetra atao eto am-piangonana noho izany dia tsy mety ny hoe hanisa rakitra raha tsy efa avy namonjy lamesa
  • Rakitra indroa ihany matetika no atao amin’ny Sorona Masina
    • Rakitra atao ho an’ny Sorona
    • Rakitra atao fisaorana
  • Tsy azo atao eny ambony Otely ny rakitra fa apetraka eo ambany na amin’ny toerana efa voatokana ho amin’izany

Fanolorana

  • Tsara raha misy fanolorana ny mofo sy divay ny hira atao, ary manana dikany sy heviny amin’ny fanolorana izany, tsy maninona koa anefa raha misy fanoloran-tena ao anatin’izany
  • Ajanona ny hira fanolorana rahefa vita ny asa ataon’ny Pretra eny amin’ny Otely

 

Masina

  • Tsy azo tapahina ny Masina fa vitaina hatramin’ny farany
  • Amin’ny Lamesa manontolo fa indrindra ny fankamasinana no hanovana ny Mofo sy Divay ho tonga Vatana sy Ran’I Kristy, noho izany dia fotoana sarobidy indrindra izany ka ilaina fanajana fatratra
  • Ny dikan’ny lakolosy maneno amin’ny fankamasinana dia mampiomana antsika Kristianina rehetra hifantoka tanteraka amin’i Kristy eo amin’ny Otely fa tsy amin-javatra hafa na vavaka hafa (sapile…)

 

Anamnezy (Fihobiana)

  • Ny anamnezy dia hira atao aorian’ny fankamasinana
  • Hira famerenana indray ny nataon’I Jesoa Kristy fahizay dia Izy nijaly sy maty ary nitsangan-ko velona
  • Noho izany hira mivantana amin’I Kristy nijaly sy maty ary nitsangan-ko velona no atao amin’izany
  • Tsy tsara atao ny hira hoe: Tsara ny mankalaza anao, Te-hidera ny Tompo aho e
  • Azo atao kosa ny hoe An’ilay zanak’Ondrin’Andriamanitra anie  saingy tohizana ny and. 4

Prefasy

Ny Pretra ihany no miventy ny hoe: Amin’ny alalany sy miaraka aminy…..

Rainay

  • Azo asiana hira mialoha izany nefa koa azo alefa avy hatrany
  • Raha anaty lamesa dia tsy tohizana avy hatrany amin’ny hoe: “Fa Anao ny fanjakana…”
  • Ny Pretra irery ihany koa no manao ny hoe: “ Eny manafaha anay….”

Fiadanana

  • Fihetsika tsara mifanaraka amin’ny maha-litorjia no atao
  • Raha Lamesa amin’ny faty dia mifandray tanana fotsiny fa tsy mihetsika

Zanak’ondry

Tsy mety ny hira hoe: Koa inty e ‘lay Zanak’Ondry… satria mbola tsy eny an-tanantsika ny Eokaristia

Komonio

  • Tsara raha mifantoka amin’ny Eokaristia ny hira atao amin’izany
  • Tsy azo atao amin’ny Komonio ny hiran’I Masina Maria
  • Fa azo atao kosa ny Tononkiran’i Maria na ny Tononkiran’I Zakaria: Mankalaza e
  • Asiana fotoana fahanginana kely aorian’ny Komonio mba hahafahan’ny olona rehetra mivavaka mangina amin’I Jesoa noraisiny ao am-pony

 

Fisaorana

  • Ny fisaorana dia ilazana ny hafaliana ao am-po satria nandray ny Tenin’Andriamanitra sy ny Tenan’Andriamanitra ka aseho amin’ny fihetsika faly izany
  • Asiana tehaka raha mifandraika amin’izany ilay hira
  • Azo atao koa ny Tononkiran’i Maria na ny Tononkiran’I Zakaria
  • Tsy averina ny hira fisaorana fa ampiana hira hafa raha ilaina izany

 

Fanirahana

  • Hira fanirahana no atao satria irahin’ny Pretra isika hanohy ny asa fitoriana
  • Azo atao ny hiran’i Masina Maria fa tsy voatery izany
  • Rehefa tonga any amin’ny Sakristia ny Pretra vao manomboka mivoaka ny Kristianina, ka tsy ajanona ny hira raha tsy tapitra ny olona ao am-piangonana
  • Tsy asiana teny kely na vavaka intsony aorian’ny hira fanirahana

 

FANAMARIHANA ANKAPOBENY

Miezaka isika rehetra mba hiara-mientana hanao ny fihetsika iraisana rehetra ao amin’ny Lamesa:

Oh:      Ny teny iaraha-mamaly: Amen, Hotanteraka tokoa anie izany…

            Miara-mandohalika, na miara-mitsangana afatsy ireo olona tsy salama na mitaiza kely

            Ny fiarahana mihira satria ny hira dia vavaka ihany koa

 

Entanina ary isika rehetra mba hanaraka antsakany sy an-davany ireto fampahafantarana vitsivitsy ireto mandritra ny fizotry ny lamesa fa indrindra isika tompon’anjara amin’ny Litorjia

Mirary soa ho antsika rehetra, samia hotahian’Andriamanitra isika mianakavy

Ny mpiandraikitra ny VALIA Ambohipo

Hevitra mandeha

Hlanto ( 14/09/2013 21:47)
Iraisan'ny VALIA rehetra ve io sa ny avy ao Ambohipo ihany no mapiatra an'io ?
admin ( 14/09/2013 21:49)
Ny lohateny dia hoe "FANAZAVANA NY FIZOTRAN’NY LITORJIA AMIN’NY LAMESA"

Ny mpiandraikitra ny VALIA Ambohipo dia nanoratra fotsiny.
Hlanto ( 14/09/2013 21:56)
Misaotra indrindra, voaray.
princen ( 01/12/2013 13:15)
misaotra fa mbola maro ny mandeha ampiangonana fa tsy mahalala ny tokony atao sy hevitry zavatra atao mandritra NY lamesa
RadoH ( 09/07/2014 19:46)
Misaotra amin'ny fanazavana tena ilaina toy izao. Tiako anontaniana ny momba ny vaovaom-piangonana. Amin'io fotoana io no be ny mpino mivoaka any ivelany. Ny fiangonana anefa amin'ny maha fianakaviana azy dia tsy maintsy mifampizara vaovao. Koa angatahako hamaly izay mahafantatra misimisy kokoa ny fanazavana ny anjara-toeran'ny vaovao-piangonana amin'ny litorjia
admin ( 10/07/2014 07:55)
Ny vaovaom-piangonana dia fifandaminana fa tsy tafiditra ao anaty litorjia. Izany anefa tsy midika hoe tsy zava-dehibe ilay izy satria fiainam-piangonana mihitsy.
Mila jerena ny vahaolana. Inona no antony mahatonga ny olona hivoaka any ivelany? Sao dia tsy henony akory ilay vaovaom-piangonana na ao anatiny aza izy satria tsy mazava ny fanamafisam-peo na koa tsy mazava ny famakin'ilay mpamaky vaovao? Sao dia maha monamonaina loatra ilay vaovao fa tsy mba vaovao intsony?
Anjaran'ny komitin'ny paroasy no mitady fomba hahafahan'ny olona manaraka ny vaovaom-piangonana. Azo atao ny mamoaka gazety kely (takelaka iray isank'alahady misy vaovaom-piangonana) na ny mandefa ny vaovaom-piangonana amin'ny email sns.
RadoH ( 10/07/2014 17:36)
Misaotra betsaka amin'ny fanazavana.
admin:

Ny vaovaom-piangonana dia fifandaminana fa tsy tafiditra ao anaty litorjia. Izany anefa tsy midika hoe tsy zava-dehibe ilay izy satria fiainam-piangonana mihitsy.
Mila jerena ny vahaolana. Inona no antony mahatonga ny olona hivoaka any ivelany? Sao dia tsy henony akory ilay vaovaom-piangonana na ao anatiny aza izy satria tsy mazava ny fanamafisam-peo na koa tsy mazava ny famakin'ilay mpamaky vaovao? Sao dia maha monamonaina loatra ilay vaovao fa tsy mba vaovao intsony?
Anjaran'ny komitin'ny paroasy no mitady fomba hahafahan'ny olona manaraka ny vaovaom-piangonana. Azo atao ny mamoaka gazety kely (takelaka iray isank'alahady misy vaovaom-piangonana) na ny mandefa ny vaovaom-piangonana amin'ny email sns.
rakantofinaritra ( 07/08/2014 08:15)
Misaotra anareo fa tena mazava be mihitsy ilay izy!
Judico25 ( 12/11/2014 07:09)
Misatra
Delphin ( 15/11/2014 13:19)
Mankasitraka. Fianarana fôna ny fiainana

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0517