Ny Trinite Masina

trinit.jpgMampaninona ahy tokoa moa raha toa ka Trinite na tsia izao Andriamanitra izao? Raha lazaintsika manko fa foto-pinoana ho antsika katolika ny maha-Trinite an'Andriamanitra dia hisy fiantraikany ao amin'ny fiainantsika an-davanandro. Tsy resaka "utilitarisme" tsy akory ka raha tsy ilaina dia atsipy fa kosa "vy miaina" handrefesana ny halalin'ny finoana.

1- Tokana Andriamanitra

Ny Silamo manenjika ny kristianina, indrindra ny katolika fa hoe mino Andriamanitra maro (Polithéistes), satria hoe tsy Andriamanitra izao Jesoa izao Mpaminany lehibe fotsiny. Mety hahaliana anao ny hijery ity adihevitra ity (jereo eto).

Na ny Fiangonana aza anefa tsy azo adino fa nandritra ny taonjato maro no namolavola ho matotra ny fandalinana ny momba ny maha-Trinite an'Andriamanitra. (raha tianao halalinina dia jereo eto).

Tsy azo adino anefa fa anisan'ny ifaharan'ny fanajana ny zo maha-olona ny olona ny famaritana ireo "olona = personne" ao amin'ny Trinite Masina : ny fahasamihafan'ny olona telo dia zary harena hivondronan'ny maha-Andriamanitra tokana, isika koa ao anatin'ny fahasamihafana no afa-maneho fitiavana ary na ambanian'ny fahotana sy ny haratsiana isan-karazany aza ny hafa, tsy very ny hasina maha-endrik'Andriamanitra azy.

2- Hafa noho izay mety ho takatry ny saintsika Andriamanitra.

Ho an'ireo milaza ho mino an'Andriamanitra Trinite tokoa dia tsy afaka ny hanao valin-teny bontolo be fotsiny izao mba hampita izany foto-pinoana izany amin'ny hafa, indrindra amin'ny mbola tsy mino.

Angamba efa mba nanana traikefa miresaka zavatra iray amin'ny olona iray ianao ka ny heviny ihany no asesiny... ny antony? ny fanabeazana norantoviny hatry ny fony kely sy ny rivotra iainany eo amin'ny fiaraha-monina...

Ny mety hoy Tonino Bello izay, rehefa miresaka momba an'Andriamanitra amin'ny mbola tsy mahalala azy ka manontany hoe : "Fantatrao ve Andriamanitra?" dia valio hoe :"fantatrao ny omby? Fantatrao ny olona?... Anontanio izay zavatra fantany... dia farano hoe : "tsy ireny Andriamanitra fa Hafa izy..." Izay mahalala an'Andriamanitra dia izay manaiky hanao fandalinam-pinoana tsy ankihato mandra-pahafatiny.

3- Fitiavana Andriamanitra

Atao ahoana tokoa moa no hitenenanao amin'ny olona iray ao anaty fahoriana sy fijaliana fa tia azy Andriamanitra, raha toa ka tsy miezaka hampiseho aminy ny atao hoe : Fitiavana ianao? Ny teny hilazana an'Andriamanitra amin'ireny olona ireny dia fanesoana azy raha tsy ialohavan'ny asa fiantrana nambabo ny fony...

Tsy ho afaka hilaza isika hoe Fitiavana Andriamanitra, raha tsy efa babon'ny Fitiavany. Vakio ireo nosoratako momba ny maha-mahefa ny zavatra rehetra an'Andriamanitra, ny maha- amin'ny toerana rehetra azy (eto) sy ny fahalalany ny zavatra rehetra (eto) fa fanehoam-pitiavana avokoa ireny ireny... Ny Ray Nahary an'izao tontolo izao, tamin'ny Teniny sy ny Fanahiny no nandefa ny Zanaka hanavotra antsika, tonga nofo noho ny herin'ny Fanahy. Io Fanahy io no nangatahin'ny Ray amin'ny Zanaka mba halefany hanamasina antsika.

Mba ho tara-pitiavana ho antsika no nisehoan'Andriamanitra ho antsika... Nahoana ary no tsy roa izy na tokana monja na efatra... fa telo?

Raha jerenareo ireo andala-tSoratra Masina milaza ny Trinite, atomboka ao amin'ny fahariana (Ndeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika [Jenezy]...) izay mifanahaka amin'ny fomba fitantaran'ny Tatsinanana ny Fahariana tamin'izany fotoana izany... dia hita ireo olona telo ireo : ny Mpahary, ny Teny nentina nahariana ary ny Fanahy nampisy aina ny voahary. Taorian'ny nampidiran'i Tertullien(115-222) ny teny Trinitas ao amin'ny voambolana latinina dia hoy i Augustin (354-430) hoe Ireo ilay Mpitia, ilay Tiavina ary ilay enti-mitia (Fitiavana).

Io isa telo io dia misy heviny lalina amin'ny kolotsaina jody : manambara ny zavatry ny lanitra io (ny isa efatra kosa manambara ny momba ny tany = ny Fito maneho ny fitambarany, ny hafenoana, isa masina).

Raha mijery ireo sary fanehoana an'ireo olona telo ireo isika dia mahita fa tsy mitovy mandrakariva ny fipetrak'ireo olona telo ireo : ny sarin'i Roublev ohatra (sary) dia eo ampovoany ny Zanaka, amin'ny sary hafa kosa indray dia ilay Fanahy no eo afovoany...

Araka ny toe-tsaina sy ny foto-pisainana jody dia izay eo afovoany no manao ny asa, ny eo an-kavanana no mpaniraka, ny eo an-kavia mpanolo-tsaina.

Araka izany, ny Ray dia teo ampovoany tamin'ny fotoan'ny Fahariana ; ny Zanaka tamin'ny fotoan'ny Fanavotana, ary ny Fanahy kosa amin'izao fotoana farany izao, mandavorary ny zavatra rehetra.

Afaka ny hilaza isika araka izany fa Fitiavana Andriamanitra amin'ny alalan'izany fisehoana sitrany hahalalantsika azy izany : ny zavaboahary, ny fahatongavana ho nofo ary ny Fiangonana. Mistery izany ka tsy ho takatry ny saintsika amin'ny hafenoany, kanefa raha iezahantsika hihainana dia hampisokatra ny masom-panahitsika hahita bebe kokoa hatrany ny maha-Trinite an'Andriamanitra.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0773