Ny Katolika sy ny Olomasina

Nasandratra ho olomasina tamin'ny 27 aprily 2014 ny Papa Joany XXIII sy ny Papa Joany Paoly II. Amin'ny fotoana toa izao dia misy hatrany ny  fanontaniana vitsivitsy mateti-pitranga. Koa ezahina hapetraka sy valiana izy ireo ho an'ny Katolika izay mety tsy mbola mahalala izany indrindra, fa avy eo ho an'ireo izay mety liana koa na tsy katolika aza.

Olontsambatra sa olomasina

Efa hatramin'ny fotoana voalohan'ny fiainana kristianina no efa nanomboka ny fanomezan-danja ireo olona izay nanana toe-panahy niavaka. Ny hafatra napetrak'izy ireny tamin'ny alalan'ny soratra nosoratany, na ny toetra niainany, dia nanjary nalain-tahaka sy natao ho oha-piainana ho an'ny kristianina taty aoriana. I Md. Augustin (taonjato faha-4) ohatra dia nanazava tsara fa i Kristy irery no mpanalalana fa ny olomasina kosa dia mpitondra ny vavaka. Tsy mbola nisy anefa ny fanandratana manokana ho olomasina na ho olontsambatra raha tsy taty aoriana, tamin'ny taonjato faha-10. Ny fisehony tamin'izany dia nisy ireo eveka izay nilaza fa tokony hoantsoina ho olomasina ny olona iray ka omen'ny kristianina haja manokana. Taty aoriana, tamin'ny taona  1250, nandritra ny konsily faha-4 tao Latran no nilazana fa ny Papa ihany no afaka milaza sy manandratra ny olona iray ho olontsambatra na ho olomasina.

Nanomboka teo dia misy dingana maromaro vao azo antsoina ampahibe-maso ho olontsambatra ny olona efa maty iray, ary misy dingana maromaro aorian'io indray vao azo antsoina hoe olomasina izy. 

Ny olomasina ihany ve no masina?

Nantsoina ho olomasina sy ho lavorary ny olona tsirairay. Ny kristianina rehetra dia miezaka ho amin'izany fahalavorariana izany ety an-tany. Betsaka amin'ireo kristianina izay maty no nanana toe-panahy feno hatsaràna sy fahamendrehana fony fahavelony. Misy amin'izy ireny no fantatry ny olona niara-niaina taminy, na ny taranany, na ny fiaraha-monina sy firenena nisy azy, ny hatsaram-pony ka izy ireo no mangataka amin'ny Fiangonana mba hanambàra am-pahibemaso izany toe-panahiny izany. Ny Fiangonana avy eo, amin'ny alalan'ny Papa no manambara hoe olontsambatra, ary avy eo, olomasina ilay olona. Araka ireo dingana ireo, ny fanambaràn'ny Fiangonana fa olontsambatra na olomasina ny olona anakiray dia tsy nampiova ny fahamasinana efa niainany. Ny fanandratana ataon'ny Fiangonana dia fampahafantarana fotsiny, araka ny fijoroana vavolombelona izay voarainy sy ny fanadihadiana izay nataony, fa nanana toetra mendrika an'Andriamanitra tokoa ny voafidy ka azo antsoina ho olontsambatra na olomasina, azon'ny olona rehetra alaina tahaka ny oha-piainana navelany. Ireo olona izay tsy nambara ho olomasina toa izany dia tsy hoe tsy manana ny hasiny akory, na hoe tsy eo anilan'Andriamanitra akory, fa tsy teo fotsiny ny filàna ny hanambara azy ho olomasina. Izany filàna izany tsinona dia miainga avy amin'ny Kristianina ihany. Tsy mampihena ny fahamasinany sy ny lanjany izany ny tsy fanambaràna azy ho olomasina.

Victoire Rasoamanarivo

Efa manana olontsambatra iray ny Malagasy dia i Victoire Rasoamanarivo izany. Neken'ny Fiangonana ho vehivavy masim-pitondran-tena sy azo alain-tahaka i Victoire Rasoamanarivo ka nasandrany ho olontsambatra. Eo am-pikarakaràna ny fanandratana azy ho olomasina ny Fiangonana amin'izao fotoana izao. Misy fe-potoana andrasana sy dingana maromaro atao vao ho tonga izany. Ny nanandratana azy ho olontsambatra anefa dia efa mahatonga azy ho fantatry ny kristianina eran-tany sy mahatonga azy ho azo antsoina hiara-hivavaka amintsika tahaka ireo olomasina rehetra.

Hevitra mandeha

Bii ( 26/12/2014 09:54)
"Efa manana olontsambatra iray ny Malagasy dia i Victoire Rasoamanarivo izany".
Efa manana olontsambatra roa ny Malagasy ka i Victoire Rasoamanarivo no voalohany, fa ao koa i Frera Raphael Louis Rafiringa.
miarizo15 ( 19/02/2015 11:37)
katolika aho,fa mahagaga ahy iatsoina ny maty am fakamasinana ohatra: batemy sns... mazava ny baiboly fa "ny maty dia tsy mahalala na inona na inona fa hadino ny fitiavany sy ny fakahalany" ny velona ihany no midera an'iaveh, hoy ny salamo.
admin ( 19/02/2015 23:11)
miarizo15> Mahagaga ihany ilay hoe "Katolika aho..."
- Na tena katolika tokoa ianao fa tsy fantatrao ny finoana katolika, ka tokony miezaka mandalina ianao fa katesizy ankapobeny ny zavatra anontanianao.
- Na tsy katolika ianao, noho izany mandaiinga sahady
miarizo15 ( 22/02/2015 15:44)
azafady zay v tafaverina eto am sit? tsy misandoka aho sagnatria fa vita batemy tao am katolika aho ary mbola katolika mandrk'izao. mety tsy apy ny fapianarana mikasika ny olo-masina sy ny fanazavana mikasika ny atao hoe olomasina eo@fandalinam-pinoana noratoviko ka izany no mahatonga ahy hametraka ny fanotaniana. tsy ho katolika an-karazany sy anjambany fotsiny fa mba hijoro ka ho sahy manao toy ny md paoly hoe"tsy menatra aho fa fantatro izay inoako"
salamentoria001 ( 06/03/2015 07:33)

[quote=miarizo15]
azafady zay v tafaverina eto am sit? tsy misandoka aho sagnatria fa vita batemy tao am katolika aho ary mbola katolika mandrk'izao. mety tsy apy ny fapianarana mikasika ny olo-masina sy ny fanazavana mikasika ny atao hoe olomasina eo@fandalinam-pinoana noratoviko ka izany no mahatonga ahy hametraka ny fanotaniana. tsy ho katolika an-karazany sy anjambany fotsiny fa mba hijoro ka ho sahy manao toy ny md paoly hoe"tsy menatra aho fa fantatro izay inoako"
[/quote
miarahaba antsika rehtra, tena marina ny anao satry ny finoana dia ilaina fandalinana fa tsy atao anjambany satria ilaina ny mahafantatra tsara ny zavtra iray vao mandroso ao aminy. izay no logikam-paianana.
ko manasa anao ny tenako mba handalina tsara ny finoan-tsika @ alalan'ny fanatoanana pretra mangataka fanazavana momba an'io resaka io ary mb hifampizara izan @ mpiray finoana satry ts vitsy @tsika no mba te hahalala sy ts mahay ihany koa! dia samy ho tahin'ny Tompo jiaby e!
salamentoria001 ( 06/03/2015 07:34)
miarahaba antsika rehtra, tena marina ny anao satry ny finoana dia ilaina fandalinana fa tsy atao anjambany satria ilaina ny mahafantatra tsara ny zavtra iray vao mandroso ao aminy. izay no logikam-paianana.
ko manasa anao ny tenako mba handalina tsara ny finoan-tsika @ alalan'ny fanatoanana pretra mangataka fanazavana momba an'io resaka io ary mb hifampizara izan @ mpiray finoana satry ts vitsy @tsika no mba te hahalala sy ts mahay ihany koa! dia samy ho tahin'ny Tompo jiaby e!

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114