Ny avent sy ny vanim-potoana samihafa eo amin'ny fiangonana

Nampiditra : ikaretsaka
Daty : 04/12/2007

Mitsofoka amin'ny fiainan'ny Fiangonana isan-taona isan-taona ny zava-dehibe raiketin'ny fiainan'i Kristy. Ny miombona amin'i Kristy manko no tanjom-piainantsika. Io fiombonantsika aminy io anefa, tsy sanatria ho toy ny "donakafon'Analakely, indray mipaka fia tonga any am-bovonana", Fa ezaka sy fiombonana mihalavorary tsikelikely mandritra ny fiainantsika manontolo, ary mampitsiry ho lalim-paka ilay finoana ivelomantsika.

Rehefa mety ho olombelona, dia mila famantarana, mila fankalazan-dehibe, ka indro atolotra antsika ireo vanim-potoana teo amin'ny fiainan;i Kristy, sady ankalazantsika ireo Zava-Dehibe nataony ho antsika, no natao mba hakantsika koa ohatra sy fampianarana indrindra indrindra, ho enti mivelona mandritra ny taona manontolo. Amin'izay, ny fankalazantsika ny Fetydia lasa fiainantsika, ary ny fianantsika koa dia lasa fankalazana an'Izy Kristy

Izany no hoezahintsika hasongadina amin'izao fanim-potoana anankiray izao. Dia ny Fiavian'ny Tompo !

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0997 s.] - Hanohana anay