Foana ny Limby

Neken’ny papa Benoà faha-16 ny fanafoanana ny fiheverana momba ny limby, rehefa avy nodinihin’ireo téôlôjianina kalaza (Commission Théologique Internationale).

Ny limby

Ny limby dia toerana noheverina fa misy (na aleha) an’ireo zaza tsy vita batemy, nefa nindaosin’ny fahafatesana. Noheverina manko fa tsy afaka mankany an-danitra izy ireo noho ny fahotana tamin’ny fototra izay nolovàny, no sady koa tsy rariny ny hiheverana fa ho an’ny afobe koa izy ireo. Ho aiza ary ? Efa hatrany amin’ny fiandohan’ny Fiangonana no nisian’io ady hevitra io. Nikaondoha sy nifanaretsaka tamin’izany ireo Aban’ny Fiangonana. Teo ohatra ry Gregoara tao Nysse sy Gregoara tao Nazianze. Saingy toa najavozavo ihany ny valinteny tamin’izany. I Masindahy Augustin dia tena hentitra loatra tamin’io. Ho azy, dia any amin’ny afobe ireo zaza ireo, saingy tsy mitovy ny fijaliana mahazo azy sy ireo izay efa ao noho ny ota vitany (Enchiridion, 103). Ho aiza marina ary ireo zaza tsy vita batemy ireo ? Ho any amin’ny Limby !

Tantara

Tany amin’ny taonjato faha-13 no nipoiran’ity anarana sy fiheverana ity (medieval). Nisy karazany roa aza izy ity, dia ny limby ho an’ireo olona tsara sitrapo maty talohan’ny nitsinganan’i Kristy. Limbe des patriarches (limbus patrum) no niantsoana ity voalohany ity. Ny manaraka koa dia misy ireo zaza tsy manantsiny maty nefa tsy vita batemy Limbe des enfants (limbus puerorum) no niantsoana ity manaraka ity.Tsara ho marihina anefa fa tsy tao anatin’ny fotom-pampianaran’ny Fiangonana Katôlika mihintsy ny Limby (Dogme). Ny Baiboly aza tsy miteny azy ity. Fiheverana nahazo vahana nandritra ny fotoana maro ihany io ! Raha ny tantara, momba azy no jerena, dia efa tany amin’ny taona 1984 ny Kardinaly Joseph Ratzinger, Papa ankehitrio, no efa nilaza ny heviny fa azo foanana ity fiheverana momba ny limby ity. Satria manko, tsy manova na inona na inona amin’ny finoana an’i Kristy izy ity. Tsy fialàna amin’ny “Tradition de la foi” ihany koa izany, fa “fanafoanana ihany ireo sarisary izay toa tsy mifandraika loatra amin’ny hafatra feno fanantenana netin’I Kristy, nefa toa zary nahazo vahana.

Belouh

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0225