Alakamisy Masina sy ny Eokaristia

Nampiditra : admin
Daty : 04/04/2007

Tamin'ny alakamisy masina tokoa no namoronan'i Jesoa ny Eokaristia, nanomezany antsika ny Vatany sy ny Rany ho zary sakafo hamelona antsika.

Isan'andro kosa no tsy maintsy hivelomantsika azy, satria raha tsy manosika antsika hitia bebe kokoa ny hafa ny Eokaristia dia zava-poana ihany. (Jereo Deus caritas est n° 14).

Fifamaliam-pitiavana araka izany ny Eokaristia. Isika mahatsiaro ilay fitia natolotr'i Kristy ho antsika ka mahafoy tena hanampy ny hafa, ireo sahirana sy mila ny fitiavantsika.

 

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.2402 s.] - Hanohana anay