Mikasika ny Fiducia supplicans

Ny 18 desambra 2023 lasa teo dia namoaka ny fanambaràna "Fiducia supplicans" izay mikasika indrindra ny dika ara-pastoralin'ny tsodrano isan-karazany ny sampandraharaham-piangonana momba ny Fotopinoana. Niteraka fametraham-panontaniana ho an'ny maro eran-tany izany. Nanohina ny mpino sasany mihitsy aza. Nitondra fanazavana kosa nefa ho an'ireo izay niandry valin-teny mikasika fangatahany momba ny fahafahana mitsodrano ireo olona miaraka nefa tsy eken'ny fiangonana toa ny tokantrano imaso sy ny mitovy fananahana.

Fa inona marina no tsiahivin'ity Fanambaràna ity? Inona no zava-baovao ary ahoana no tokony handraisana azy?

Inona no tsiahiviny?

Ity fanambaràna ity dia mampatsiahy ny fotopinoan'ny Fiangonana izay tsy miova mikasika ny mariazy. Dia tsy inona izany fa ny "firaisana, manokana, tsy miova, ary tsy azo ravàna, eo amin'ny lahy iray sy vavy iray, izay misokatra amin'ny fananana taranaka.[...] Ao anatin'izany firaisana izany ihany no misy dikany ara-natoraly ny firaisan'ny nofo. Tsy miova ny foto-pinoan'ny Fiangonana amin'io lafiny io" (4)

Tsiahiviny ihany koa fa ny olon-roa miray an-tokatrano imaso, na mitovy fananahana, dia voarara tsy afaka mandray ny sakramentan'ny fanambadiana, na fombafomba hafa ara-litorjika izay mety hanana endrika toa izany.

Inona ny zava-baovao entiny?

Ny zavatra manokana nentin'ity Fanambaràna ity dia ny fanavahana manokana ny endri-tso-drano roa samihafa: ny tso-drano anatin'ny litorjia sy ny ivelany.

- Ny tsodrano anatin'ny litorjia dia mifaningotra amin'ny sakramenta (eto izany dia ny sakramentan'ny fanambadiana) izay handraisana ny fahasoavan'ny Fanahy Masina. Amin'izay endriny izay dia mila fombafomba litorjika manokana izy, misy mpitarika voatokana ho amin’izany ary misy fitondran-tena manokana takiana.

- Ny tsodrano ivelan’ny litorjia indray dia famantarana (tahaka ny rano voahasina) izay manomana ny olona handray ilay fahasoavana sy manentana azy mba hisokatra amin’izany fahasoavana izany. Ny tsodrano ivelan’ny litorjia izany dia tsy misy fombam-pivavahana manokana mifehy azy, ary tsy misy fitondran-tena manokana takiana aminy.

Ity Fanambaràna ity izany dia manazava tsara fa voarara ny fanaovana tsodrano litorjika amin’ny olondroa miray tsy ara-dalàna (tokatrano imaso na mitovy fananahana). Io fanazavana io no voadingan’ny ankamaroan’ny mpamaky sy ny mpanao gazety.

Ankoatra ireo zava-baovao ireo anefa dia hita taratra ny manokana ilay toetra mampiavaka ny Papa Fransoa sady ao anatin’ny antso raisintsika vita batemy rehetra dia ny fanehoana ny famindram-pon’Andriamanitra ho an’ireo rehetra tsara sitra-po. Ny mpanao tokatrano imaso, na ny olondroa mitovy fananahana, tonga mangataka tsodrano, dia manao izany satria mino izy fa tia azy Andriamanitra, ary koa ekeny fa ny Fiangonana no fanehoana izany fitiavan’Andriamanitra izany.

Izany rahateo no fehezin’ny fehezan-teny voalohany ao amin’ny Fanambaràna : “Ny talaho amimpahatokisana ataon’ny vahoakan’Andriamanitra dia mifanojo amin’ny fanomezana ny tsodrano izay mipololoitra avy ao am-pon’i Kristy amin’ny alalan’ny Fiangonana”

Izany akory tsy midika hoe tsy misy fepetra handraisana ny tsodrano ivelan’ny litorjia:

  • Ho an’ny mpanome tsodrano: “Tsy azo ampiarahina velively amin’ny mariazy sivily na soratra, ny tsodrano. Ary tsy azo atao miendrika mariazy amin’ny alalan’ny fitafy, na ny fiteny, na ny fihetsika.”

  • Ho an’ireo izay mangataka ny tsodrano: “Mila mahatsiaro fa izy ireo no tena mila fanampiana fa tsy hitaky ny fanomezan-danja ny maha izy azy. Hangataka ny hitoeran’ny Fanahy Masina mba hanasitrana sy hanandratra izay tena marina, tsara, sy azo ekena eo amin’ny fiainany sy eo amin’ny fifandraisany.

Ny fitsofan-drano ny olondroa miaina an-tokantrano imaso, sy ny olon-droa mitovy fananahana, dia “tsy fankatoavana ofisialy ny fiarahan’izy ireo, ary tsy manova na inona na inona amin’ny fampianarana maharitry ny Fiangonana mikasika ny fanambadiana.” Fa manome toky azy ireo kosa fa Andriamanitra izay “manankarena famindram-po” (Ef. 2, 4) dia manatrika azy ireo amin’ny dingana rehetra eo amin’ny lalana diaviny, satria isika rehetra dia antsoina ho amin’ny fahamasinana na inona na inona toerana misy antsika. Ohatra nomen’i Jesoa ilay Mpiandriondry tsara izany, izay izy rahateo no tsodrano lehibe indrindra, rehefa nihaona tamin’ny olona maro izy, tahaka an’ilay vehivavy Samaritana, kanefa tsy takatry ny mpianatra tamin’izany “Gaga izy ireo nahita Azy niresaka tamin’ny vehivavy” (Jo 4,27)

Ahoana no handraisana ity Fanambaràna ity?

Toetra anaty telo no ilaina mba hahafahantsika mandray tsara ity Fanambaràna ity. Rehefa mamaky azy isika dia mila tony, mandinika tsara ary matoky.

  • Fitoniana: Izany hoe tsy matahotra, tsy tezitra, tsy mikorontana… satria tsy tanteraky ny hazavana tokoa ny rano mikobana.

  • Fandinihana: Vakio tsara toy ny hoe isika ihany no nanoratra ity Fanambarana ity. Izany hoe vakiana manontolo, iverimberenana, hadihadiana tsara, miaraka amin’ny penina an-tanana mihitsy aza hanoratana izay sy mazava. Mety haharitra ora iray farafaharatsiny izany famakiana izany. Ny lahatsoratra manan-danja tahaka itony ara dia mila vakiana miaraka, ifampizaràna, ifampidinihana miaraka amin’ny pretra raha tsy mazava.

  • Fahatokisana: Ity Fanambaràna ity, izay manana lanjany manokana eo amin’ny Fiangonana, dia nankatoavin’ny Papa.

Tsapantsika amin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly fa ny tsodrano omentsika ireo olona mifanena amintsika dia tsy maty nonoka. Mijaly noho ny faharatsiana samihafa izao tontolo izao ka anisan’izany ny tsy fahalalana ny Fitiavan’Andriamanitra mandrakizay sy feno famindram-po, Fitiavana izay tsy misaraka velively amin’ny Fahamarinana.

Vakio eto ilay Fanambaràna amin'ny teny frantsay

Benoit sy Véronique Rabourdin
Lehiben’ny Amour & Vérité
Ary mpikamban’ny Sampan-draharaha mikasika ny Lahika, ny Fianakaviana ary ny Fiainana ao Vatican

Sary:  Ashwin Vaswani tao amin'ny Unsplash

Ny teny  bénédiction amin'ny teny frantsay na blessing amin'ny teny anglisy izay miasa amin'ity Fanambaràna ity dia tsy tena mitovy amin'ny teny malagasy hoe tsodrano saingy izay no efa fampiasa matetika. Raha ny izy dia tokony hoe firariantsoa ilay voalaza eto. Ny teny hoe bénédiction izay avy amin'ny teny latina roa hoe bene sy dire dia midika hoe filazàna na fanirina ho soa. Izay mifanohitra amin'ny hoe male-dire (malédiction) na hoe manozona, maniry ho ratsy. Ka io dikany milaza soa io no tokony horaisina. Mitsodrano, mitondra am-bavaka, mirary soa fa tsy hoe manome fankatoavana.

Hevitra mandeha

admin ( 27/12/2023 23:16)
Mialoha ny hitsikerana fanambaràna tahaka ity dia mila vakina tsara aloha ilay fanambaràna. Mila azo tsara, fa manjary ny feo etsy sy eroa fotsiny no henoina.
Tsara mihitsy ary raha miara-mandinika amin'ny pretra na ny fikambanana misy ao amin'ny paroasy raha ohatra ka mahatsapa fa zava-dehibe ny taratasy tahaka itony.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113