Mombamomba ny fihirana katolika android

Ny Fihirana Katolika amin'ny Android dia natao indrindra hanampy ny Katolika Malagasy amin'ny fivavahana sy fihaonana amin'Andriamanitra. 

 

Ny mihira hoy Md. Augustin dia toy ny mivavaka indroa ka inoana fa ho fitaovana hiasa amin'izany fankalazana an'Andriamanitra amin'ny hira izany ity fitaovana ity.

 

Ho an'ny mpikarakara sy mpanomana litorjia dia afaka jerena isan-tsokajiny ny hira rehefa mandeha ao amin'ilay hoe "Ny sokajy rehetra"

 

Ho an'ny olona manatrika lamesa kanefa tsy mitondra fihirana, dia afaka jereny avy hatrany ny Fihirana sy ny Pejy rehefa tononin'ny mpanentana.

 

Ho an'ny mitady hira fotsiny kosa dia afaka manao izany ao amin'ny fitadiavana hira.

 

Marihina hatrany fa isika samy isika ihany no mampiditra ny hira ato ka mety hisy ny tsy lavorary na dia miezaka manara-maso sy manitsy aza izahay.

 

Tsy vita izy ity raha tsy ifanakonana koa maniry indrindra izahay mba ho afaka hanampy amin'ny fampidirana hira ianareo. Raha hampiditra hira moa dia efa misy fanazavana an'izany ao amin'ny "Hampiditra hira"

 

Dia mirary antsika hahita fahasoavana amin'ity fitaovana ity

Raha misy ny kiana na fanampiana dia aza misalasala mifandray 

 

Heriniaina Eugene

hery@serasera.org 

 

Hevitra mandeha

( 26/10/2024 08:33)

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.098