ALAHADY FAHA-11 mandavantaona — D
MIANTRA SY BE INDRAFO ANDRIAMANITRA
Tononkira fidirana
Sal. 26, 7. 9.
Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso Anao. Tongava hamonjy ahy, aza manary ahy, aza mahafoy ahy, ry Andriamanitra Mpamonjiko.
Asiana VONINAHITRA ANIE...
Fangatahana
Ry Andriamanitra Andriananahary ô, loharano iavian’ny soa rehetra Ianao, koa mitalaho aminao izahay: mba tsilovy hahita ny marina ary tantano hanatontosa azy.
Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
VAKINTENY MASINA VOALOHANY
Boky faharoan’i Samoela
2 Sam. 12, 7-10. 13
Navelan’Andriamanitra ny helokao ka tsy ho faty ianao.
Tamin’izany andro izany, hoy i Natàna tamin’i Davida: “Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitr’i Israely: Nanosotra anao ho mpanjaka amin’i Israely Aho, ary nanafaka anao tamin’ny tanan’i Saola; ny tranon’ny tomponao nataoko teo ampofoanao; ny taranak’i Israely sy i Jodà natolotro anao; ary raha kely loatra izany, mbola hoampiako izao sy izao koa. Ka nahoana no nanamavo ny tenin’ny Tompo ianao, fa nanao izay ratsy teo imasony? I Oria Heteanina nasianao ny sabatra, ny vadiny nalainao ho vady, izy novonoinao tamin’ny sabatry ny taranak’i Amôna. Koa ankehitriny noho ianao nanamavo Ahy, sy naka ny vadin’i Oria Heteanina ho vadinao, dia tsy hiala amin’ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra”. Dia hoy i Davida tamin’i Natàna: “Nanota tamin’ny Tompo aho!” Fa hoy kosa i Natàna tamin’i Davida: “Navelan’ny Tompo ny helokao, ka tsy ho faty ianao”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!
Salamo fandinihana
Sal. 31, 1-2. 5. 7. 11.
Fiv.: Esory, Tompo ô, ny hadisoako sy ny otako.
Sambatra izay voavela heloka; eny, sambatra ny olona afaka ota, tsy itanan’ny Tompo hadisoana, fa nitsotra tamin’ny fo manontolo.
Koa nitsotra taminao aho, tsy nanafina hadisoana: «Miaiky heloka aho, ry Tompo!» ka noesorinao ny otako.
Ianao no fiereko manafaka ahiahy. Hiram-pahafahana no ahodîdinao ahy. Mifalia ao amin’ny Tompo, ry olo-marina; miravoa, mihobia, ry fo mahitsy!
VAKINTENY MASINA FAHAROA
Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Galasia
Gal. 2, 16. 19-21
Tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato amiko.
Ry kristianina havana, nony fantatsika fa tsy ny asan’ny Lalàna no anamarinana ny olona, fa ny finoana an’i Jesoa Kristy, dia mba nino an’i Kristy Jesoa koa isika, mba hohamarinina amin’ny finoana Azy, fa tsy amin’ny asan’ny Lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ny Lalàna. Noho ny Lalàna no nahafatesako ny amin’ny Lalàna, mba ho velona ho an’Andriamanitra aho. Niara-nofantsihana tamin’i Kristy teo amin’ny Hazofijaliana aho, ka matoa velona aho, dia tsy izaho intsony no velona, fa i Kristy no velona ato anatiko. Eny, izao ahavelomako amin’ny nofo ankehitriny izao no ahavelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Ilay efa tia ahy sy nanolo-Tena hamonjy ahy. Amin’izany, dia tsy mahafoana ny fahasoavan’Andriamanitra aho; fa raha ohatra ka avy amin’ny Lalàna kosa ny fahamarinana, dia ho maty foana i Kristy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!
Fihobiana ny Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka
Lk. 7, 36 — 8, 3 (lava) na: 7, 36-50 (fohy)
Voavela ny heloka betsaka vitany satria be fitiavana izy.
Tamin’izany andro izany, nisy Farisianina anankiray nanasa an’i Jesoa hiara-mihinana aminy, ka niditra tao an-tranon’ilay Farisianina Izy, dia nipetraka nihinana. Ary indro nisy vehivavy anankiray ratsy fitondran-tena tao an-tanàna nahalala fa nihinana tao an-tranon’ilay Farisianina i Jesoa, ka dia nivimbina tavoara alabastra feno diloilo manitra, dia nijanona teo ivohony tanilan’ny tongony sady nitomany, ka kotsan’ny ranomasony ny tongony; fa nofaohiny tamin’ny volon-dohany sy norohany, ary nohosorany diloilo manitra. Nony nahita izany ilay Farisianina nanasa Azy, dia nanao anakam-po hoe: “Raha mpaminany Izy dia ho nahalala ny toetran’ity vehivavy mikasika Azy, fa hoe mpanota io”. Ary i Jesoa niteny taminy nanao hoe: “Ry Simôna, misy zavatra holazaiko aminao”. Dia hoy izy: “Lazao, ry Mpampianatra”. Ary hoy i Jesoa: “Nisy olona roa lahy nananan’ny mpampanjana-bola anankiray trosa, ny iray nananany denie dimanjato, ary ny iray dimampolo. Noho izy ireo samy tsy nanan-kaloa, dia nafoiny ny trosa tamin’izy roa lahy. Koa iza amin’ireo no ho tia azy kokoa?” Dia hoy i Simôna namaly Azy: “Ataoko fa ilay namoizany bebe kokoa”. Ary hoy Izy taminy: “Marina ny anao”. Dia nitodika an-dravehivavy Izy ka nanao tamin’i Simôna hoe: “Hitanao va io vehivavy io? Niditra teto an-tranonao Aho, fa ianao tsy nanome rano hanasako tongotra. Izy kosa nanondraka ny tongotro tamin’ny ranomasony sy namaoka azy tamin’ny volon-dohany. Ianao tsy nanoroka Ahy, izy kosa tsy nitsahatra nanoroka ny tongotro hatrizay nidirako; Ianao tsy nanosotra diloilo ny lohako, izy kosa nanosotra diloilo manitra ny tongotro. Noho izany dia lazaiko aminao fa voavela ny heloka be nataony satria be fitiavana izy; fa izay amelana kely no kely fitiavana”. Dia hoy i Jesoa tamin-dravehivavy: “Voavela ny helokao”. Ary izay niara-nihinana taminy nanao anakampo hoe: “Iza moa ity no mamela na dia ny heloka aza?” Fa hoy Izy tamin-dravehivavy: “Ny finoanao no nahavonjy anao, mandehana amim-piadanana”.
(Mijanona eo raha ny fohy no atao, tohizina raha ny lava).
Taorian’izany, dia lasa nitety ny tanàna sy ny vohitra Izy nampianatra sy nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nanaraka Azy ny roa ambin’ny folo lahy sy ny vehivavy sasany nositraniny tamin’ny fanahy ratsy sy ny aretina, dia i Maria atao hoe Madelenina izay nivoahana demony fito, i Joana vadin’i Kozà mpitandrina ny fananan’i Herôda, ary i Sozàna mbamin’ny maro hafa koa, izay nanampy Azy tamin’ny fananany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!
Asiana IZAHO MINO...
Ranombavaky ny mpino
Ry kristianina havana, saro-bidy eo imason’Andriamanitra Ray isika, satria efa nafoiny ho Sorom-pihavanana amintsika olombelona mpanota, i Jesoa Kristy Zanany; koa akambano ny vavaka ataontsika hitalaho ny famindram-pony ho an’ny olombelona rehetra.
Valy: Ray ô, tia anay ny Zanakao, ka tsinjovy izahay.
* Mivavaha ho an’ny Eglizy mba ho hainy ny mitory sy mizara amin’ny olombelona ankehitriny ny fitiavana sy ny famindram-pon’Andriamanitra, mba hitarihany ny olona rehetra ho tonga eo amin’ny lalan’ny famonjena.
* Mivavaha ho an’ireo mpitondra firenena sy manam-pahefana isan-karazany, mba tsy ho afa-po mampihatra ny lalàna fotsiny izy, fa hahay manampy ny vahoaka hizotra amin’ny lala-mahitsy koa.
* Mivavaha ho an’ireo mahantra sy mijaly rehetra mba homen’Andriamanitra hery izy tsy ho kivy, ary mba ho entanim-pitiavana isika, hamonjy azy ireny sy hizara aminy ny aina mahasambatra avy amin’i Kristy.
* Mivavaha ho antsika iray fiangonana mba samy hiezaka hanana fitiavana tahaka an’Andriamanitra isika, ka hitady ny mpanota sy hifamela heloka ary hifankatia sy hifanasoa tokoa.
— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.
Ry Andriamanitra Rainay ô, lehibe ny fitiavanao ary lalina ny famindram-ponao; koa ataovy manahaka Anao izahay zanakao mba ho afaka hitarika ny olona hatoky sy ho tia Anao, ho sambatra hiray aina amin’i Jesoa Kristy, ilay velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.
Vavaka Fanolorana
Andriamanitra ô, ireto fanatitra atolotra ireto no amelomanao sy anavaozanao ny olombelona; koa mihanta aminao izahay: enga anie tsy ho diso anjara amin’ny soa ateraky ny Sakramenta ny fanahy amam-batanay.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.
Prefasy: Alahady tsotra VIII, ohatra.
Kômonio
Sal. 26, 4
Ny zava-tokana angatahiko amin’ny Tompo ary katsahiko indrindra, dia ny honina ao an-tranon’ny Tompo amin’ny andro rehetra hiainako.
na hoe:
Jo. 17, 11
Ry Ray Masina ô, tahirizo amin’ny Anaranao ireo nomenao Ahy, mba ho iray tahaka Antsika, hoy ny Tompo.
Vavaka aorian’ny Kômonio
Manambara ny firaisan’ny mpino ao aminao, ry Tompo, ny Kômonio masina nomenao, ka enga anie ho tonga lafatra ny firaisanay ao amin’ny Eglizinao.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.