ALAHADY FAHA-12 mandavantaona — D

I KRISTY NO MAMPIRAY ANTSIKA

Tononkira fidirana

Sal. 27, 8-9

Ny Tompo no herin’ny vahoakany, mpiaro sy mpamonjy ny nohosorany. Tompo ô, vonjeo ny vahoakanao, tsofy rano fa lovanao, ary ento an-trotroana mandrakizay.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Tompo ô, mba velomy lalandava ao am-ponay ny fanajana sy ny fitiavana ny Anaranao masina; satria tsy afoinao na oviana na oviana izay nataonao mafy orina amin’ny fitiavana Anao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka. .. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Zakaria Mpaminany

Zak.12, 10-11

Hijery izay nolefoniny izy.

Izao no lazain’ny Tompo: «Haidiko amin’ny taranak’i Davida sy amin’ny mponina ao Jerosalema ny fanahin’ny fahasoavana amam-pifonana; ka hatodiny ny masony hijery Ahy izay nolefoniny. Ary hanao fisaonana Zanaka lahy tokana, hitomany mafy Azy izy ireo, toy ny fitomany Zanaka lahy matoa. Amin’izany andro izany, ao Jerosalema, hisy fisaonana lehibe toy ny fisaonana tao Adadremôna, amin’ny lohasahan’i Magedô».

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 62, 2. 3-4. 5-6. 8-9


Fiv.: Matimaty Anao ny nofoko, ry Tompo Andriamanitra.

Andriamanitra ô, Ianao no Andriamanitro! Vao maraina aho maniry Anao; mangetaheta Anao ny fanahiko; matimaty Anao ny nofoko: toy ny tany maina sy mangentana, toy ny tany haraka, mila rano!
Tao an-toerana masina no nahitako Anao; tao aho nibanjina ny herinao sy ny voninahitrao: ka ny molotro nidera Anao, fa ny fitiavanao: tsara noho ny aina!
Eny, hisaotra aho raha mbola velona; ny Anaranao hanandratako tanana: ka ny fanahy ho heni-tsoa, ny molotro hihoby, ny vava hidera.
Fa notsenainao ny vonjinao aho ka mibitaka alofan’ny elatrao; ny fanahiko mifikitra aminao, ny tananao mihazona ahy.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Galasia

Gal. 3, 26-29


Ianareo rehetra natao Batemy ho an’i Kristy, dia mitafy an’i Kristy avokoa.

Ry kristianina havana, ianareo efa zanak’Andriamanitra amin’ny finoana ao amin’i Jesoa Kristy. Satria ianareo rehetra efa natao Batemy ho an’i Kristy, dia mitafy an’i Kristy avokoa. Ka tsy misy Jody na Jentily intsony; tsy misy mpanompo na tsy mpanompo, tsy misy lahy na vavy intsony, fa tena iray ihany ianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesoa. Ary raha an’i Kristy ianareo, dia taranak’i Abrahama tahaka Azy, ka mpandova araka ny fampanantenana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no manana ny fahazavan’ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 9, 18-24

Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra. — Eny, fa tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’Olona.

Tamin’izany andro izany, raha nivavaka tany amin’ny toerana mangingina i Jesoa ka teo aminy koa ny mpianany, dia nanontany azy ireo Izy nanao hoe: “Ataon’ny vahoaka ho iza moa Aho?” Ary namaly ireo ka nanao hoe: “Ny sasany manao hoe i Joany Batista, ny sasany milaza hoe i Elia, ary ny sasany manao hoe: ny anankiray amin’ny Mpaminany taloha no nitsangan-ko velona”. Fa hoy Izy: “Ianareo kosa, mba manao Ahy ho iza?” Dia namaly i Piera ka nanao hoe: “I Kristin’Andriamanitra”. Nefa noraràny mafy izy ireo mba tsy hilazalaza izany aman’olona, sady nampiany hoe: “Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’Olona, ka harian’ny loholona sy ny lehiben’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dalàna ary hovonoiny; fa hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo”. Ary hoy koa Izy tamin’ny olona rehetra: “Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany isan’andro, ka hanaraka Ahy. Izay te hamonjy ny ainy dia hahavery azy, fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko no hahavonjy azy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, eto anatrehan’i Kristy namonjy an’izao tontolo izao tamin’ny Hazofijaliany sy manohy ny Fanavotana eto amin’ny Sorona Masina, dia atambaro ny vavaka ataontsika ho famonjena ny olombelona rehetra.

Valy: Ry Kristy ô, ry fiainanay; henoy izahay, ry fiainanay ô!

* Mivavaha ho an’ny Papa sy ny Eveka ary ny Pretra mba hahita lalandava izay teny antonona ny olona ankehitriny izy ary tsy hatahotra ny hitory ny teny momba an’i Kristy.
* Tsy mety manjaka tanteraka eo amin’izao tontolo izao ny fandriam-pahalemana, koa angataho Andriamanitra hampihavana ny fo amam-panahin’ny olona rehetra.
* Be ny mijaly vesarana hazofijaliana, koa atolory miaraka amin’izao Sorona izao ny fijaliana iaretany mba hoeken’Andriamanitra hamonjena ny olombelona rehetra.
* Izao Sorona (na izao fanompoam-pivavahana) alahady izao no tokony hanovozantsika hery sy aina hivelomana mandritra ny herinandro sy hijoroantsika ho vavolombelona hahitan’ny olona an’Andriamanitra; koa mangataha amin’Izy Tompo ny fahasoavany ho antsika tafavory eto.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Tompo ô, ampianaro izahay hiaiky sy hino fa tena Zanak’Andriamanitra Ianao, ary ampianaro koa handà tena sy hitondra ny hazofijalianay hanarahanay Anao.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ity sorom-pifonana sy fiderana ity: ary enga anie hanadio anay ny fahasoavana avy aminy, ka ho sitrakao ny fitiavana atolotry ny fonay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra III, ohatra.


Kômonio

Sal. 144, 15

Any aminao avokoa ny mason’ny velona rehetra manantena Anao, ary Ianao manome ny sakafony ara-potoana.


na hoe:

Jo. 10, 11. 15

Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo; mahafoy ny aiko ho an’ny ondriko Aho.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nahazo aim-baovao izahay nandray ny Vatana sy ny Ra masin’i Kristy; koa mihanta aminao mora fo: enga anie izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana fanaonay izao, ho antoky ny fanavotana anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


<<Previous           Contents           Next>>