ALAHADY FAHA-10 mandavantaona — D
I KRISTY NANDRESY NY FAHAFATESANA NO MPANAVOTRA ANTSIKA
Tononkira fidirana
Sal. 26, 1-2
Ny Tompo no faniloko sy vonjiko: iza no hatahorako? Ny Tompo no mandan’ny aiko: zovy no hangovitako?
Asiana VONINAHITRA ANIE. ..
Fangatahana
Ry Andriamanitra Andriananahary ô, loharano iavian’ny soa rehetra Ianao, koa mitalaho aminao izahay: mba tsilovy hahita ny marina ary tantano hanatontosa azy.
Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
VAKINTENY MASINA VOALOHANY
Boky voalohan’ny Mpanjaka
1 Mpanj. 17, 17-24
Inty fa velona ny zanakao.
Tamin’izany andro izany dia nandraiki-narary ny zana-dravehivavy tompon-trano famantanan’i Elia, ary mafy dia mafy ny aretina, ka efa tsy nisy fofon’aina intsony taminy. Dia hoy ity vehivavy tamin’i Elia: “Inona akory moa no raharahako aminao, ry olon’Andriamanitra? Moa ny hamelona ny fahatsiarovana ny fahotako, sy ny hahafaty ny zanako va no nahatongavanao taty amiko?” Ary hoy ny navaliny azy: “Atolory ahy ny zanakao”. Dia nalainy ny zaza teny an-trotroan-dravehivavy, ka nentiny any amin’ny efitrano ambony nitoerany. Dia niantso ny Tompo izy, nanao hoe: “Ry Tompo Andriamanitro ô, dia nampidi-doza ho amin’ity mpitondratena itoerako ity va Ianao, ka hahafaty ny zanany va?” Ary niampatra intelo tamin’ny zaza izy, sady niantso ny Tompo nanao hoe: “Ry Tompo Andriamanitro ô! mifona aminao re aho, mba ampodio aminy indray ny ain’ity zaza ity!” Nohenoin’ny Tompo ny feon’i Elia, ka nody taminy indray ny ain’ilay zaza, dia tonga velona indray izy. Ary noraisin’i Elia ny zaza, nampidininy avy any ambony rihana ho ao an-trano, dia natolony an-dreniny, ary nataon’i Elia hoe: “Inty fa velona ny zanakao”. Ka hoy ravehivavy tamin’i Elia: “Fantatro amin’izao fa olon’Andriamanitra tokoa ianao, ka marina ny tenin’ny Tompo ao am-bavanao”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!
Salamo fandinihana
Sal. 29, 2 sy 4. 5-6. 11 sy 12a ary 13b.
Fiv.: Izaho midera ny Tompo izay nanafaka ahy.
Izaho midera ny Tompo izay nanafaka ahy, tsy navelany hifaly ny rafiko. Ny fanahiko efa tany an-tSeoly dia nakarinao, ry Tompo ô.
Izaho efa tany am-pasana dia novelominao indray. Antsao ny Tompo, ianareo mpivavaka, isaory ny Anarany masina.
Mandalo ihany ny hatezerany, ny fanambinany kosa maharitra; hariva aho mitomany fa nony maraina velon-kira.
Tompo ô, aoka Ianao handreny; miantrà re, tongava hamonjy. Dia navadikao ho dihy ilay hira fitarainako.
Ka ny foko tsy ho sasatra, fa hiantsa Anao hatrany. Ry Tompo Andriamanitro ô, mandrakizay no hisaorako Anao.
VAKINTENY MASINA FAHAROA
Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Galasia
Gal. 1, 11-19
Sitrak’Andriamanitra ny hanambara ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any amin’ny Jentily.
Ry kristianina havana, ampahafantariko anareo, fa ny Evanjely izay notorîko taminareo, dia tsy mba avy amin’olombelona; fa tsy tamin’olombelona no nandraisako na nianarako azy, fa tamin’ny fanambaràn’i Jesoa Kristy. Efa renareo ihany ny toetrako fony aho mbola nanaraka ny fivavahan’ny Jody, fa nanenjika fatratra ny Eglizin’Andriamanitra sy nandrava azy aho; ary nandroso tamin’ny fivavahan’ny Jody mihoatra noho ny maro indray nihira tamiko teo amin’ny fireneko aho, sady fatra-pitàna ny lovan-tsofina avy amin’ny razako. Nefa, nony sitrak’Andriamanitra Ilay nanokana ahy hatrany an-kibon-dreniko, sy niantso ahy tamin’ny fahasoavany, ny hanambara ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any amin’ny Jentily; niaraka tamin’izay, dia tsy naka hevitra tamin’ny nofo aman-drà aho, na niakatra tany Jerosalema ho any amin’ny Apôstôly talohako akory, fa lasa nankany Arabia, dia niverina ho any Damasy indray. Efa telo taona taty aorian’izany, vao niakatra hamangy an’i Piera tany Jerosalema aho, sy nitoetra tao aminy tapa-bolana. Fa ny Apôstôly sasany, dia tsy nisy hitako afa-tsy i Jakôba rahalahin’ny Tompo ihany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!
Fihobiana ny Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Izaho no fananganana ny fiainana, hoy i Jesoa; izay rehetra mino Ahy, tsy ho faty mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka
Lk. 7, 11-17
Ry zatovo, izaho mandidy anao, mitsangàna.
Tamin’izany andro izany i Jesoa dia nankany amin’ny tanàna anankiray atao hoe Naima, ary mpianany maro sy vahoaka betsaka no niaraka taminy. Rehefa mby teo akaikin’ny vavahadin’ny tanàna Izy, dia indro nisy fatin’ny zaza lahy anankiray nentina halevina, zanak’olona lahy tokana sady mpitondratena indray reniny, ka vahoaka be avy ao an-tanàna no nanaraka azy. Nangoraka ny Tompo nony nahita an-dravehivavy, ka nanao taminy hoe: “Aza mitomany”. Ary nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona; dia nijanona ny mpilanja, ary hoy i Jesoa: “Ry zatovo, izaho mandidy anao, mitsangàna”. Dia niarina niaraka tamin’izay ny maty, sady niteny ary nomen’i Jesoa an-dreniny. Raiki-tahotra avokoa izay rehetra teo, sady nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe: “Mpaminany lehibe no efa niseho eto amintsika, ary Andriamanitra efa namangy ny olony”. Dia niely eran’i Jodea sy ny tany manodidina rehetra izany teny fankalazana Azy izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!
Asiana IZAHO MINO. ..
Ranombavaka
Ry kristianina havana, mampiombona sy mampiray ny fitiavana; koa amin’izao ranombavaka izao, dia akambano ny fontsika hiara-mitalaho amin’Andriamanitra mba hofenoiny ny tena fitiavana ny fon’ny olombelona rehetra, hahaizany mihavana sy mifanasoa ary mifamonjy.
Valy: Fenoy ny fitiavanao izahay, ry Tompo.
* Natao hitory ny fitiavana sy ny fahafahana ary ny tena fiadanana ny Eglizy; koa mivavaha mba ho tontosany an-tsakany sy an-davany ny adidiny, ka hahatarika ny olombelona hifankatia sy hifanasoa marina tokoa.
* Nahita ny fahorian’ilay vehivavy mpitondratena tany Sarepta Andriamanitra, ka nanafaka alahelo azy tamin’ny alalan’i Elia namelona ny zanany maty; koa mivavaha ho an’ny mpitondra fanjakana sy mpitondra vahoaka rehetra, mba tena ho andry iankinana ho an’ny mahantra sy ny madinika.
* Tandra vadin-koditry ny fiainana eto an-tany ny fahoriana; koa mivavaha ho an’ireo mijaly sy ny zoim-pahoriana ary maty anaka, mba sady hombombàn’ny fitiavan’Andriamanitra no hisy mpijery sy mpanavotra.
* Velona ao amin’Andriamanitra izay miaina amin’ny fahasoavana mahamasina. Be anefa no tsy miraika firy intsony amin’ny fandraisana ny Sakramenta Fibebahana ankehitriny; koa mivavaha mba hiverenana ny Sakramenta, ho fitokiana ny fitiavan’Andriamanitra sy ny famindram-pony.
* Fifandraisana amin’Andriamanitra sy fihaonana aminy ny fivavahana; koa mangataha ho antsika iray fiangonana, na ny eto na ny tsy eto mba hanjaka isan-tokantrano ny fitiavam-bavaka, hitomboan’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana.
— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.
Tompo ô, Ianao no loharanom-pitiavana tsy mety ritra, ary loharanon’ny fiainana rehetra, na ara-nofo na ara-panahy; koa mihanta aminao izahay: mba todiho maso miantra ny vahoakanao, eto anivon’ny fahasahiranana samihafa. Fa Ianao no hany fanantenana sy vonjy.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.
Vavaka Fanolorana
Ry Tompo be indrafo ô, mba topazo maso izahay manompo Anao, dia ho sitrakao ny fanatitray ary hitombo ny fitiavanay.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.
Prefasy: Alahady tsotra IV, ohatra.
Kômonio
Sal. 17, 3
Ny Tompo no vatolampiko, tany ialofako sy mpanafaka ahy; Izy no Andriamanitro sy andriko.
na hoe:
1 Jo. 4, 16
Fitiavana Andriamanitra: izay mitoetra ao amin’ny fitiavana mitoetra ao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra mitoetra ao aminy.
Vavaka aorian’ny Kômonio
Tompo ô, ny Sakramentanao manasitrana ny rofy rehetra anie, hanafaka anay amin’ny ratsy isan-karazany sy hitarika anay hizotra amin’ny lala-mahitsy.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.