ALAHADY FAHA-9 mandavantaona — B
NY OLOMBELONA SY NY SABATA
Tononkira fidirana
Sal. 24, 16. 18
Mba todiho aho, ry Tompo, iantrao fa honjohonjoko izaho irery mahantra. Andriamanitra ô, zahao ny fahoriako sy ny fijaliako, avelao ny otako rehetra.
Asiana VONINAHITRA ANIE...
Fangatahana
Andriamanitra ô, milamina aoka izany ny fitantananao ny zavatra rehetra, ka mitalaho aminao re izahay: mba halaviro izay mety hanimba, omeo kosa izay mety hahasoa.
Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
VAKINTENY MASINA VOALOHANY
Boky Deterônômy
Det 5, 12-15
Tsarovy fa efa andevo tany amin’ny tany Ejipta ianao.
Izao no lazain’ny Tompo: Mitandrema ny andro sabata, mba hankamasina azy, araka ny nandidian’ny Tompo Andriamanitrao anao. Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny asanao rehetra. Fa ny andro fahafito, dia sabata ho an’ny Tompo Andriamanitrao, ka aza manao zavatra na inona na inona ianao, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny ankizy lahinao, na ny ankizy vavinao, na ny ombinao, na ny ampondranao, na ny biby fiompinao rehetra, na ny vahiny tafiditra ny vavahadinao, mba hitsahatra toa anao koa ny ankizy lahinao sy ny ankizy vavinao. Tsarovy fa efa andevo tany amin’ny tany Ejipta ianao, ary tanana mahery sy sandry ahinjitra no nitondran’ny Tompo Andriamanitrao anao nivoaka avy tany; koa izany no nandidian’ny Tompo Andriamanitrao anao hitandrina ny andro sabata.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!
Salamo fandinihana
Sal. 80, 3-4. 5-6a. 6d-8a, 10-11b
Fiv.: Hobio i Iaveh, ry tany tontolo fa mandrakizay ny fitiavany.
Venteso ny hira, velezo ny amponga, tendreo ny lokanga soa omban’ny valiha. Amin’ny tsinam-bolana sy ny fenomanana, tsofy ny anjomara hilanonantsika.
Fa izany no didy ho an’i Israely, fitsipiky ny Andriamanitr’i Jakôba, nataony lalàna ho an’i Jôsefa fony Izy namely an’i Ejipta.
Drey! teny tsy fantatro izany henoko izany: “Ny mavesatra alàko amin’ny sorony, ny sobika esoriko amin’ny tanany.
Mitaraina ianao, Izaho manafaka!” “Aza mitahiry andriamanitra vahiny, aza manaja andriamanitry ny hafa! Fa Izaho no Tompo Andriamanitrao nampiakatra anao avy tany Ejipta!”
VAKINTENY MASINA FARAROA
Taratasy faharoan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty
2 Kôr. 4, 6-11
Entinay amin’ny vatanay lalandava ny fahafatesan’i Jesoa, mba hisehoan’ny fiainan’i Jesoa amin’ny vatanay koa.
Ry kristianina havana, Andriamanitra izay nandidy hoe: “Aoka ny maizina no hiposahan’ny mazava”, no nanazava ny fonay mba hampahazavanay ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra, izay mitaratra amin’ny Tavan’i Kristy. Siny tany anefa no itondranay izany rakitra izany, mba hiharihary fa avy amin’Andriamanitra ny halehiben’ny herin’ny Evanjely, fa tsy avy aminay. Poritina hatraiza hatraiza izahay, nefa tsy tery; ampahorîna, nefa tsy mamoy fo; enjehina, nefa tsy afoy; azera, nefa tsy toro; entinay amin’ny vatanay lalandava ny fahafatesan’i Jesoa, mba hisehoan’ny fiainan’i Jesoa amin’ny vatanay koa. Fa na dia velona aza izahay, dia atolotra ho amin’ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin’i Jesoa, mba hisehoan’ny fiainan’i Jesoa amin’ny nofonay mety maty.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!
Fihobiana ny Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Ny soratra mahafaty, fa ny fanahy mahavelona. Izay itoeran’ny Fanahin’ny Tompo no misy ny fahafahana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka
Mk. 2, 23 —3, 6 na 2, 23-28 (fohy)
Ny Zanak’olona dia tompon’ny sabata aza.
Indray sabata raha nandeha namaky ny tanimbary i Jesoa, dia nioty salohim-bary teny ampandehanana ny mpianany, ka hoy ny Farisianina taminy: "Jereo ange e, nahoana izy ireo no manao ny tsy fanao amin’ny sabata?” Fa hoy Izy taminy: “Moa tsy novakinareo va izay nataon’i Davida raha terin’ny hanoanana izy sy izay nanaraka azy? Fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy tamin’ny andron’i Abiatara lehiben’ny mpisorona, ka nihinana ny mofo alahatra izay tsy misy mahazo mihinana afa-tsy ny mpisorona ihany, sady nomeny mbamin’ny mpanaraka azy koa”. Dia hoy Izy taminy: “Ny sabata no natao ho an’ny olona, fa tsy ny olona no ho an’ny sabata. Koa ny Zanak’olona dia tompon’ny sabata aza”.
Ajanona eo raha ny fohy no atao; tohizina raha ny lava.
Indray mandeha koa dia niditra tao amin’ny sinagôga i Jesoa, ary nisy lehilahy anankiray maty tanana an’ila tao. Ary nizaha taratra Azy ny sasany na hanasitrana an’io amin’ny sabata Izy na tsia, mba hiampangany Azy. Dia hoy Izy tamin’ilay lehilahy maty tanana: “Mitsangàna etsy afovoany”. Ary hoy koa Izy tamin’ny olona: “Inona no mety hatao amin’ny sabata, ny soa sa ny ratsy, ny mamonjy aina sa ny mamono?” Fa tsy niteny tsy nivolana izy ireo. Dia nijery azy rehetra tamin-katezerana Izy, sy nalahelo noho ny hajambàn’ny fony, ary nilaza tamin-dralehilahy hoe: “Ahinjiro ny tananao”. Dia nahinjiny, ka sitrana ny tanany. Ary lasa nivoaka ny Farisianina, ka niaraka tamin’izay dia niara-nihevitra tamin’ny Herôdianina hanao izay hahavoazana Azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!
Asiana IZAHO MINO …
Ranombavaky ny mpino
Ry kristianina havana, tsy ny fiangonana alahady fa ny fitiavana no fehin’ny hatsaram-panahy rehetra, tsy ny sorona atolotra fa ny fitiavana no tena fanatanterahana ny didy; koa mangataha amin’Andriamanitra, mba hanjaka hatraiza hatraiza ny tena fitiavana marina.
Valy: Efa miombona fanahy izahay e, ka henoy ny vavakay, Tompo ô!
* Solontenan’Andriamanitra hampianatra ny olombelona hifankatia ny Eglizy; koa mivavaha mba tsy ho isan’alahady aty am-piangonana ihany no hahitana ny firaisan’ny mpivavaka, fa mba ho hita eo amin’ny fitiavana asehon’izay rehetra mitonona ho kristianina ny fitiavan’Andriamanitra tokony halaintsika tahaka.
* Mivavaha ho an’ny mpitondra raharaham-bahoaka, toy ny mpiandraikitra ny firenena mitambatra, ny tany andalam-pandrosoana, ny fahasalamana eran-tany, na manam-pahaizana manao fikarohana: mba ho fitiavana lalandava no hitarika ny ezaka ataony.
* Be ny mijaly, na ara-nofo na ara-panahy na ara-tsaina: ao ny kamboty, ny mananotena, ny migadra, ny voasesitany, ao ny mpanota, ny marary, ny sahiran-tsaina, ny enjehina; koa mangataha hofenoin’Andriamanitra fitiavana isika, hanampiantsika ny ory rehetra.
* Mifampivavaha isika iray fiangonana, miangona isan’alahady eto an-tranon’Andriamanitra, mba hamirapiratra fitiavana sy hamerovero firaisan-kina, tahaka ireo kristianina voalohany tao Jerosalema: ka hahatarika ny olona rehetra hifankatia koa.
— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.
Andriamanitra ô, Ianao no fototry ny fihavanana sy ny fifankatiavana: koa ataovy miray saina sy miray fo izahay vahoakanao, mba hiray hina ny Eglizinao ary hiezaka hitory ny marina, ka ho mafy orina amin’ny finoana iraisana.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.
Vavaka Fanolorana
Tompo ô, matoky ny fitiavanao izahay miara-midodododo mitondra fanatitra eto amin’ny ôtelinao: ka handio anay anie ny fahasoavanao sy ny fanatitra entinay manompo Anao.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.
Prefasy: Alahady tsotra VI, ohatra.
Kômonio
Sal. 16, 6
Miantsa Anao aho, satria mihaino ahy Ianao, ry Andriamanitra; anongilano sofina aho, ka henoy teny.
na hoe:
Mt. 11, 23-24
Lazaiko marina aminareo, hoy ny Tompo, fa na inona na inona angatahinareo amin’ny fivavahana, minoa fa ho azonareo izany, dia ho tanteraka tokoa.
Vavaka aorian’ny Kômonio
Enga anie, ry Tompo, hotarihin’ny Fanahinao Masina izahay, fa efa nofahananao tamin’ny Vatana aman-dRan’ny Zanakao, ka hidera Anao tsy am-bava fotsiny fa amin’ny asa sy ny toetra, ary ho mendrika hiditra any amin’ny Fanjakan’ny lanitra.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.