Prefasy: Fahatongavan’ny Tompo I
Fahatongavan’i Kristy indroa
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.
Fa tamin’Izy tonga voalohany tety an-tany nietry tena naka nofo, nanatanteraka izay voalahatra hatrany am-piandohana ary nisava ny lalana hankanesanay any amin’ny famonjena mandrakizay; amin’ny fahatongavany fanindroany, no handraisanay an-karihary ilay famonjena nampanantenainao izay iomananay sy andrasanay amim-pitokiana ankehitriny.
Izany no iarahanay amin’ny Anjely sy ny Arkanjely, ny Fiketrahana sy ny Fiandrianana ary ny tafiky ny lanitra tontolo mihira sy mankalaza ny voninahltrao amin’ilay antsa ventesinay lalandava manao hoe: Masina, Masina, Masina ...
Prefasy: Fahatongavan’ny Tompo II
Fiandrasana an’i Kristy indroa
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.
Fa Izy no nambaran’ny vavan’ny mpaminany, nandrasan’ilay Virjiny tamim-pitiavana lehibe, nolazain’i Joany fa ho avy, ary natorony nony efa tonga. Nataony feno hafaliana ny fonay miomana hankalaza ny nahaterahany, mba ho tratrany mivavaka eo am-piandrasana Azy, ka mihira sy midera mientan-karavoana.
Izany no iarahanay amin’ny Anjely sy ny Arkanjely, ny Fiketrahana sy ny Fiandrianana ary ny tafiky ny lanitra tontolo mihira sy mankalaza ny voninahitrao amin’ilay antsa ventesinay lalandava manao hoe: Masina, Masina, Masina...
Prefasy: Nahaterahan’ny Tompo I
I Kristy Fahazavana
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay.
Fa amin’izao mistery nahatongavan’ny Teny ho nofo izao, dia fahazavana vaovao no mibaliaka eo imason’ny fanahinay avy amin’ny voninahitrao; hany ka eo am-pahitana maso an’Andriamanitra izahay dia voasintony ho tia ny tsy hita maso.
Izany no iarahanay amin’ny Anjely sy ny Arkanjely, ny Fiketrahana sy ny Fiandrianana ary ny tafiky ny lanitra tontolo mihira sy mankalaza ny voninahitrao amin’ilay antsa ventesinay lalandava manao hoe: Masina, Masina, Masina...
Prefasy: Nahaterahan’ny Tompo II
Tonga nofo i Kristy ka manavao ny zavatra rehetra
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.
Fa amin’ny fankalazana izao zava-debibe sady masina izao, Izy ilay tsy hita maso amin’ny fomba maha Andriamanitra Azy, dia niseho hita maso amin’ny fomba maha-olombelona anay; ary Izy ilay teraka talohan’ny taona rehetra dia nanaiky hanomboka fiainana voafetra tety an-tany, ka nanarina izay lavo rehetra ho velona ao aminy, mba hanavao izao rehetra izao sy hampody azy amin’ny laoniny ary hiantso ny olombelona very, hody any amin’ny fanjakan’ny lanitra.
Koa miaraka amin’ny Anjely rehetra izahay midera Anao, faly sy mihoby manao hoe: Masina, Masina, Masina ...
Prefasy: Nahaterahan’ny Tompo III
Mifandray amin’Andriamanitra ny olombelona noho ny Teny tonga nofo
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.
Fa Izy, amin’izao andro iraisany fomba aminay izao, no amirapiratan’ny fanavotana anay, satria naka ny fombanay mora simba Izy ilay Teninao, ka ny toetranay olombelona mety maty, dia indro miofo ho enim-boninahitra tsy manam-pahataperana, ary miray aminy amin’ny fomba mahagaga ny tenanay, ka tonga maharitra mandrakizay.
Izany no iarahanay amin’ny Anjely amin’ny tononkira ataony ka midera Anao izahay faly sy mihoby manao hoe: Masina, Masina, Masina ...
Prefasy: Nisehoan’ny Tompo I
I Kristy dia Fahazavan’ny firenena rehetra
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay.
Fa nambaranao amin’izao tontolo izao ny famonjena anay ao amin’i Kristy mba hanazavanao ny firenena rehetra; ary Izy niseho hita maso nitafy ny vatanay mety maty no anavaozanao anay ho enim-boninahitra tsy mety maty toa Azy.
Izany no iarahanay amin’ny Anjely sy ny Arkanjely, ny Fiketrahana sy ny Fiandrianana ary ny tafiky ny lanitra tontolo mihira sy mankalaza ny voninahitrao amin’ilay antsa ventesinay lalandava manao hoe: Masina, Masina, Masina...
Prefasy: Karemy I
Ny hevitry ny Karemy amin’ny ara-panahy
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.
Fa sitrakao ny hiomananay vahoaka mino Anao hankalaza ny Paka isan-taona amin’ny fo falifaly sy fanahy voadio; ka rehefa niezaka hanatontosa ny fombam-pivavahana sy ny asa fitiava-namana izahay, ary nandray ny Sakramenta nahazoanay aim-baovao, dia hiroso eo amin’ny fahasoavana maha-zanaka tanteraka.
Izany no iarahanay amin’ny Anjely sy ny Arkanjely, ny Fiketrahana sy ny Fiandrianana ary ny tafiky ny lanitra tontolo mihira sy mankalaza ny voninahitrao amin’ilay antsa ventesinay lalandava manao hoe: Masina, Masina, Masina...
Prefasy: Karemy II
Ny fanoneram-pahotana, ara-panahy
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay:
Fa nomenao andro mahavonjy izahay zanakao hanavaozana ny hadiovam-ponay mba ho afaka izahay amin’ny faniriana diso tafahoatra, ka na miondrika mampiasa ny zava-mandalo aza, dia hiraiki-po amin’izay maharitra mandrakizay.
Izany no iarahanay amin’ny Olomasina sy ny Anjely rehetra mankalaza Anao tsy an-kijanona manao hoe: Masina, Masina, Masina...
Prefasy: Paka I
Ny zava-masina mahagaga tanteraka tamin’ny Paka
Ny Sabotsy Masina dia atao hoe indrindra amin’izao alina … ary ny Paka hatramin’ny Sabotsy manaraka azy dia atao hoe indrindra amin’izao andro...
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny midera Anao lalandava, ry Tompo, fa indrindra amin’izao alina (andro) anaovana Sorona an’i Kristy Zanak’ondrin’ny Paka izao.
Izy tokoa ilay tena Zanak’ondry manala ny fahotan’izao tontolo izao. Izy no nandrava ny fahafatesanay tamin’ny nahafatesany ary nampody aina anay tamin’ny nitsanganany ho velona.
Ka noho izao hafaliana lehibe amin’ny Paka izao dia mientan-karavoana ny tany tontolo. Ary ny Hery any ambony sy ny Anjely dia mihira sy mankalaza ny voninahitrao tsy mitsahatra manao hoe: Masina, Masina, Masina...
Prefasy: Paka II
Ny aim-baovao ao amin’i Kristy
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny midera Anao lalandava, ry Tompo, fa indrindra amin’izao fotoana anaovana Sorona an’i Kristy Zanak’ondrin’ny Paka izao.
Fa amin’ny alalany no iarenan’ny zanaky ny fahazavana hizotra mankany amin’ny fiainana mandrakizay, ary isokafan’ny varavaran’ny lanitra ho an’ny mpino. Satria niharan’ny fahafatesana Izy, mba hanavotra anay tsy ho faty ary nitsanganko velona, mba hahavelona anay rehetra.
Ka noho izao hafaliana lehibe amin’ny Paka izao dia mientan-karavoana ny tany tontolo. Ary ny Hery any ambony sy ny Anjely dia mihira sy mankalaza ny voninahitrao tsy mitsahatra manao hoe: Masina, Masina, Masina...
Prefasy: Paka III
Velona i Kristy ary tsy mitsaha-manalalana ho antsika
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny midera Anao lalandava, ry Tompo, fa indrindra amin’izao fotoana anaovana Sorona an’i Kristy Zanak’ondrin’ny Paka izao.
Ilay tsy mitsaha-manolo-tena ho anay ary miaro anay sy mitalaho ho anay lalandava eo anatrehanao; Ilay natao Sorona, nefa tsy maty intsony, Ilay novonoina ho faty, nefa velona mandrakizay.
Ka noho izao hafaliana lehibe amin’ny Paka izao dia mientan-karavoana ny tany tontolo. Ary ny Hery any ambony sy ny Anjely dia mihira sy mankalaza ny voninahitrao tsy mitsahatra manao hoe: Masina, Masina, Masina...
Prefasy: Paka IV
Ny Paka no mamerina an’izao tontolo izao amin’ny laoniny
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny midera Anao lalandava, ry Tompo, fa indrindra amin’izao fotoana anaovana Sorona an’i Kristy Zanak’ondrin’ny Paka izao.
Fa rava ny toe-pahotana nanimba anay hatrany am-piandohana, ka voaarina izay rehetra nirodana ary voaavotra tanteraka indray ny fiainanay ao amin’i Kristy.
Ka noho izao hafaliana lehibe amin’ny Paka izao dia mientan-karavoana ny tany tontolo. Ary ny hery any ambony sy ny Anjely dia mihira sy mankalaza ny voninahitrao tsy mitsahatra manao hoe: Masina, Masina, Masina...
Prefasy: Paka V
Sady Mpisorona i Kristy no Sorona
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny midera Anao lalandava, ry Tompo, fa indrindra amin’izao fotoana anaovana Sorona an’i Kristy Zanak’ondrin’ny Paka izao.
Ilay nanolotra ny Tenany teo amin’ny Hazofijaliana ka nandavorary ny Sorona taloha ary nametraka ny ainy teo am-pelatananao ho famonjena anay, Izy ilay sady Mpisorona no ôtely anaovan-tsorona ary Zanak’ondry atao Sorona.
Ka noho izao hafaliana lehibe amin’ny Paka izao dia mientan-karavoana ny tany tontolo. Ary ny Hery any ambony sy ny Anjely dia mihira sy mankalaza ny voninahitrao tsy mitsahatra manao hoe: Masina, Masina, Masina...
Prefasy: Niakaran’ny Tompo I
Zavatra lalina sady masina ny Niakaran’ny Tompo
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay:
Satria i Jesoa Tompo, Mpanjaka be voninahitra, ilay nandresy ny fahotana sy ny fahafatesana, dia niakatra any an-tampon’ny lanitra hobin’ny Anjely amin’izao andro izao, Mpanelanelana an’Andriamanitra sy ny olombelona, Mpitsara an’izao tontolo izao ary Tompon’ny hery rehetra, tsy hoe mba handaozany anay tsinontsinona fa mba hampatoky anay rantsam-batany fa hanaraka Azy filohanay sy santatray any amin’izay efa niakarany hialoha lalana anay.
Ka noho izao hafaliana lehibe amin’ny Paka izao dia mientan-karavoana ny tany tontolo. Ary ny Hery any ambony sy ny Anjely dia mihira sy mankalaza ny voninahitrao tsy mitsahatra manao hoe: Masina, Masina, Masina...
Prefasy: Niakaran’ny Tompo II
Zavatra lalina sy masina ny Niakaran’ny Tompo
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.
Fa nony nitsangan-ko velona Izy, dia niseho tamin’ny mpianany rehetra ary nisondrotra any an-danitra teo imasony mba hampiombona anay amin’ny maha-Andriamanitra Azy.
Ka noho izao hafaliana lehibe amin’ny Paka izao dia mientan-karavoana ny tany tontolo. Ary ny Hery any ambony sy ny Anjely dia mihira sy mankalaza ny voninahitrao tsy mitsahatra manao hoe: Masina, Masina, Masina...
Prefasy: Fanahy Masina
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay.
Fa notanterahinao ny misterin’ny Paka nanangananao ny olombelona ho zanakao hiombona anjara amin’ny Zanakao Lahy tokana ary hanomezanao ny Fanahy Masina amin’izao andro izao. Satria Izy tany am-piandohan’ny Eglizy no nanambara Anao Andriamanitra tamin’ny firenena rehetra no sady nampiray ny fiteny samy hafa hiaramankatò ny finoana tokana.
Ka noho izao hafaliana lehibe amin’ny Paka izao dia mientan-karavoana ny tany tontolo; ary ny Hery any ambony sy ny Anjely dia mihira sy mankalaza ny voninahitrao tsy mitsahatra manao hoe: Masina, Masina, Masina...
Prefasy: Trinite Masina
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay.
Andriamanitra tokana sy Tompo tokana Ianao miaraka amin’ny Zanakao Lahy tokana sy ny Fanahy Masina. Tsy tokana amin’ny maha-olon-drery tsy akory fa tokana amin’ny fomba maha-Andriamanitra tokana ny Olona telo. Inoanay avokoa izay rehetra nambaranao ny amin’ny voninahitrao, ka ankatoavinay tsy an-kanavaka na momba ny Zanakao na momba ny Fanahy Masina.
Hany ka miaraka amin’ny finoana ny maha-Andriamanitra marina sy mandrakizay Anao dia tsaohinay ny maha-Olona telo samy hafa Anao sy ny fomba maha-Andriamanitra tokana an’ireo Olona telo ireo, ary ny fahandrianana itovizany tanteraka. Izany fahandrianana izany no derain’ny Anjely sy ny Arkanjely ary ny Kerobima sy ny Serafima amin’ny hoby isan’andro tsy an-kijanona larahanay miredona hoe: Masina, Masina, Masina...
Prefasy: Ny Eokaristia Masina I
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.
Ilay tena Mpisorona mandrakizay nanorina Sorona hatolotra tsy an-kijanona ka nanolo-tena taminao aloha ho sorona mahavonjy ary nanafatra anay hanolotra izany ho fahatsiarovana Azy. Fa ny Nofony natao Sorona ho anay dia manome hery anay mandray Azy, ary ny Rany nalatsany ho anay dia manadio anay misotro Azy.
Izany no iarahanay amin’ny Anjely sy ny Arkanjely, ny Fiketrahana sy ny Fiandrianana ary ny tafiky ny lanitra tontolo mihira sy mankalaza ny voninahitrao amin’ilay antsa ventesinay lalandava manao hoe: Masina, Masina, Masina...
Prefasy: Ny Eokaristia Masina II
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.
Ilay niara-nisakafo farany tamin’ny Apôstôly ary te-hampijoro mandrakizay ny orim-baton’ny famonjena teo amin’ny Hazofijaliana, ka nitolo-tena taminao ho Zanak’ondry tsy manan-tsiny sy ho fanatitra ankasitrahinao, hahazoanao fiderana lavorary. Eny, hamasino amin’izany sakafo masina izany ireo mino Anao, ka ny taranak’olombelona miray fonenana eto an-tany, dia hohazavain’ny finoana tokana ary hampiraisin’ny fitiavana tokana. Koa manatona izany sakafo masina izany izahay, mba ho henika ny tsiro aman-kasin’ny fahasoavanao ka hiova hanan-toe-piainana mendrika ny lanitra.
Noho izany, ny tany aman-danjtra dia miara-miredona hira vao, mitsaoka Anao, ary izahay koa miaraka amin’ny tafiky ny Anjely rehetra mankalaza Anao lalandava manao hoe: Masina, Masina. Masina...
Prefasy: Fo Masin’i Jesoa
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay
Ilay nentanim-pitiavana ka nasandratra teo amin’ny Hazofijaliana mba hanolo-tena ho anay, ary nandrotsaka rano sy Ra avy amin’ny Fony ho loharanon’ny Sakramentan’ny Eglizy mba hahatarika ny olona rehetra hankeo amin’ny Fon’Izy Mpamonjy nolefonina, sy ho sambatra hiala hetaheta tsy an-kijanona eo amin’ny loharanom-pamonjena.
Izany no iarahanay amin’ny Olomasina sy ny Anjely rehetra mankalaza Anao tsy an-kijanona manao hoe: Masina, Masina, Masina. . .
Prefasy: Jesoa Kristy Mpanjaka
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay.
Fa nohosoranao diloilo firavoana ny Zanakao Lahitokana, dia i Jesoa Kristy Tomponay, ho Mpisorona mandrakizay sy ho mpanjakan’ny voaary tontolo, mba hanolo-Tena eo amin’ny Hazofijaliana ho sorona madio mpampihavana, hanatontosa ny famonjena ny olombelona ary mba hampanaiky ny voaary rehetra, ka ho afaka manolotra fanjakana mandrakizay manerana an’izao tontolo izao ho Anao avo indrindra, fanjakan’ny fahamarinana sy ny fiainana, fanjakan’ny fahamasinana sy ny fahasoavana, fanjakan’ny rariny sy ny fitiavana ary ny fiadanana.
Izany no iarahanay amin’ny Anjely sy ny Arkanjely, ny Fiketrahana sy ny Fiandrianana ary ny tafiky ny lanitra tontolo mihira sy mankalaza ny voninahitrao amin’ilay antsa ventesinay lalandava manao hoe: Masina, Masina, Masina...
Prefasy: Alahady tsotra I
Ny Paka no manandratra ny vahoakan’Andriamanitra
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.
Mahatalanjona ny asa nataony tamin’ny alalan’ny misterin’ny Paka: fa voagejan’ny fahotana sy ny fahafatesana izahay no nantsoiny ho any amin’ilay voninahitra anaovana anay dieny izao hoe taranaka voafidy, mpisorona manjaka, firenena masina, vahoaka navotana, afaka mitory ny herinao hatraiza hatraiza, dia Ianao ilay niantso anay hiala amin’ny haizina hankany amin’ny fahazavana mahagaga.
Izany no iarahanay amin’ny Anjely sy ny Arkanjely, ny Fiketrahana sy ny Fiandrianana ary ny tafiky ny lanitra tontolo mihira sy mankalaza ny voninahitrao amin’ilay antsa ventesinay lalandava manao hoe: Masina, Masina, Masina...
Prefasy: Alahady tsotra II
Avy amin’Andriamanitra ny famonjena
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.
Fa nangoraka ny olombelona diso lalana Izy, ka nanaiky haterak’ilay Virjiny; nijaly tamin’ny Hazofijaliana Izy mba hanafaka anay tsy ho faty mandrakizay ary nitsangan-ko velona mba hanome anay ny fiainana tsy manam-pahataperana.
Izany no iarahanay amin’ny Anjely sy ny Arkanjely, ny Fiketrahana sy ny Fiandrianana ary ny tafiky ny lanitra tontolo mihira sy mankalaza ny voninahitrao amin’ilay antsa ventesinay lalandava manao hoe: Masina, Masina, Masina...
Prefasy: Alahady tsotra III
I Kristy olombelona no namonjy ny olombelona
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.
Miaiky izahay fa mifanaraka amin’ny voninahitrao Andriamanitra ny mamonjy anay olombelona mety maty, ka ny fahafatesana mpahazo anay, dia nahitanao ody faty ho anay ary ny hazo nahavery anay dia nitondranao famonjena ho anay.
Izany no ideran’ny Anjely Anao avo indrindra mifaly mandrakariva eo anatrehanao. Mihanta aminao izahay, avelao hikambana amin’ny feon’izy ireo ny feonay hihoby Anao sy hitalaho manao hoe: Masina, Masina, Masina...
Prefasy: Alahady tsotra IV
Fitantarana ny famonjena
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.
Fa Izy teraka no namerina ny hatanoranay olombelona, Izy nijaly no nandevona ny fahotanay, Izy nitsangan-ko velona no nitondra anay any amin’ny fiainana mandrakizay, ary Izy niakatra any aminao Ray no namoha ny varavaran’ny lanitra.
Izany no iarahanay amin’ny Anjely sy ny Olomasina rehetra mihira sy mankalaza Anao amin’ilay antsa ventesinay lalandava manao hoe: Masina, Masina, Masina...
Prefasy: Alahady tsotra V
Tokony hiderana an’Andriamanitra ny zava-boaary
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.
Fa Ianao no nanao ny zavatra rehetra eran’izao tontolo izao, sy nandahatra ny andro mifandimby; nataonao mitovy endrika aminao ny olombelona ary nanankinanao ny zava-mahagaga rehetra, mba ho lefitra atsanganao handidy ny zavatra rehetra noharinao, hitondra ny feon’ny voaary tontolo, hankalaza Anao amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.
Fa Izy no derain’ny tany aman-danitra ary hobin’ny Anjely sy ny Arkanjely tsy mitsahatra manao hoe: Masina, Masina, Masina...
Prefasy: Alahady tsotra VI
Ny antoky ny Paka mandrakizay
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay:
Fa ao aminao no iainanay, ao aminao no ihetsehanay sy misy anay; ary izahay mivahiny eto an-tany dia mahita miharihary ny fitiavanao isan’andro vaky, no sady efa nahazo ny antoky ny mandrakizay. Satria anananay ny santatry ny soa omen’ny Fanahy Masina, dia ilay Fanahy nananganana an’i Jesoa hiala amin’ny fahafatesana; koa manantena izahay fa ho tody soa aman-tsara any amin’ny Paka mandrakizay.
Noho izany, izahay koa mankasitraka Anao ary miaraka amin’ny Anjely mankalaza ny herinao manao hoe: Masina, Masina, Masina...
Prefasy: Alahady tsotra VII
I Kristy nanaiky no nahavonjy antsika
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay.
Satria tianao sy niantranao izao tontolo izao, ka nirahinao ny Mpanavotra anay, Ilay sitrakao ho velona tety an-tany, mitovy aminay amin’ny zavatra rehetra, afa-tsy amin’ny fahotana, mba ho hitanao hotiavina ao aminay izay notiavinao tao amin’ny Zanakao, fa Izy nanaiky Anao no namerenanao aminay ireo fanomezanao, very tamin’ny nanotanay tsy nety nanaiky Anao.
Noho izany, izahay koa, ry Tompo, miaraka amin’ny Anjely sy ny Olomasina rehetra, mankalaza Anao ary faly manao hoe: Masina, Masina, Masina...
Prefasy: Alahady tsotra VIII
Ny Firaisan’ny Trinite Masina no mampiray ny Eglizy
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay:
Satria ireo zanakao nanota, voasazy ho lavitra Anao, dia sitrakao hovorina indray mba hiray aminao, noho ny Ran’ny Zanakao sy ny herin’ny Fanahy Masina; amin’izay, ny vahoaka atambatry ny firaisan’ny Trinite Masina, dia hiharihary fa ilay Eglizy Vatan’i Kristy sy Tempolin’ny Fanahy Masina midera ny fahendrenao niseho tamin’ny fomba maro samihafa.
Izany no iarahanay amin’ny Anjely amin’ny tononkira ataony, ka midera Anao izahay, mihoby manao hoe: Masina, Masina, Masina...
Prefasy: Ny Apôstôly I
Mpiandry ny ondrin’Andriamanitra ny Apôstôly
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay:
Satria tsy ilaozanao ny andian’ondrinao, ry Mpiandry ondry mandrakizay; fa tantananao sy arovanao lalandava amin’ny alalan’ireo Apôstôly masina izay filoha natsanganao hitondra azy, fa mpiandry ondry solon-tenan’ny Zanakao.
Izany no iarahanay amin’ny Anjely sy ny Arkanjely, ny Fiketrahana sy ny Fiandrianana ary ny tafiky ny lanitra tontolo mihira sy mankalaza ny voninahitrao amin’ilay antsa ventesinay lalandava manao hoe: Masina, Masina, Masina...
Prefasy: Ireo nody mandry I
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.
Fa ao aminy no mibaliaka ny fanantenanay hitsangan-ko velona sy ho sambatra; ary ireo mitebiteby eo am-piheverana ny fahafatesana ho lalana tsy maintsy diavina, dia afa-mionona eo ampanantenana ilay tsy fahafatesan-ko avy. Satria, ho an’izay mino Anao, ry Tompo, miofo ny aina fa tsy levona; ary rehefa rava ny fonena-mandalo eto an-tany, dia hisolo fonenana mandrakizay kosa any an-danitra.
Izany no iarahanay amin’ny Anjely sy ny Arkanjely, ny Fiketrahana sy ny Fiandrianana ary ny tafiky ny lanitra tontolo mihira sy mankalaza ny voninahitrao, amin’ilay antsa ventesinay lalandava manao hoe: Masina, Masina, Masina...