ALAHADY FAHA-8 mandavantaona — B
TIA ANDRIAMANITRA KA AOKA HOTIAVINA TANTERAKA
Tononkira fidirana
Sal. 17, 19-20
Mitsangana ho mpiaro ahy ny Tompo; nalany amin’ny mahory aho, nafahany satria tiany!
Asiana VONINAHITRA ANIE...
Fangatahana
Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie izao tontolo izao handry feizay sy hizotra araka ny lahatrao; ary ny Eglizinao ho faly sy hiadana hanompo Anao.
Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.
Fankalazana ny tenin’Andriamanitra
VAKINTENY MASINA VOALOHANY
Bokin’i Osea Mpaminany
Os. 2, 16b. 17b. 21-22
Hofofoiko ho ahy mandrakizay ianao.
Izao no lazain’ny Tompo: Indro Aho hitarika azy sy hitondra azy any an’efitra, ary hiteny aminy ao am-pony; ka any izy hamaly toy ny tamin’ny andron’ny fahatanorany, sy toy ny tamin’ny andro niakarany avy any amin’ny tany Ejipta. Hofofoiko mba ho ahy mandrakizay ianao, hofofoiko ho ahy ianao, amin’ny rariny sy ny hitsiny, ary amin’ny fahasoavana sy ny fitiavana: hofofoiko ho ahy amin’ny fahamarinana ianao, ka hahalala an’Andriamanitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra
Salamo fandinihana
Sal. 102, 1-2. 8 sy 10. 12-13
Fiv.: Mamindra fo sy miantra ny Tompo.
Isaory ny Tompo, ry fanahiko; ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra! Isaory ny Tompo, ry fanahiko; ny soa avy aminy aza misy hadinoina.
Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo, tsy malaky tezitra ary be fitiavana. Tsy araka ny otantsika no ataony antsika, tsy araka ny helotsika no avaliny antsika.
Tahaka ny atsinanana lavitra ny andrefana, ny hadisoantsika halaviriny amintsika. Tahaka ny ray mangoraka ny zanany, no angorahan’ny Tompo an’izay matahotra Azy.
VAKINTENY MASINA FAHAROA
Taratasy faharoan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty
2 Kôr. 3, 1b-6
Ianareo no taratasin’i Kristy nampanoratiny anay.
Ry kristianina havana, moa izahay tahaka ny sasany mila taratasy filazan-tsoa anay na ho any aminareo na avy aty aminareo? Ianareo no taratasinay voasoratra ato am-ponay, sady fantatra sy vakîn’ny olona rehetra. Eny, miseho miharihary fa ianareo no taratasin’i Kristy, nampanoratiny anay, tsy tamin’ny ranomainty, fa tamin’ny Fanahin’Andriamanitra velona; ary tsy tamin’ny takela-bato fisaka, fa tamin’ny takela-nofo kosa, dia ny fonareo izany. Ary Andriamanitra ihany no anananay izao fahasahiana izao, amin’ny alalan’i Kristy. Tsy ny tenanay akory no ampy hahahevitra zavatra toy ny avy amin’ny tenanay; Andriamanitra ihany no iavian’ny fahampianay. Izy ihany koa no maha-ampy anay ho mpandraharaha amin’ny fanekena vaovao, tsy mpandraharaha amin’ny soratra anefa, fa mpandraharaha amin’ny fanahy, satria ny soratra mahafaty, fa ny fanahy no mahavelona.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!
Fihobiana ny Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao amin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka
Mk. 2, 18-22
Mbola eo aminy ny mpampakatra.
Tamin’izany andro izany, dia fanaon’ny mpianatr’i Joany sy ny Farisianina ny mifady hanina, ka nisy nanatona nanao tamin’i Jesoa hoe: “Nahoana ny mpianatr’i Joany sy ny an’ny Farisianina no mifady hanina, nefa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?” Ary hoy i Jesoa taminy: “Moa mahazo mifady ny naman’ny mpampakatra raha mbola ao aminy ny mpampakatra? Raha mbola ao aminy koa ny mpampakatra, dia tsy mahazo mifady izy; fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala ao aminy, ka amin’izany andro izany vao hifady izy. Tsy misy olona manampina akanjo tonta amin’ny tapa-damba vaovao; fa raha izany dia handrovitra ny tonta ny vaovao ka hitatra ny rovitra. Ary tsy misy olona manisy divay vaovao amin’ny siny hoditra tonta; fa raha izany dia ho rovitry ny divay ny siny hoditra, ka ho very foana ny divay mbamin’ny siny hoditra; fa raha divay vaovao dia aoka ho ao anaty siny hoditra vaovao koa”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!
Asiana IZAHO MINO...
Ranombavaky ny mpino
Isika kristianina no tokony hahitan’ny olona ny Endrik’i Kristy sy hitarafany azy; ka hahasarika an’izay mahita antsika sy hambabo ny fony. Koa mangataha amin’Andriamanitra mba hahery fo isika, tsy ho revo amin’izay zava-madinika manahirana ny tena fotsiny; fa hijoro ho vavolombelona manambara ny aina sy ny hafaliana ary ny hery avy amin’i Kristy.
Valy: Avoty aho, ry Tompo, iantrao.
* Fankaherezana lehibe ho an’ny Eveka sy ny Pretra ny miara-miasa amina kristianina manana herim-pon’Apôstôly; koa mangataha amin’Andriamanitra mba hitombo isa hatrany ny kristianina feno finoana sy mpikatroka.
* Adidin’ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra ny mikolokolo ny zaza sy ny tanora ara-pinoana; koa mangataha amin’Andriamanitra mba ho hain’ny mpanabe rehetra ny hitarika an’ireo iadidiany, ho be fitiavana sy hahavita soa.
* Mivavaha ho an’ny tokantrano rehetra, na ny efa miorina na ny mbola hiorina: mba hiredareda fitiavana mandrakariva ny mpivady sy ny mpifamofo, na dia maro aza ny erehina sy ny manahirana.
* Tsy mahita hiainana ny tanora ankehitriny, fa toa tofoka tsy mahatakatra izay antony maha-eto an-tany azy; koa mangataha amin’Andriamanitra mba ho tojo an’i Kristy izy hamelona ny fanantenany.
* Indraindray endrika malahelo sy mijaly, mifanohitra amin’ny Evanjely no hitan’ny olona amintsika kristianina; koa mangataha amin’Andriamanitra mba ho ny hafaliana sy ny fiadanana avy amin’i Kristy no ho hitan’ny olona amin’ny mpino rehetra.
— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.
Ry Jesoa Tompo ô, ny niarahanao tamin’ny Apôstôly dia tena nahasambatra azy tokoa; koa mba ataovy hainay koa ankehitriny ny mitondra hafaliana sy mizara hasambarana amin’ny olona rehetra, hahitana fa mbola ety aminay Ianao, Ilay velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay.
Amen.
Vavaka Fanolorana
Andriamanitra ô, tolotra avy aminao no nasainao enti-manaja ny Anaranao, ka mitalaho aminao mora fo izahay: enga anie ny Sakramenta nataonao hahitanay sitraka eo anatrehanao, mba hahazoanay ny valisoa mandrakizay.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.
Prefasy: Alahady tsotra VIII, ohatra.
Kômonio
Sal. 12, 6
Miantsa ny Tompo aho noho ny soa nataony tamiko, ary mankalaza ny Anaran’ny Tompo Ave indrindra.
na hoe:
Mt. 28, 20
Indro Aho eo aminareo mandrakariva, hoy ny Tompo, ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.
Vavaka aorian’ny Kômonio
Feno ny fanomezanao mahavonjy izahay, ry Tompo, no mitalaho aminao be indrafo: enga anie ny Sakramenta amelomanao anay ankehitriny, hahamendrika anay handray anjara amin’ny fiainana mandrakizay.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.