VAVAKA HO FANAMBARANA OLOSAMBATRA AN’I LUCIEN BOTOVASAO NO SADY FANGATAHANA FAHASOAVANA
Nampiditra : Saolala Daty : 27/01/2015
Ry Andriamanitra Rainay ô, Ravo izahay Oloraiky fa nampahafantarinao
ny fitiavanao tamin'y alalan'i Jesoa Zanakao.
Entanin`ny Fanahinao Masina Izahay ka mitalaho Aminao :
Vonjeo izahay vahoakanao ka mba ho sitrakao ny hampibaribary ny voninahitrao amin`ny fanambarana ny Mpanomponao
Lucien Botovasoa ho anisan`ireo Olontsambatra.
Nasehony tamin'ny fiainany feno fanetren-tena ny fitiavany an`i Jesoa hajaina ao amin`ny Eokaristia Masina sy amin`ireo mahantra nifanena taminy isan`andro.
Tsy nisaraka tamin' izany koa ny fanajany lalina an`i Masina Maria.
Mahatalanjona ny fitiavany ny Fiangonana sy ny Sekoly Katolika
Ohatra velona ho an`ny rehetra izy amin'ny fanajana lalina
ny fiainam-pianakaviana sy ny fivelomana ny toe-panahin`ireo fikambanana masina nisy azy.
Mahavariana ny fifikirany tamin'ny finoana ka nahatonga azy nanolotra ny ainy ho famonjena ny maro.
Mila azy ho Mpiaro sy ho fakan-tahaka izahay Oloraiky.
Koa ampibaribario ny sitraponao ,Ry Ray.
Mba omeo anay, noho ny vavaka ataony izao fangatahana aminao izao:......
fangatahana aminao izao:...... (oh : ny fahasalamako)............
Matoky Anao izahay,Ry Ray satria Andriamanittra Fitiavana sy be famindrampo
Ianao ary mahefa ny zavatra rehetra.
Amin`ny alalan`i Kristy Zokinay sady Tomponay no angatahanay izany Amena
katolika aho. fa mahagaga ahy ny ilatsika katolika olona hafa ho panelanelana @Andriamanitra nefa dia mazava ny baiboly hoe "izaho no lalana sy fahamarinana" hoy i kristy, ary hoy ny apostoly "tsy misy anarana hafa ambany ny lanitra hahazahoana famonjena afa-tsy ny anaran'i Jesoa"
Tokona ny Mpanelanelana (médiateur) dia i Kristy nefa amin’ny Fianakaviana ny Eglizy dia miara-mivavaka amintsika ny olomasina amin’ny fangatahana fahasoavana. Tsy Mpanelanelana fa mpivavaka tahaka antsika. Noho izany tsy mivavaka aminy isika izany hoe atao mpanelanelana tsy amin’ny alalany na oviana na oviana fa amin’ny alalan’i Kristy irery ihany ny vavaka asandratra ataontsika. Fa ny fiombonana amin’ny Olomasina (jereo ny Credo) dia miaraka mivavaka amintsika ireo Olomasina. Mivavaka ho antsika Izy ireo manomboka amin’i Masina Maria....