Vavaka fisaorana faha-8

Amin’ny fampihavanana na fivoriam-be (1)

(Fanandramana)


Prefasy:

Tena mendrika sy rariny tokoa ny hisaoranay Anao, ry Andriamanitra masina, noho Ianao tsy mitsahatra miantso anay hanaraka toe-piainana tsara kokoa hatrany. Fa Andriamanitra be fiantra sy be indrafo Ianao, ka tsy sasatra ny mamela heoka, ary miantso ny olombelona mpanota tsy hiantehitra afa-tsy amin’ny hatsaram-ponao.

Tsy satrinao ho rava fihavanana aminao izahay, fa amin’ny alalan’i Jesoa Zanakao Mpamonjy anay, dia vao mainka Ianao nanao fehim-pihavanana tamin’ny olombelona, ary fehim-pihavanana mafy tsy voavahan’inoninona intsony.

Izao no fotoana ahazoanay vahoakanao androm-pahasoavana sy fampihavanana ao amin’i Kristy, ka anomezanao anay ny fahasoavana hitodika any aminao mba ho heni-kavelomana, ary ny fahasoavana hanolo-tena hotarihin’ny Fanahy Masina mba hanompo ny olombelona rehetra.

Koa talanjona sy velom-pankasitrahana izahay maniry hanakambana ny feonay amin’ireo feo any an-danitra, hihoby ny herin’ny fitiavanao, sy hanambara ny hafalianay nahazo ny famonjena ao amin’i Kristy, manao hoe:

Masina, Masina, Masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra. Feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra. Hôzàna any amin’ ny avo indrindra! Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ ny Tompo. Hôzàna any amin’ ny avo indrindra!


Ianao, hatrany am-piandohana, no nanao izay hahasoa hahatsara ny taranak’olombelona, mba hahatonga azy ho masina, hanahaka ny fahamasinanao.


Atsotran’ny Pretra eo ambonin’ny mofo sy ny divay ny tanany roa:

Koa jereo ity vahoaka tafangona eto, ary mba arotsahy ny herin’ny Fanahinao hahatonga ireto fanatitra ireto hahasoa anay, ho tonga Vatana aman-dRan’i Jesoa Kristy ilay Zanakao malalanao, fa ao aminy no anangananao anay ho zanakao.

Efa saika very izahay, tsy afaka nanatona Anao, no nampisehoanao fara fitiavana: ka ny Zanakao, Ilay hany marina dia nanolo-Tena teo an-tananay ary nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana. Fa Izy nanampatra ny tanany teo anelanelan’ny tany sy ny lanitra no famantarana tsy maty vonoina manambara ny fanekem-pihavanana avy aminao.

Ary talohan’izay, dia tiany ny hankalaza ny Paka teo anivon’ireo mpianany. Ka raha mbola teo am-pihinanana Izy, dia nandray mofo, sy nanao ny fisaorana mba hankasitrahany Anao, ary nizara azy, sy nanome azy an’ireo notiaviny, nanao hoe:

SAMIA MANDRAY SY MIHINANA AMIN’ITY IANAREO, FA VATAKO ITY HATOLOTRA HO ANAREO.


Teo amin’ny faran’ny sakafo, satria fantany fa hampihavana an’izao rehetra izao aminy amin’ny alalan’ny Rany eo amin’ny Hazofijaliana Izy, dia nandray kalisy nisy divay, nisaotra Anao indray, sy nanome azy an’ireo notiaviny, nanao hoe:

SAMIA MANDRAY SY MISOTRO AMIN’ITY IANAREO, FA KALISY MISY NY RAKO ITY, RA IORENAN’NY FANEKEM-PIHAVANANA VAOVAO SADY MANDRAKIZAY, HALATSAKA HO ANAREO SY HO AN’NY BE SY NY MARO HO FAMELANA NY FAHOTANA. ATAOVY IZAO HO FAHATSIAROVANA AHY.


I. Lalina sy mahagaga ny ataon’Andriamanitra ho antsika!

V. Manambara ny nahafatesanao izahay, ry Tompo, mankalaza ny nitsangananao, miandry ny hiavianao amim-boninahitra!


na

II. Iray vatsy, iray aina ao amin’i Kristy isika!

V. Isaiky ny mihinana izao mofo izao izahay sy misotro amin’izao kalisy izao, dia manambara ny nahafatesanao, ry Tompo, miandry ny hiavianao amim-boninahitra!


na

III. Mandrakizay ny hatsaram-pon’ny Tompo!

V. - Vonjeo izahay, ry Mpamonjy an’izao tontolo izao, fa nanafaka anay Ianao nijaly teo amin’ny Hazofijaliana sy nitsanganko velona!

Eny, mahatsiaro an’i Kristy ilay Paka ho anay sy tena fiadanana ho anay izahay, mankalaza Azy maty sy nitsangana ho velona, ary miantso ilay andro tsara sady soa izay hiaviany hahasambatra anay, dia manolotra Anao, ry Andriamanitra tsy mivadika ary azo itokiana, ilay fanatitra mamitrana ny fihavanan’ny olombelona aminao.

Mba jereo amim-pitiavana, ry Ray tsara fo, izahay notarihinao hanketo aminao, ary nekenao hiombona anj ara amin’ny Sorona tokan’i Kristy: enga anie izahay rehetra, ampian’ny herin’ny Fanahy Masina, ho tonga Vatan’ilay Zanakao tafatsangana ho velona, tsy misy fizarazarana intsony, fa ao aminy no misy ny firaisana tanteraka.

Koa izahay rehetra mba ampiraiso fo amam-panahy amin’ny ray aman-dreninay ny Papa... sy ny Evekanay... Ampio izahay rehetra hanomana ny hiavian’ny Fanjakanao, eto am-piandrasana ilay andro hahatongavanay eo anilanao, ho masina eo anivon’ny Olomasina any an-danitra, eo akaikin’i Maria Virjiny sy ny Apôstôly, ary ho tafahaona amin’ireo havanay efa nody mandry... izay ankininay indrindra aminao ankehitriny, fa be indrafo Ianao.

Amin’izay izahay, eo anivon’ny voaary vaovao, tsy ho tratry ny fahalòvana, dia ho afaka hihira sy hihoby ny fisaoran’i Kristy Ilay velona mandrakizay.

Fa amin’ny alalany, sy miaraka aminy, ary ao aminy, ry Andriamanitra Ray mahefa ny zavatra rehetra, dia Anao avokoa, ao amin’ny Fanahy Masina, ny haja amam-boninahitra amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.



Vavaka fisaorana faha-9

Amin’ny fampihavanana (2)

(Fanandramana)


Prefasy:

Ry Andriamanitra Rainay ô, misaotra Anao izahay sy mankasitraka Anao, amin’ny alalan’i Jesoa ilay Kristy sady Tompo, noho ny asanao vokatry ny fitiavanao eo amin’izao tontolo izao.

Eto aminay taranak’olombelona, rotidrotika fa misara-bazana, dia fantatray ary ambaranay fa tsy mitsahatra miasa Ianao, ary Ianao no ipoiran’ ny ezaka rehetra hampijoro fandriam-pahalemana.

Ny Fanahinao koa miasa amin’ny fon’ny olombelona: ka ny mpifahavalo mifandray resaka, ny mpifankahala mifandray tanana, ny vahoaka nifandrafy manaiky hiara-dalana.

Matoa ny hetahetam-pihavanana mandresy tosika ny ady, matoa ny famelana mahafoana valifaty, matoa ny fitiavana mandresy fialonana, dia noho ny asanao sy ny fitahianao.

Noho izany, adidinay mandrakariva ny misaotra Anao sy mankasitraka Anao, ka mampiray ny feonay ety an-tany amin’ireo feo miara-miredona mihira sy midera Anao any an-danitra izahay, manao hoe:

Masina, Masina, Masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra. Feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra. Hôzàna any amin’ny avo indrindra! Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ ny Tompo. Hôzàna any amin’ny avo indrindra!


Ry Andriamanitry ny tany aman-danitra ô, misaotra Anao izahay noho ny amin’i Jesoa Zanakao tonga teto amin’izao tontolo izao amin’ny Anaranao: fa Izy no Teninao tonga nofo hamonjy ny olombelona, Izy no tanana anavotana ny mpanota, Izy no lalana iavian’ny fiadanana marina ety aminay.

Fony mbola lavitra Anao izahay, ry Andriamanitra Rainay, dia Izy no namerenanao anay diso lalana: Izy ilay Zanakao naterakao no natolotrao teo am-pelatanan’ny olombelona, ka noho ny fahafatesany no nahatonga anay ho tsara fihavanana aminao sy amin’ny olombelona namanay.

Mankasitraka sy mankatelina Anao izahay, ka indreto mivory mankalaza ny sakramenta fampihavanana azonay tamin’ny alalany.


Atsotran’ny Pretra eo ambonin’ny mofo sy ny divay ny tanany roa:

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Ray: mba hamasino ireto fanatitra ireto noho ny herin’ ny Fanahinao, fa tanterahinay ankehitriny izay nasain’i Jesoa nataonay.

Fa teo amin’ny sakafo niarahany nihinana tamin’ny mpianany, talohan’ny hanolorany Tena taminao, hanavotany anay, dia noraisiny ny mofo, nisaorany Anao, nozarazarainy sy nomeny ny mpianany, nataony hoe:

SAMIA MANDRAY SY MIHINANA AMIN’ITY IANAREO, FA VATAKO ITY, HATOLOTRA HO ANAREO.


Toy izany koa tamin’io alina io, dia noraisiny teo an-tanany ny kalisy fisaorana, nisaorany Anao be indrafo, ary nomeny ny mpianany, nataony hoe:

SAMIA MANDRAY SY MISOTRO AMIN’ITY IANAREO, FA KALISY MISY NY RAKO ITY, RA IORENAN’NY FANEKEM-PIHAVANANA VAOVAO SADY MANDRAKIZAY, HALATSAKA HO ANAREO SY HO AN’NY BE SY NY MARO HO FAMELANA NY FAHOTANA. ATAOVY IZAO HO FAHATSIAROVANA AHY.


I. Lalina sy mahagaga ny ataon’Andriamanitra ho antsika,

V. Manambara ny nahafatesanao izahay, ry Tompo, mankalaza ny nitsangananao, miandry ny hiavianao amim-boninahitra!


na


II. Iray vatsy, iray aina ao amin’i Kristy isika!

V. Isaky ny mihinana izao mofo izao izahay sy misotro amin’izao kalisy izao, dia manambara ny nahafatesanao, ry Tompo, miandry ny hiavianao amim-boninahitra!


na


III. Mandrakizay ny hatsaram-pon’ny Tompo!

V. Vonjeo izahay, ry Mpamonjy an’izao tontolo izao, fa nanafaka anay Ianao nijaly teo amin’ny Hazofijaliana sy nitsangan-ko velona!

Ry Ray tsara fo indrindra ô, navelan’ny Zanakao ho an’ny Fiangonana izany orimbaton’ny fitiavany izany, ka eto am-pahatsiarovana Azy maty sy nitsangan-ko velona, dia atolotray Anao izao fanomezana avy aminao izao, dia ilay Sorona mamitrana ny fihavanana aminao: koa mba raiso izahay miaraka amin’ny Zanakao malalanao.

Mba omeo anay amin’izao sakafo izao ny Fanahy Masina: hamongotra izay mampisara-bazana, mba hampifankatia anay marina tokoa, miaraka amin’ny ray aman-dreninay R..., sy ny Evekanay R..., ny Eveka rehetra miara-mitondra ny Fiangonana, ary ny vahoakanao manontolo...

Enga anie ny Fiangonanao eo anivon’izao tontolo izao mba hataonao famantarana hampiharihary ny firaisana, sy ho mpanompo hitandro ny fandriam-pahalemana.

Ary enga anie ho toy ny anangonanao anay eto, miray fo amin’i Masina Maria Virjiny Renin’Andriamamtra, sy amin’ny Olomasina rehetra any an-danitra, ary miara-misakafo eto amin’ny fanasan’i Kristy, no mba hanangonanao ny olombelona indray andro any, olona avy amin’ny firenena rehetra sy ny samy hafa fiteny, olona avy amin’ny foko isan-karazany sy ny samy hafa fomba amam-panao, eo amin’ny fanasana any amin’ny Fanjakanao. Amin’izay izahay dia ho afaka hankalaza ny firaisana tanteraka sy ny fiadanana lavorary, amin’ny alalan’i Jesoa ilay Kristy sady Tomponay.

Fa amin’ny alalany, sy miaraka aminy, ary ao aminy, ry Andriamanitra Ray mahefa ny zavatra rehetra, dia Anao avokoa, ao amin’ny Fanahy Masina, ny haja amam-boninahitra amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.




           Contents