ALAHADY FAHA-9 mandavantaona — D
NY OLOMBELONA SY NY SABATA
Tononkira fidirana
Sal. 24, 16. 18
Mba todiho aho, ry Tompo, iantrao fa honjohonjoko izaho irery mahantra. Andriamanitra ô, zahao ny fahoriako sy ny fijaliako, avelao ny otako rehetra.
Asiana VONINAHITRA ANIE...
Fangatahana
Andriamanitra ô, milamina aoka izany ny fitantananao ny zavatra rehetra, ka mitalaho aminao re izahay: mba halaviro izay mety hanimba, omeo kosa izay mety hahasoa.
Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
VAKINTENY MASINA VOALOHANY
Boky voalohan’ny Mpanjaka
1 Mpanj. 8, 41-43
Araka izay rehetra hangatahin’ny vahiny aminao no aoka hataonao aminy.
Tamin’izany andro izany i Salômôna dia nivavaka tamin’Andriamanitra nanao hoe: “Ny amin’ny vahiny, izay tsy isan’i Israely vahoakanao fa avy any an-tany lavitra, noho ny amin’ny Anaranao, fa ho ren’ny olona ny Anaranao be voninahitra sy ny tananao mahery ary ny sandrinao mihenjana, ka ho avy hivavaka eto amin’ity trano ity izy, dia mihainoa any an-danitra any amin’ny fitoeran’ny fonenanao, ka araka izay rehetra hangatahin’ny vahiny aminao no aoka hataonao aminy, mba ho fantatry ny olona rehetra amin’ny tany ny Anaranao, ka hatahorany Anao, tahaka an’i Israely vahoakanao, ary hahalalany fa antsoina amin’ity trano nataoko ity ny Anaranao”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!
Salamo fanclinihana
Sal. 116, 1-2
Fiv.: Miderà miderà an’i Iaveh, miderà
Derao ny Tompo, ry firenen-drehetra; ry foko rehetra, hobio Izy:
Fa ny fitiavany anay tsy mba lefy, ary mandrakizay ny fahamarinany.
VAKINTENY MASINA FAHAROA
Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Galasia
Gal. 1, 1-2. 6-10
Raha mbola mila sitraka amin’olombelona koa aho, dia tsy mpanompon’i Kristy akory.
Izaho Paoly Apôstôly, tsy avy amin’olombelona, na avy amin’ny alalan’olombelona, fa avy amin’i Jesoa Kristy sy Andriamanitra Ray Izay nanangana azy avy any amin’ny maty, mbamin’ny rahalahy rehetra izay ato amiko, dia mamangy ny Eglizy rehetra aty Galasia. Gaga aho raha dia mivadika faingana toy izao ianareo, ka ilay niantso anareo ho amin’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy dia ialanareo hanatona Evanjely hafa indray. Tsy dia hoe misy Evanjely hafa akory anie, fa ny Evanjelin’i Kristy ihany no tadiavin’ny sasany hovana, mba hampitabataba anareo fotsiny! Fa na ny tenanay, na Anjely avy any an-danitra aza, ka mitory Evanjely hafa noho izay efa notorinay taminareo, dia aoka ho voaozona izy. Efa voalazanay taloha izany, sady mbola averiko indray ankehitriny, fa raha misy olona mitory aminareo Evanjely hafa noho izay noraisinareo, dia aoka ho voaozona izy. Ary ankehitriny, olombelona ve no ilàko sitraka sa Andriamanitra? Moa ny hamalifaly ny olombelona va no kendreko? Raha mbola mila sitraka amin’olombelona koa aho, dia tsy mpanompon’i Kristy akory.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!
Fihobiana ny Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka
Lk. 7, 1-10
Lazaiko marina aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin’i Israely aza.
Tamin’izany andro izany, rehefa tapitra nampandre ny vahoaka ny toriteniny i Jesoa, dia niditra tao Kafarnaôma. Ary nisy kapiteny anankiray nanana ankizy lahy tiany tokoa, narary efa ho faty. Nony nahare ny amin’i Jesoa ilay kapiteny, dia naniraka loholon’ny Jody ho any aminy, mba hangataka Azy ho avy hanasitrana ilay ankizy lahiny. Ary rehefa tonga tany amin’i Jesoa izy ireo, dia nangataka mafy taminy ka nanao hoe: “Mendrika hanaovanao izany izy, fa sady tia ny firenentsika no nanao ny sinagôgantsika aza”. Dia niara-nandeha tamin’izy ireo i Jesoa. Fa nony mby teo akaikin’ny trano Izy, dia nampaniraka ny sasantsasany tamin’ny sakaizany ilay kapiteny hilaza aminy hoe: “Tompo ô, aza dia misahirana toy izao re, fa tsy mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafontranoko akory aho; ary na dia ny tenako aza dia noheveriko ho tsy mendrika hanatona Anao akory, fa manonòna teny iray monja, dia ho sitrana ny ankiziko. Fa izaho olona manan-dehibe mba mifehy miaramila koa, ka ny anankiray ilazako hoe: Mandehana, dia mandeha; ny anankiray ataoko hoe: Avia, dia avy; ary ny mpanompoko koa hoe: Ataovy izany, dia manao izy”. Gaga i Jesoa nony nandre izany, ka nitodika ny vahoaka nanaraka Azy nanao hoe: “Lazaiko marina aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany aho, na dia tamin’i Israely aza”. Ary nony tafaverina tao an-tranon’ilay kapiteny ireo iraka, dia nahita fa sitrana ilay ankizy lahy narary.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!
Asiana IZAHO MINO...
Ranombavaky ny mpino
Ry kristianina havana, henontsika teo i Salômôna nanambara mialoha fa ny Tempoly naoriny ho an’Andriamanitra, dia tsy hivavahan’ny vahoaka Jody ihany, fa ho an’ny vahiny hafa firenena rehetra koa. Henontsika teo koa i Jesoa midera ny finoan’ilay manamboninahitra rômanina, tsy Jody velively. Koa mangataha amin’i Jesoa mba hitatra amin’ny olombelona rehetra ny Fanjakany.
Valy: Ianao, ry Tompo, no Mpamelona anay sy mpamonjy anay.
* Enga anie ny toetran’ny kristianina eo amin’izao tontolo izao mba hahatarika ny olona rehetra hanatona an’Andriamanitra marina, mba hahasambatra azy ao amin’i Kristy.
* Mivavaha ho an’ny mpitondra vahoaka eran-tany mba hanatona an’i Kristy tahaka ilay manamboninahitra rômanina, hahazoany ny soa tena iriny ho an’ireo olona iadidiany.
* Ireo rehetra mijaly, marary, afoin’ny olona na manirery na any am-ponja na lavitra tanindrazana, na lavin-kavana, harivariva an-tanin’olona, mba angataho hahita antsika hizara hasambarana aminy, sy hanatona azy ho tena namany tokoa.
* Isika kristianina iray Fiangonana, mivavaha mba hahay handray vahiny sy handeha hanatona an’izay mijaly, mba ho tena namany marina tokoa.
— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.
Ry Jesoa Tompo ô, ny olona rehetra no tianao homena ny famonjena, ary namafazanao soa izay rehetra nolalovanao; koa ampio izahay tsy hifidy olon-kosoavina, ary hahatarika ny olona rehetra ho ato amin’ny Fanjakanao.
Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.
Vavaka Fanolorana
Tompo ô, matoky ny fitiavanao izahay miara-midodododo mitondra fanatitra eto amin’ny ôtelinao: ka handio anay anie ny fahasoavanao sy ny fanatitra entinay manompo Anao.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.
Prefasy: Alahady tsotra VIII, ohatra.
Kômonio
Sal. 16, 6
Miantsa Anao aho, satria mihaino ahy Ianao, ry Andriamanitra; anongilano sofina aho, ka henoy teny.
na hoe:
Mt. 11, 23-24
Lazaiko marina aminareo, hoy ny Tompo, fa na inona na inona angatahinareo amin’ny fivavahana, minoa fa ho azonareo izany, dia ho tanteraka tokoa.
Vavaka aorian’ny Kômonio
Enga anie, ry Tompo, hotarihin’ny Fanahinao Masina izahay, fa efa nofahananao tamin’ny Vatana aman-dRan’ny Zanakao, ka hidera Anao tsy am-bava fotsiny fa amin’ny asa sy ny toetra, ary ho mendrika hiditra any amin’ny Fanjakan’ny lanitra.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.