ALAHADY FAHA-33 mandavantaona — D

HO AVY NY FARANDRO ARY HOTSARAIN’ANDRIAMANITRA ISIKA

Tononkira fidirana

Jer. 29, 11. 12. 14

Ny hevitro, hoy ny Tompo, dia hevitra hampiadana fa tsy hampahory. Hiantso Ahy ianareo, ary hihaino anareo Aho: hampodiko avy any amin’ny tany rehetra ny babo aminareo.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Ho faly manompo Anao mandrakariva anie izahay, ry Tompo Andriamanitra, fa mandrakizay sady feno ny hasambarana nomaninao ho anay, raha maharitra manompo Anao fototra iavian’ny soa rehetra izahay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Malakia Mpaminany

Mal. 3, 19-20a

Hiposaka aminareo ny masoandron’ny fahamarinana.

Indro avy ny andro, mivaivay toy ny memy. Ny mpiavonavona rehetra, sy ny mpanao ratsy rehetra, dia ho mololo, ary ny andro izay ho avy no handoro azy, hoy ny Tompon’ny tafika, ka tsy hasiany miangana na ny fotony na ny rantsany. Fa ianareo kosa, izay matahotra ny Anarako, dia hiposahan’ny masoandron’ny fahamarinana, ka ho ao amin’ny tana-masoandrony ny fanasitranana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 97, 5-6. 7-8. 9.


Fv.: Tamy ny Tompo hitsara ny vahoaka rehetra araka ny hitsiny.

Miantsà ny Tompo amim-baliha, amim-baliha sy hira fiantsàna, amin’antsiva sy feon’anjomara mihobia eo anoloan’ny Tompo Mpanjaka!
Mifalia ny riaka sy izay mameno azy, izao rehetra izao sy ny mponina ao aminy; ny ony aoka hitehaka tanana, ny vohitra miaraha manakora.
Mba hitsena ny Tompo izay tamy, izay tamy mba hitsara ny tany, hitsara ny tontolo araka ny rariny, hitsara ireo vahoaka araka ny hitsiny.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy faharoan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika

2 Tes. 3, 7-12


Raha misy tsy miasa, aoka koa izy tsy hihinana.

Ry kristianina havana, efa fantatrareo izay tokony hataonareo mba hakàn-tahaka anay, fa tsy mba nanao izay tsy marina teo aminareo izahay. Tsy mba nihina-mofon’olona maimaim-poana izahay, fa niasa andro aman’alina, ka sasatra sy trotraka ery, mba tsy hahavaky tratra na dia ny iray akory taminareo aza; tsy noho izahay tsy manam-pahefana anefa, fa noho izahay te hanolo-tena ho fakàn-tahaka ho anareo. Fony mbola tany aminareo ihany izahay dia efa nandidy anareo hoe: “Raha misy tsy mety miasa, dia aoka koa izy tsy hihinana”. Renay anefa fa ny sasany aminareo dia tsy mahay miaina, sady tsy miasa fa manaonao foana. Mandidy sy mananatra izany olona izany ao amin’i Jesoa Kristy Tompo izahay, mba hiasa amim-piadanana, ka hihinana ny valin’ny asany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Miambena ary mivavaha mandrakariva mba ho mendrika hitsangana hiseho eo anatrehan’ny Zanak’olona ianareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 21, 5-19

Ny faharetanareo no hamonjenareo ny tenanareo.

Tamin’izany andro izany, nisy nilaza ny Tempoly ho voaravaka vato tsara sy fanatitra sarobidy, fa hoy i Jesoa: “Ho avy ny andro handravana ireo zavatra rehetra hitanareo ireo, ka tsy havela hisy vato mifanongoa eo izay tsy horavana”. Dia nanontany Azy izy ireo nanao hoe: “Ry Mpampianatra, rahoviana no ho tonga izany, ary inona no famantarana hahalalana fa efa akaiky izany?” Dia hoy i Jesoa hoe: “Tandremo sao voafitaka ianareo, fa maro no ho avy hisandoka ny Anarako hanao hoe: ‘Izaho no izy‘ ary ‘efa akaiky ny andro‘, ka aza manaraka azy. Ary raha mandre ady sy fikomiana ianareo, aza taitra: fa tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa mbola tsy ho tonga miaraka amin’izay akory ny farany”. Dia hoy koa Izy tamin’izy ireo: “Hisy firenena hitsangana hiady amin’ny firenena, sy fanjakana hiady amin’ny fanjakana; hisy horohoron-tany mafy sy areti-mandringana ary mosary amin’ny tany samihafa; eny an-danitra koa, dia hisy fisehoana mahatahotra sy famantarana lehibe. Fa alohan’izany rehetra izany ianareo, dia hosamborina, hoenjehina, hoentina any amin’ny sinagôga sy any an-tranomaizina, ary hatolotra amin’ny mpanjaka sy ny mpitondra noho ny Anarako. Izany no ho tonga aminareo, dia mba ho vavolombeloko ianareo.

Koa alatsaho ao am-ponareo ny mba tsy hihevitra mialoha izay havalinareo akory; fa Izaho ihany no hanome vava anareo, sy fahendrena tsy ho azon’ny fahavalonareo toherina na lavina velively. Na ny ray aman-dreny sy ny rahalahinareo aza, mbamin’ny havana aman-tsakaizanareo dia hanolotra anareo koa, ka hovonoiny ny maro aminareo, ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako; nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray amin’ny lohanareo aza. Ny faharetanareo no hamonjenareo ny tenanareo”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, mbola hifarana ny tantaran’izao tontolo izao, indray andro any, hanjakan’i Kristy mandrakizay amin’ny olona rehetra. Koa angataho amin’Andriamanitra, mba ho izany andro lehibe haharitra mandrakizay izany no ho tanjona handrandrain’ny fontsika.

Valy: Tsy ho very mandeha izay rehetra mifefy aminao.

* Mangataha amin’Andriamanitra mba ho hain’ny Eglizy ny manomana ny olona amin’ny farandro, ary mba ho voaangony hanomboka fiainam-baovao mahasambatra mandrakizay, ireo miezaka sy miasa isan’andro amin’ny fo tsotra sy saina madio.
* Mivavaha ho an’ireo mpitondra ara-nofo hahatsiarovany fa fanahy sy vatana nataon’Andriamanitra ho any amin’ny fahamasinana mandrakizay ny olona, ka tsy hataony manakana ny ara-panahy ny fikarakarany ny fampivoarana ny ara-nofo.
* Mivavaha ho an’ireo enjehina sy ampijaliana, noho ny finoana ifikirany; ka enga anie Andriamanitra hankasitraka ny fijaliana iaretany sy hankahery azy.
* Mivavaha ho an’ireo nandao ny akaniny sy nandao ny havana aman-tsakaizany, na afoin’ny fianakaviany sy ireo voasesi-tany ary ireo nilaozan’ny namany; ka Andriamanitra anie hanafaka alahelo an’ireo saraka azy sy hanolotra mpamonjy ho tia azy.
* Didy sy lahatra avy amin’Andriamanitra ny miasa mba hameloman-tena sy hanasoavana ny namana: koa mivavaha mba hahita asa ireo tsy manana antom-pivelomana, ary mba hiova ireo tsy manaja ny asany, satria fanompoana an’Andriamanitra sy fanomanana ny lanitra koa ny miasa.


— Aza ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Tompo ô, indray andro any, dia hifarana izao tontolo izao, ka hovorînao ao amin’ny Fanjakanao mandrakizay izahay. Koa ampianaro hanomana an’izany dieny izao ny fonay sy ny herinay, ka mba hiantsoanay koa ny olombelona rehetra havanay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie izao Sorona atolotray eo anatrehanao Avo indrindra izao hahafahanay miraiki-po aminao ary hahatongavanay any amin’ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady V, ohatra.


Kômonio

Sal. 72, 28

Ny ahy ny hasambarako dia eo anilan’Andriamanitra. Ny Tompo no ataoko fifefena.


na hoe:

Mk. 11, 23-24

Lazaiko marina aminareo, hoy ny Tompo, fa na inona na inona angatahinareo amin’ny fivavahana, minoa fa ho azonareo izany, dia ho tanteraka tokoa.


Vavaka aorian’ny Komonio

Nandray ny fanomezana avy amin’ny Sorona masina izahay, ry Tompo, no mihanta aminao: enga anie ny Sorona nasain’ny Zanakao atao ho fahatsiarovana Azy, hampitombo ny fitiavanay Anao.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


<<Previous           Contents           Next>>