ALAHADY VOALOHANY – Taona D KAREMY

KAREMY: FAHAFOIZANA HO AN’ANDRIAMANITRA

Lokon’akanjo: volomparasy

Tononkira fidirana

Sal. 90, 15-16

Hoy Andriamanitra hoe: Hiantso Ahy izy ary hohenoiko, hombako amin’ny androm-pahoriana, hafahako, homeko voninahitra, hovokisako andro sesehena.


Fangatahana

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, manaraka ny fomba masina amin’ny Karemy isan-taona izahay, ka enga anie hitombo fahalalana ny harena miafina ao amin’i Kristy ary hampiasa ny vokatr’izany amin’ny toe-piainana mendrika.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka ... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Deterônômy

Det. 20, 4-10

“Niaiky ny finoany ilay vohoaka voafidy”.

Hoy i Môizy tamin’ny vahoaka: Horaisin’ny mpisorona ny sobika eny an-tananao, ka hapetrany eo anoloan’ny ôtelin’ny Tompo Andriamanitrao.

Ary hiteny eo anatrehan’ny Tompo Andriamanitrao ianao ka hanao hoe: Ny raiko dia Arameanina efa saika maty; nidina nankany Ejipta izy, nomban’olom-bitsy dia zary mpivahiny tany; tao izy no tonga firenena lehibe sy mahery ary maro. Mafy ny nitondran’ny Ejipsianina antsika, fa sady nampahory antsika izy, no nampanao fanompoana mavesatra antsika.

Koa nitaraina tamin’ny Tompo Andriamanitry ny razantsika isika, dia nohenoin’ny Tompo ny feontsika, nojereny ny fijaliantsika, sy ny fahantrantsika ary ny fampahoriana antsika, ka tanana mahery, sandry ahinjitra, fangorohoroana lehibe ary famantarana amam-pahagagana, no namoahan’ny Tompo antsika avy tany Ejipta. Nitondra antsika ho amin’ity toerana ity Izy, ary nanome antsika an’ity tany ity, dia tany tondra-dronono sy tantely. Koa ankehitriny, ry Tompo, inty aho mitondra ny santatry ny vokatry ny tany efa nomenao ahy. Dia hapetrakao eo anoloan’ny Tompo Andriamanitrao izany, ka hiankohoka eo anatrehan’ny Tompo Andriamanitrao ianao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 90, 1-2. 10-11. 12-13. 14-15


Fiv. . Ombao aho, ry Tompo, amin’ny androm-pahoriako.

Monina ao amin’ny efitry ny Avo sy mitoetra amin’ny alok’ilay Mahery ny olona manao hoe: «Ny Tompo no mandako, Andriamanitro, aroko sy tokiko!»
Ny anao, ny Tompo no ifefena, ilay Avo no ialofana: koa tsy tratran’ny antambo ny tena, tsy akekezin’ny loza ny fonenana.
Ny Anjeliny nomeny baiko ny aminao hiaro amin’ny lalana rehetra: ka ireo dia hitrotro, ndrao ny tongotra tafintohina; ny bibidia, ny menarana diavina; ny vanto-diona sy dragona itsahina.
Miraikitra amiko izy, ka vonjeko; mahalala ny Anarako, dia arovako: raha miantso, valiako; raha ory, tsy ilaozako. Eny, izaho manafaka azy, mandray amin’ny fanasàko.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 10, 8-13


Raha mino an’i Kristy ho Tompo ianao dia ho voavonjy.

Ry kristianina havana: hoy ny voalazan’ny Soratra Masina: Eo akaikinao ny Teniny fa eo am-bavanao sy ao am-ponao, dia ny teny finoana izay torînay. Ka raha manaiky amin’ny vavanao ianao fa i Jesoa no Tompo, sy mino amin’ny fonao fa Andriamanitra nanangana Azy ho velona, dia ho voavonjy ianao. Satria ny finoana amin’ny fo no ahazoana fahamarinana; ary ny fanekena amin’ny vava no ahazoana famonjena, araka ny tenin’ny Soratra Masina hoe: Izay mino Azy tsy mba ho menatra. Tsy misy hafa na Jody na Jentily; satria ny Tompo iray no iombonan’izy rehetra, manan-karena ho an’izay rehetra miantso Azy; fa izay rehetra hiantso ny Anaran’ny Tompo no hovonjena.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.

Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 4, 1-13

Nentin’ny Fanahy tany an’efitra Izy, ary nalaina fanahy.

Tamin’izany andro izany i Jesoa dia feno ny Fanahy Masina ary niverina avy tany Jordany ka nentin’ny Fanahy tany an’efitra efapolo andro, sady nalain’ny devoly fanahy Izy, no tsy nihinana na inona na inona nandritra izany andro izany; ka noana nony tapitra izany. Dia hoy ny devoly taminy: “Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, asaovy tonga mofo io vato io”. Fa hoy i Jesoa taminy: “Efa voasoratra hoe: Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’Andriamanitra”.

Dia nentin’ny devoly niakatra tany amin’ny tendrombohitra avo anankiray Izy, ka nanehoany indray mipy maso ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao, ary hoy izy taminy: “Homeko Anao avokoa izao fanapahana rehetra izao sy ny voninahiny, satria nomena ahy ka mba omeko izay tiako kosa. Koa izao àry: raha mitsaoka ahy Ianao, dia ho Anao avokoa izy”. Fa izao no navalin’i Jesoa azy: “Efa voasoratra hoe: Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao”.

Dia nentiny tany Jerosalema indray Izy, ka napetrany teo an-tampon’ny Tempoly, ary nilazany hoe: “Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, mianjerà any ambany any; fa efa voasoratra hoe: Nomeny didy hiambina Anao ny Anjeliny, ary hitondra Anao eo an-tanany izy ireo fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao”. Fa namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: “Efa voasoratra hoe: “Tsy haka fanahy ny Tompo Andriamanitrao ianao”. Nony tapitra nanao izao fakam-panahy Azy rehetra izao ny devoly, dia nandao Azy aloha mandra-piavin’ny fotoana indray.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, hafanao ny fontsika, hivavaka araka ny irîn’Andriamanitra amin’izao fanombohan’ny Karemy izao, ary mangataha mba hohazavain’Izy Tompo ny mason’ny olombelona rehetra sy ny fo amam-panahiny.

Valy: Arotsahy aminay ny fahazavanao sy ny fahamarinanao.

* Manana adidy hampandroso ny fanahintsika ny Papa sy ny Eveka ary ny Pretra, koa mivavaha mba hampitombo herim-po azy hitondra an’Andriamanitra ho eo amin’ny olombelona izao Karemy izao.
* Mivavaha mba hampian’Andriamanitra hitsimbina mandrakariva ny mahantra indrindra, ny mpiandraikitra raharaham-bahoaka, ary mba hikendry marina izay hahatafasondrotra ny rafi-piainana.
* Revo amin’ny fiadanana eo amin’ny fiainana ara-nofo loatra ny saina amam-panahin’ny maro ankehitriny, koa mivavaha mba ho sitraky ny Ray hiezahany hikatsaka ny tena hasambarana.
* Amin’ireo kristianina ortôdôksa ny Karemy dia andro Lehibe fivalozana sy fandinihana lalina. Koa miaraha aminy isika hivavaka mba ho firosoana eo amin’ny firaisan’ny mpino koa izao androm-pahasoavana izao.
* Ho antsika iray fiangonana: mivavaha mba hifampitaona isika samy hiezaka mandritra izao Karemy izao mba hahafoy ho an’ny namana sahirana, eto amin’ny fiangonana sy ny mpiara-monina amintsika.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Andriamanitra Tompo ô, ampio izahay mandritra izao Karemy izao ho afaka amin’ny firaiketana loatra amin’ny harena eto an-tany, mba hahafahanay ho tia Anao amin’ny fonay manontolo, ary tsy ho voasembantsembana fa hahita ny tena kilemanay tokony hiadianay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba ataovy mifanaraka amin’ireto tolotra ireto ny toetranay, fa sorona anombohanay ny karemy izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy:

Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

Ilay nisantatra izao fomba masina izao tamin’Izy nifady hanina efapolo andro, ary nampianatra anay handresy ny herin’ny ratsy rehetra tamin’Izy nandrava ny fandrika novelarin’ny demony, mba hankalazanay ny Paka amin’ny fanahy mendrika sy hahatafita anay any amin’ny Paka mandrakizay indray andro any.

Izany no iarahanay amin’ny Anjely sy ny Olomasina rehetra mihira sy mankalaza Anao, amin’ilay antsa ventesinay lalandava manao hoe:

Masina, Masina, Masina …


Kômonio

Mt. 4, 4

Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, ny Mofo avy any an-danitra nanovozanay hery dia mamelona ny finoana, mampitombo ny fanantenana ary mankahery ny fitiavana; koa mihanta aminao izahay: ampianaro haniry an’Ilay tena Mofo velona sy hanovo aina amin’ny teny rehetra aloaky ny vavanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.


<<Previous           Contents           Next>>