25 DESAMBRA — Sorona maraina

FANKALAZANA MANETRIKETRIKA NY NAHATERAHAN’NY TOMPO

ZAZA TERAKA ANATY TRANON’OMBY NO TOMPO HANOME FIAINAM-BAOVAO HAHARITRA MANDRAKIZAY

Lokon’akanjo: fotsy

Tononkira fidirana

Iz. 9, 2, 6; Lk. 1, 33


Hamiratra amintsika anie ny Fahazavana, satria teraka ho antsika ny Tompo, Ilay hantsoina hoe Mahagaga, Andriamanitra, Andrian’ny fiadanana, Rain’ny taon-ko avy, ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary: efa manerana anay tokoa izao ny hazavana vaovao nentin’ny Teninao tonga nofo; koa ataovy hita mamiratra amin’ny asanay, izay efa mazava ao an-tsainay amin’ny finoana.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao, ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz.62, 11-12

Indro, avy ny Mpamonjy anao.

Izao no nambaran’ny Tompo, hatrany amin’ny faran’ny tany: “Lazao amin’ny zanaka vavin’i Siôna hoe: Indro, avy ny Mpamonjy anao; ny valisoa homeny efa eny aminy; ary ny tamby hatolony efa eo anoloany. Izy ireo hantsoina hoe: “Firenena masina”, “Ny navotan’ny Tompo”; ary ianao kosa hantsoina hoe: “Ilay irina”, “Tanàna tsy foy”.

— Izany ary ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 96, 1 sy 6, 1 1-12


Fiv.: Teraka anaty tranon’omby ilay Zazakely nirintsika ny hatsaran’ny lanitra aza ihoaran’ity Zaza ity.

Manjaka ny Tompo: miravoa ny tany; ianareo nosy maro, mifalia.
Ny lanitra manambara ny fahamarinany, ireo vahoaka mahita ny voninahiny.
Ny hazavana miposaka amin’ny olo-marina, ny hafaliana miposaka amin’ny mahitsy fo. Mifalia amin’ny Tompo, ry olo-marina; isaory ny Anarany masina!


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’i Tito

Tit. 3, 4-7


Ny famindram-pony no nahatonga antsika olom-boavonjy.

Ry havako malala, nony niseho ny famindram-po amam-pitiavan’Andriamanitra Mpamonjy antsika olombelona, dia tsy noho ny asan’ny fahamarinana nataontsika fa noho ny famindram-pony; Izy no namonjy antsika tamin’ny fanasana nahaterahantsika indray sy ny fanavaozan’ny Fanahy Masina, izay nampidininy be dia be tamintsika tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika; mba hohamarinin’ny fahasoavana isika, ka ho tonga mpandova am-panantenana ny fiainana mandrakizay.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Voninahitra anie ho an’Andriamanitra any amin’ny avo indrindra, ary fiadanana anie ho an’ny olona ety ambonin’ny tany, fa nanehoany ny hatsaram-pony.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 2, 15-20


Nahita an’i Maria sy i Jôsefa ary ny Zazakely vao teraka ny mpiandry ondry.

Rehefa nandao ny mpiandry ondry ny Anjely ka nankany an-danitra, dia niresaka ireo mpiandry ondry nanao hoe: “Andeha isika ho any Betilehema hizaha izany zavatra vao tonga nampahafantarin’ny Tompo antsika izany”. Dia nankany haingana izy, ka nahita an’i Maria sy i Jôsefa ary ny Zazakely mandry amin’ny fihinanam-bilona; ary rehefa nahita izy ireo, dia nampiely ny teny nolazaina taminy ny amin’izany Zaza izany. Ary izay rehetra nandre dia gaga avokoa tamin’izay nolazain’ny mpiandry ondry taminy; fa i Maria kosa nitadidy izany zavatra rehetra izany ka nieritreritra azy tao am-pony. Ary nody ny mpiandry ondry nidera sy nankalaza an’Andriamanitra noho ny zavatra rehetra reny sy hitany, araka izay nolazaina taminy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Rehefa atao ny IZAHO MINO, ka tonga amin‘ny teny hoe: NAKA NOFO... OLOMBELONA, dia mandohalika lohalika roa raha hiraina; ny havanana ihany raha tsy hiraina.


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, henontsika teo ny fihetsiky ny mpiandry ondry, nony vao reny fa teraka ny Mpamonjy, koa mivavaha mba ho mpitondra hasambarana sy fiainana ho an’ny olona rehetra ireo izay nomen’Andriamanitra ny fahasoavany.

Valy: Aina sy vonjy Ianao, ry Tompo ô.

* Irak’Andriamanitra eo amin’izao tontolo izao ny Eglizy hitondra ny hasambarana sy ny fiainan’Andriamanitra; koa mivavaha hahitany izay fomba tena mandaitra sy sahaza ny toetr’andro ankehitriny ka hahatontosany an’izany.
* Manana andraikitra hanao izay hahasambatra ny vahoaka ny mpitondra fanjakana rehetra; koa enga anie hikatsaka izay mahasoa ny olombelona tokoa, ary mba hila hevitra sy hangataka hery amin’Ilay nahasambatra an’ireo mpiandry ondry nanatona Azy.
* Maro ny ianjadiam-pahoriana sy mitrongy vao homana ary zara fa velona; koa enga anie ireny indrindra no hitodihantsika hizarana hasambarana sy fitiavana amin’izao Noely izao.
* Tonga manovo hery sy fahasoavana eto am-piangonana isika amin’izao andro Noely izao; koa mivavaha mba ho tena mpitondra ny hafatr’Andriamanitra sy ny fitiavany hahasambatra izay mifanerasera amintsika.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.


Ry Andriamanitra ô, fenoinao hafaliana isan-taona izahay amin’ny Fahaterahan’ny Mpamonjy; koa enga anie izahay faly mandray ny Zanakao Lahy tokana Mpanavotra anay, mba ho mpitondra ny fiainany sy ny fahasambarany ho an’ny olombelona.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Vavaka Fanolorana

Ho mendrika ny misterin’ny Noely ankalazainay anie, ry Tompo, ny tolotra ataonay; ary noho ilay Zaza vao teraka miseho miharihary sady Andriamanitra no olombelona, dia aoka ireto rakitry ny tany ireto hampahazo anay ny zavatry ny lanitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Nahaterahan’ny Tompo II.


Kômonio

Zak. 9, 9

Miravoa, ry zanaka vavin’i Siôna; mihobia, ry zanakavavin’i Jerosalema inty tonga ny Mpanjakanao, dia ilay Masina, ilay Mpamonjy an’izao tontolo izao.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Faly sy entanim-pitiavana izahay mankalaza ny nahaterahan’ny Zanakao, ry Tompo; koa mba ataovy fantatray sy inoanay marina ny harena masina raketin’izany mistery izany, mba hotiavinay sy hankafizinay amin’ny fonay tokoa.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


<<Previous           Contents           Next>>