24 DESAMBRA (hariva)
ANDRO MIALOHA NY NAHATERAHAN’NY TOMPO
TONGA HAMONJY ANTSIKA, I KRISTY TOMPO
Lokon’akanjo: fotsy
Tononkira fidirana
Eks. 16, 6-7
Ho fantatrareo anio fa ho tonga ny Tompo ary hamonjy antsika ary rahampitso maraina ianareo dia hahita ny voninahiny.
Asiana VONINAHITRA ANIE...
Fangatahana
Ry Andriamanitra ô, fenoinao hafaliana isan-taona izahay miandry ny hahatongavan’ny Mpamonjy; ka enga anie izahay faly mandray ny Zanakao Lahy tokana ho Mpanavotra anay, mba ho feno toky hitsena Azy rehefa tonga Izy hitsara anay.
Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao, ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Fankalazana ny tenin’Andriamanitra
VAKINTENY MASINA VOALOHANY
Bokin’i Izaia Mpaminany
Iz. 62, 1-5
Ny Tompo hankasitraka anao.
Noho ny amin’i Siôna, tsy hangina Aho, ary noho ny amin’i Jerosalema, tsy hiala sasatra Aho, mandra-piposaky ny fahamarinany ohatra ny hazavan’ny maraina; sy mandra-pamirapiratry ny famonjeny, ohatra ny fanilo. Hahita ny voninahitrao ny mpanjaka rehetra, ka hantsoina amin’ny anaram-baovao ianao, izay hofidin’ny vavan’ny Tompo. Ho satro-boninahitra eo an-tanan’ny Tompo ianao, sy ho hamaman’andriana eo an-tanan’ny Andriamanitsika. Tsy hisy intsony hanao anao hoe “Inafoy”, ary tsy hisy intsony hiantso ny taninao hoe i “Faharinganana”. Fa ny hiantsoana anao dia ny hoe i “Ankasitrahiko”; ary ny taninao i “Vady ampakarina”. Satria ny Tompo hankasitraka anao, ary ny taninao hahazo vady. Tahaka ny ampakaran’ny zatovo ny virjiny ho vadiny no hampakaran’ny zanakao anao; ary tahaka ny amalifalian’ny ampakarina ny mpampakatra, no hamalifalianao ny Andriamanitrao.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!
Salamo fandinihana
Sal. 88, 4-5. 16-17. 27 sy 29
Fiv.:Hohiraiko mandrakizay ny famindram-pon’ny Tompo.
Nanaovako fanekena ilay voafidiko; i Davida mpanompoko, nianianako:
Ajoroko ho mandrakizay ny taranakao, ny fiketrahanao aoriko ho lalandava!
Sambatra ilay vahoaka mahay mihoby, ilay mandroso amin’ny hazavan’ny Tavanao, mifaly amin’ny Anaranao tontolo andro, sy mientana amin’ny fitiavanao ny rariny.
Ianao no Raiko, hoy izy miantso ahy;
Vatolampy famonjena ahy sy Andriamanitro! Ny fitiavako, hotanako aminy mandrakizay, ho azony antoka tokoa ny fanekeko.
VAKINTENY MASINA FAHAROA
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly
Asa 13, 16-1 7, 22-25
Fanambaràn’i Paoly momba an’i Kristy Zanak’i Davida.
Nony tonga tany Antiôkia any Pisidia i Paoly, dia nitsangana tao amin’ny sinagôga, nanofa tanana ny olona hangina, ka nanao hoe: “Mihainoa, ry Israely sy ianareo izay matahotra an’Andriamanitra. Ny Andriamanitr’izao vahoaka Israely izao no efa nifidy ny razantsika sy nanandratra ny vahoaka fony izy nitoetra tany Ejipta; ary tamin’ny sandry mahery no nanesorany azy tao... Nony noesoriny kosa indray i Saoly, i Davida no natsangany ho mpanjakan’izy ireo, dia ilay zanak’i Jese, lehilahy araka ny foko, izay hanao ny sitra-poko rehetra. Avy tamin’ny taranany no namoahan’Andriamanitra an’i Jesoa, araka ny nampanantenainy, ho Mpamonjy an’i Israely. Talohan’ny nahatongavany anefa, dia i Joany no nitory batemim-pibebahana tamin’ny vahoaka Israely rehetra; ary rehefa nadiva ho tapitra ny dian’i Joany, dia hoy izy: Tsy izaho no ilay andrasanareo, fa indro avy aoriako Izy, ka tsy mendrika hamaha ny kofehinkapany akory aho”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!
Fihobiana ny Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Rahampitso dia ho levona ny haratsian’ny tany, fa hanjaka amintsika ny Mpamonjy an’izao tontolo izao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio
Mt. 1, 1-25 (lava) na 18-25 (fohy kokoa)
— Filazana ny razan’i Jesoa Kristy Zanak’i Davida.
— Hiteraka Zazalahy i Maria, ka ny Anarany hataonao hoe Jesoa.
Filazana ny razan’i Jesoa Kristy, Zanak’i Davida zanak’i Abrahama. I Abrahama niteraka an’i Isaaka; i Isaaka niteraka an’i Jakôba; i Jakôba niteraka an’i Jodà mirahalahy avy; i Jodà niteraka an’i Faresa sy i Zarà tamin’i Tamara; i Faresa niteraka an’i Esrôna; i Esrôna niteraka an’i Arama; i Arama niteraka an’i Aminadaba; i Aminadaba niteraka an’i Naasôna; i Naasôna niteraka an’i Salmôna; i Salmôna niteraka an’i Bôôza tamin’i Rahaba; i Bôôza niteraka an’i Obeda tamin’i Rota; i Obeda niteraka an’i Jese; i Jese niteraka an’i Davida mpanjaka. I Davida mpanjaka niteraka an’i Salômôna tamin’ilay vadin’i Oria; i Salômôna niteraka an’i Rôbôama; i Rôbôama niteraka an’i Abiasa; i Abiasa niteraka an’i Asà; i Asà niteraka an’i Jôsafata; i Jôsafata niteraka an’i Jôrama; i Jôrama niteraka an’i Oziasa; i Oziasa niteraka an’i Jôatama; i Jôatama niteraka an’i Akaza; i Akaza niteraka an’i Ezekiasa; i Ezekiasa niteraka an’i Manase; i Manase niteraka an’i Amôna; i Amôna niteraka an’i Jôsiasa; i Jôsiasa niteraka an’i Jekôniasa mirahalahy avy, tamin’ny andro nifindrana tany Babilôna.
Ary rehefa nifindra tany Babilôna i Jekôniasa niteraka an’i Salatiela; i Salatiela niteraka an’i Zôrôbabela; i Zôrôbabela niteraka an’i Abioda; i Abioda niteraka an’i Eliakima; i Eliakima niteraka an’i Azôra, i Azôra niteraka an’i Sadôka; i Sadôka niteraka an’i Akima; i Akima niteraka an’i Elioda; i Elioda niteraka an’i Eleazara; i Eleazara niteraka an’i Matàna; i Matàna niteraka an’i Jakôba; i Jakôba niteraka an’i Jôsefa vadin’i Maria izay niteraka an’i Jesoa, ilay atao hoe Kristy.
Koa ny taranaka rehetra hatramin’i Abrahama ka hatramin’i Davida dia taranaka efatra ambin’ny folo; ary hatramin’i Davida ka hatramin’ny nifindrana tany Babilôna dia taranaka efatra ambin’ny folo; ary hatramin’ny nifindrana tany Babilôna ka hatramin’i Kristy dia taranaka efatra ambin’ny folo.
Eto no manomboka raha ny fohy no atao.
Ary toy izao no nahaterahan’i Kristy: i Maria Reniny dia efa fofombadin’i Jôsefa; fa raha mbola tsy niray trano izy ireo dia hita fa nanana anaka avy tamin’ny Fanahy Masina izy. Ary i Jôsefa vadiny, noho izy lehilahy marina, sady tsy te hanala baràka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina. Nefa raha mbola nieritreritra izany izy, indro nisy Anjelin’ny Tompo niseho taminy, tamin’ny nofy, ka nanao hoe: “Ry Jôsefa zanak’i Davida, aza matahotra ny hampakatra an’i Maria vadinao, fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina, ary hiteraka Zazalahy izy, ka ny Anarany hataonao hoe Jesoa, fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany”. Ary izany rehetra izany no tonga, dia mba hahatanteraka izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe: Indro ny Virjiny hitoe-Jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny Anarany hatao hoe Emanoela, izany hoe amintsika Andriamanitra”. Ary rehefa nahatsiaro tamin’ny torimaso i Jôsefa, dia nanao araka izay nandidian’ny Anjely azy, ka nampakatra ny vadiny; ary tsy nahalala azy izy ambara-piterany ny Zanany Lahimatoa, ary nataony hoe Jesoa no Anarany.
— Izany àry ny tenin'ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!
Asiana IZAHO MINO...
Ranombavaka: raha asiana dia jereo ny iray amin’ireo Sorona manaraka
Vavaka Fanolorana
Tompo ô, asehonao miharihary ankehitriny fa manomboka izao ny fanavotana anay; ka enga anie ho vonona araka izany ny fonay hankalaza ny misterin’ny Noely.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.
Prefasy: Nahaterahan’ny Tompo I na II.
Kômonio
Iz. 40, 5
Hiseho ny voninahitry ny Tompo, ka ho hitan’ny manana aina rehetra fa tonga hamonjy antsika Andriamanitra.
Vavaka aorian’ny Kômonio
Tompo ô, enga anie hankahery anay ny Zanakao Lahy tokana teraka ho anay, fa manafaka hanoanana anay Izy ary manala hetaheta anay amin’ny sakafo avy any an-danitra.
Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.