ZOMA MANARAKA NY ALAHADY FAHA-2 AORIAN’NY PANTEKOTY Taona B

NY FO MASIN’I JESOA

FO NAHITANTSIKA NY FITIAVAN’ANDRIAMANITRA NY FON’I JESOA

Lokon’akanjo: fotsy

Tononkira fidirana

Sal. 32, 11. 19.

Izay ampoizin’ny Tompo hatao, maharitra mandrakizay, ny fikasan’ny Fony amin’ny taranaka mifandimby, ka hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana Izy sy hamelona azy amin’ny andro mosarena.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, mihanta aminao izahay faly mankalaza ny Fon’ny Zanakao malalanao ary mahatsiaro ny tombontsoa sarobidy nanehoany ny fitiavany anay, ka enga anie ho mendrika handray ny fahasoavanao mitosaka avy amin’ny Fony loharanon’ny fanomezanao.

Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao, ao amin’ny Fanahy Masina, amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOAIAOHANY

Bokin’i Osea Mpaminany

Osea 11, 1b. 3-4. 8d-9

Onena ny foko ato anatiko, ary indray miontana ny fangorahako rehetra.

Izao no lazain’ny Tompo: “Tia an’i Israely Aho fony mbola zaza izy; ka hatrany Ejipta nisy fiantsoana nataoko ny zanako. Ary Izaho nampiana mandeha an’i Efraima, sy nitantana azy tamin’ny sandriny, nefa tsy fantany fa nanolikoly azy Aho. Nentiko tamin’ny kofehy fitondrana olona izy ireo, dia tamin’ny fatoran’ny fitiavana; mova Aho tsy ilay nanainga ny jioga ho azy, eo ambonin’ny valanoranony, ary niondrika taminy sy nampihinana azy. (Nefa tsy nety niverina amiko izy: ka hofaiziko va?) Tsia! Onena ny foko ato anatiko, ary indray miontana ny fangorahako rehetra. Tsy hanarana ny firehetan’ny hatezerako Aho, tsy horavako fanindroany i Efraima. Fa Andriamanitra Aho, fa tsy olombelona: eo afovoanao ilay Masina, ka tsy ho tonga Aho mitondra ny fisafoahako”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Iz. 12, 2-3. 4. 5-6


Fiv.: Hanovo rano an-kafaliana ianareo amin’ny loharanom-pamonjena.

Ianao Andriamanitra Ray no vonjiko. Matoky aho, mijoro fa tsy matahotra.
Ny Tompo no hery sy reharehako. Fa Izy no vonjy sy fialofako. Avia àry hanovo amin-kafaliana. Ny vonjin’ny Tompo eo an-doharanony.
Amin’izany andro izany, samia manezaka. Derao Andriamanitra, antsoy ny Anarany. Torio ny vahoaka ny zava-bitany. Lazao fa tsy takatra hoe ny Anarany.
Ambony ny Tompo ka dia nasehony. Lazao an’izany ny vazan-tany. Ianao, ry Siôna hitotorebika. Fa Tompo lehibe Izy sady masina.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy

Efez. 3, 8-12. 14-19


Hahalala ny fitiavan’i Kristy izay mihoatra ny fahalalana rehetra ianareo.

Ry kristianina havana, izaho izay kely indrindra amin’ny olona masina rehetra no nomena izany fahasoavana izany, dia ny hitory amin’ny Jentily ny haren’i Kristy tsy hita pesipesenina, sy ny hanazava amin’ny olona rehetra ny filaharan’ilay hevitra lalina niafina hatrizay hatrizay tao amin’Andriamanitra Mpahary ny zavatra rehetra. Dia izany no naseho ankehitriny izao tamin’ny alalan’ny Eglizy, ka tonga fantatr’ireo fitondrana sy fahefana any an-danitra ny fahaizan’Andriamanitra mamoron-kevitra, araka ny lahatra nataony hatrizay hatrizay tao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika, Izay ananantsika fahasahiana hanatona an’Andriamanitra amim-pahatokiana noho ny finoana Azy. Eny, noho izany no andohalihako amin’ny Ray, izay angalan’ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy ety an-tany anarana, mba homeny anareo, araka ny haren’ny voninahiny, ny hankaherezina fatratra araka ny olona anaty amin’ny Fanahy, sy ny hitoeran’i Kristy ao am-ponareo amin’ny finoana, dia ho latsa-paka sy hiorina amin’ny fitiavana ianareo, ka hiara-mahafantatra tsara amin’ny olo-masina rehetra izay sakany sy lavany, ary haavony sy halaliny, sady hahalala ny fitiavan’i Kristy izay mihoatra ny fahalalana rehetra, ka dia ho fenon’ny hafenoan’Andriamanitra rehetra ianareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ento ny jiogako ary mianara amiko fa malemy fanahy sy manetry Tena ao am-po Aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 19, 31-37

Nolefonin’ny miaramila anankiray ny Fony, ka nisy ra sy rano nivoaka.

Zoma, andro fiomanana tamin’izay, ka nangataka tamin’i Pilaty ny Jody mba hotapahina ny ranjon’ireo nofantsihana, dia hoesorina, mba tsy hisy faty mihantona amin’ny Hazofijaliana amin’ny andro sabata (fa andro lehibe izany sabata izany). Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon’ny voalohany sy ny an’ilay anankiray niara-nofantsihana taminy koa; fa nony nankeo amin’i Jesoa izy ireo, dia hitany fa efa maty sahady Izy, ka tsy mba notapahiny ny ranjony. Fa nolefonin’ny miaramila anankiray kosa ny Fony, ka nisy ra sy rano nivoaka niaraka tamin’izay. Ary ilay nahita no milaza, ka marina ny filazany, sady fantany fa milaza ny marina izy, mba hinoanareo koa. Ary izany no tonga dia mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: “Tsy hisy hotapahina ny taolany, na dia iray aza”. Ary hoy indray koa ny Soratra Masina: “Hijery Izay nolefoniny izy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, ny Fon’i Jesoa Tompo no itodihantsika anio ka matoky isika fa hohenoiny; koa asondroty ny fontsika hangataka ho an’ny Eglizy sy izao tontolo izao, mangetaheta fifankatiavana sy firaisan-kina.

Valy: Ampio ‘zahay, Tompo ô, hatoky ny fitiavanao anay.

* Mivavaha ho an’ny Eglizy mba ho hainy aseho ny fitiavana ao amin’ny Fo Masin’i Jesoa, mba hahafahan’ireo mpitondra ny vahaokan’Andriamanitra manamaivam-pahoriana an’izay rehetra mijaly.
* Mivavaha hanampian’Andriamanitra ireo miandraikitra raharaham-bahoaka, hahatsiarovany hatrany fa olombelona manana zo aman-kasina tahaka azy ireo olona entiny, ary miandrandra fahamarinana sy fiadanana.
* Vonon-ko tia ny olombelona rehetra ny Fon’i Kristy, koa mivavaha mba hahafantatra ny halalin’ny fitiavany ny olona sy ny firenena rehetra, indrindra ireo miady sy mifankahala.
* Mivavaha ho an’ny kamboty sy ny tsy manan-kavana mba hombomban’ny fitiavan’Andriamanitra izy rehetra, indrindra ireo tsy mana-mpitia sy tsy manan-kotiavina.
* Mivavaha ho an’ireo havana aman-tsakaizantsika, ary ireo havana hafa finoana mba ho tena araka ny tian’i Kristy bebe kokoa hatrany no hifandraisantsika sy hifankatiavantsika, ary hiarahantsika miasa hampanjaka ny fitiavana.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Ry Jesoa Tompo ô, ny Fo nofo tao aminao dia endrika ahitanay ny fitiavanao tsy misy fetra, amelanao ny helokay sy itiavanao ny olombelona tsy an-kanavaka, koa mba ovao ny fonay hahay miantra sy mitia tahaka ny Fonao.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Todiho maso, ry Tompo, ny fitiavana tsy hay lazaina avy amin’ny Fon’ny Zanakao malalanao; koa mihanta aminao izahay: enga anie izao tolotra izao mba ho fanatitra hankasitrahinao, no sady ho fanonerana ny otanay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy

Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

Ilay nentanim-pitiavana ka nasandratra teo amin’ny Hazofijaliana mba hanolo-Tena ho anay, ary nandrotsaka rano sy Ra avy amin’ny Fony ho loharanon’ny Sakramentan’ny Eglizy, mba hahatarika ny olona rehetra hankeo amin’ny Fon’Izy Mpamonjy nolefonina, sy ho sambatra hiala hetaheta tsy an-kijanona eo amin’ny loharanom-pamonjena.

Izany no iarahanay amin’ny Olomasina sy ny Anjely rehetra mankalaza Anao tsy an-kijanona manao hoe: Masina, Masina, Masina. . .


Kômonio

Jo. 7, 37-38

Hoy ny Tompo hoe: Raha misy mangetaheta, tongava aty amiko hisotro. Izay mino Ahy, hiboiboika rano velona ao aminy.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Enga anie, ry Tompo, izao Sakramenta tsangam-baton’ny fitiavana izao hampiredareda ny fitiavana masina ao am-ponay, hany ka rehefa voasintona mandrakariva hanatona ny Zanakao izahay dia hiezaka hahita Azy koa ao amin’ny namanay.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


<<Previous           Contents           Next>>