Tamin'ny heriny isika dia niaina ny fahagagan'ny fampitomboana ny mofo. Nanehoan'i Jesoa fa izy no mofon'ny fiainana. Iny Evanjely iny, araka ny hitantsika (Jereo eto )dia tsy fanomezana fahafaham-po ny vatana noana fotsiny fa endriky fisehoan'Andriamanitra amintsika olombelona. Miseho amin'ny voninahitry ny Eokaristia mofo mahavelona mandrakizay i Jesoa.
Fepetra roa no tsy maintsy tanteraka vao afaka mahita sy mahalala an'Andriamanitra ny olona iray. Ny fepetra voalohany, izay miankina amin'Andriamanitra, dia Andriamanitra miseho aminy ary ny faharoa dia ilay olona manaiky ny hisehoan'Andriamanitra. Efa hatramin'izay no niseho tamin'ny olombelona Andriamanitra. Tamin'i Abrahama, ohatra (Jen. 15. 1-5 ), tamin'ny fanekempihavanana izay nataony. Tamin'i Moizy, tany an'efitra izay nanambarany ny tenany (Eks. 3. 2 ) sy tamin'ny fahagagana rehetra nataony araka ny vakiteny voalohany androany. Tamin'ireo mpaminany toa an'i Elia, Elizea tamin'ireo fahagagana nataony izay henontsika tamin'ny vakiteny voalohany tamin'ny heriny. Tamin'ny mpanjaka sy ny mpisorona nifandimby. Ary indrindra tamin'ny nisehoany tamin'ny nidinan'ny Zanany tety an-tany, ilay "Emanoela" - "Andriamanitra ety amintsika". Maro karazana, noho izany, ny fomba entin'Andriamanitra miseho amin'ny olombelona.
Ny fepetra faharoa hahitana an'Andriamanitra, izay miankina amin'olombelona kosa, dia ny faneken'ny olombelona hisehoan'Andriamanitra. Tsy afaka ny hahita sy hahatsapa mantsy raha tsy manaiky ny hijery sy hamantatra. Tsy afaka handray raha tsy mamoha varavarana. Tsy afaka ho vonton'ny Fanahy raha tsy handray ny ranon'ny Batemy.
Vokatry ny endrika maro isehoan'Andriamanitra, dia mety tsy ho Andriamanitra no hita voalohany fa ilay endrika ivelany. Ny famirapiratry ny Tavany. Ny fahagagana ataony. Mitady an'Andriamanitra, tsy amin'ny maha Andriamanitra azy fotsiny, fa amin'ny maha mpanao fahagagana azy. Hany ka rehefa tsy tanteraka ilay fahagagana nangatahina dia tsy mila an'Andriamanitra intsony. Raha nanao fahagagana tamin'ny fampitomboana ny mofo izy, araka ny vakiteny tamin'ny heriny, dia tsy ny maha-Andriamanitra azy no hitan'ny olona fa ny mofo izay fahavokisana mandalo. Dia androany izy ireo nitady an'i Jesoa. Tena nitady tokoa saingy tsy ny mofon'aina mahavelona mandrakizay no notadiaviny fa ny mofo hahavoky azy eo no ho eo fotsiny. Ny olona tena mitady an'i Jesoa anefa dia hahazo ilay Mofo mahavelona mandrakizay ary tsy ho diso anjara amin'izay hahavelona isan'andro ihany koa. Fa katsaho aloha ny fanjakan'Andriamanitra hoy izy dia hanampy ho anao ny zavatra rehetra.
Ny fahitana an'Andriamanitra dia mitaky fandraisana azy, fiainana azy ary fizaràna azy amin'ny hafa. Amin'ny lafiny rehetra, na ara-panahy na ara-batana na ara-tsaina. Rehefa mitobaka ny fahasoavana dia tsy voafehy fa tsy maintsy miparitaka ho an'ny manodidina. Ny olona feno fahasoavana izany dia azo fantarina amin'ny vokatr'izany eo amin'ireo manodidina azy izay mahazo fahasoavana ihany koa. Mifampiankina tanteraka ny fandraisana an'Andriamanitra sy ny asa fanasoavana ny hafa. Tsy afaka milaza ho nandray an'Andriamanitra ny olona raha tsy mampita izany avy hatrany amin'ny hafa. Tsy afaka miahy ny hafa am-pahamendrehana koa anefa raha tsy miankina amin'ny fahasoavan'Andriamanitra. Manamafy izany ny Papa ao amin'ny famaranany ilay ansiklika Caritas in Veritate hoe "Ny fandraisana an'Andriamanitra dia miteraka fisokafana amin'ny namana sy amin'ny asa fanompoana ao anatin'ny firaisan-kina sy ny fifaliana" (Caritas in Veritate).