Ianareo no fanasina sy fahazavan’izao tontolo izao

Alahady Fahadimy tsotra Mandavan-taona

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho sakafom-panahintsika mandritra ity herinandro vaovao diavintsika ity dia ny tohin’ny tamin’ny heriny momba ilay fampianaran’i Jesoa momba ny hasambarana valo. Ny fampianarana momba ilay hasambarana valo dia miompana indrindra ny amin’ny valisoa miandry ny tsirairay amin’ny fiainana ny Fanahy Kristianina. Fa ity ampahany faharoa ity kosa indray dia miompana amin’ny adidy sy andraikitra miandry ny Kristianina tsirairay eo anivon’ny fiaraha-monina misy azy. Tsy hoe moa dia adidy fa raha ny marimarina kokoa dia ny maha-izy azy ny kristianina mihitsy no tian’i Jesoa hambara. Fa saingy zavatra roa samihafa kanefa mifameno ny adidy sy ny maha-izy azy ny olona iray. Ny tiako holazaina dia hoe amin’ny alalan’ny adidy iantsorohany eo amin’ny fiaraha-monina no amaritana ny maha-izy azy ny olona anakiray.

Ny maha-izy azy ny kristianina dia ny ho “fanasina”. Izany no maha-izy azy voalohany indrindra ahy eo anivon’ny fiaraha-monina, ary ianao koa torak’izany. Antsoin’i Kristy aho, ianao ho sira eo anivon’ny fiaraha-monina misy antsika; antsoiny mba ho sira hanome tsiro ny tontolo misy antsika. “Ny manan-tsira mahay mahandro” hoy ny ohabolan-drazantsika. Ny maha tsara ny nahandro dia tsy hoe ny mpahandro no mahay fa ny sira no ananany. Na akory na akory hatsaran’ny laoka andrahoina, kanefa tsy misy sira dia zary matsatso ny nahandro. Kanefa koa, tsy hoe atao mitovy fatra amin’ny laoka andrahoina ny sira, fa ampy dia ampy na dia kely tendron-tànana monja aza. Dia toy izany ihany koa isika eo anivon’ny fiaraha-monina: zara fa misy raha ny isa no jerena, zara fa mahay raha ny fahaizana no tanisaina, zara fa manana raha harena sy vola no ifaninanana. Fa saingy na kely toy izany aza isika eo anivon’ny fiaraha-monina, dia manome tsiro ny fiaraha-monina satria fanasina. Jereo fa rehefa misy fivoriam-pianakaviana ka na dia ho fimamoana sy fety fandaniana aza no hatao, dia antsoina mandrakariva ny kristianina mba hitarika vavaka sy hangata-tsiodrano amin-Janahary. Jereo ihany koa ny fomba fanao rehefa hampihetsika tromba; fa na firy arivo vahoaka vory eo ary na am-polony firy ny mpimasy manatrika eo, raha mbola misy kristianina anakiray manatrika akaiky ny fampihetsehana tromba eo, dia tsy mihetsika ny tromba.

Ny maha-izy azy faharoa ny Kristianina ihany koa dia ny ho “fahazavana”. Tenin’i Jesoa io fa tsy hoe teny noforonin’ny fihetseham-poko fotsiny. Fahazavana aho, fahazavana ianao eo anivon’ny fiaraha-monina misy antsika. Iarahantsika mahalala ary efa niarahantsika nahita ny delesitazy na ny fahatapahan-jiro eto Madagasikara. Ilaina ny jiro, ilaina ny fanazava mba hitsilo ao amin’ny haizina. Ary rehefa tojo delesitazy dia na labozia anakiray monja aza dia ampy hanazava ny ao an-trano. Dia toy izany koa ianao kristianina: tsy ny halehibeazanao eo anivon’ny fiaraha-monina no inona fa ny fiainanao ny maha-kristianina anao. Tsy ny maha zandry olona ahy no inona fa ny fijoroako amin’ny maha-kristianina ahy ka iainako ny Finoana torin’ny Evanjely. Fanazava aho rehefa mitondra tsilom-panantenana eo anivon’ny fiaraha-monina misy ahy. Jiro ianao rehefa mandrehitra indray ny fanantenana potraka eo anivon’ny tontolo misy anao. Jereo ny fiaraha-monina ankehitriny fa lavo tanteraka ao anatin’ny kirizy mangitsoka. Fa ny maha-izy azy anao, amin’ny maha-kristianina anao dia ny hitondra ilom-panantenana fa misy ny hoavy azo antenaina. Ny fijoroanao amin’izany fanantenana mamiratra izany dia hery lehibe ho an’ireo manodidina anao hitraka ka hiatrika am-pahasahiana ny fiainany na dia eo aza ny olana isan-karazany ara-pisiana. Koa mijoroa àry amin’ny maha “sira” sy maha “fanazava” anao.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092