Dia nihinana izy rehetra ka voky

Fankalazana ny Vatana Masin'i Kristy

Mankalaza ny Fetin’ny Sakramenta Masina isika androany, izay ankalazana amin’ny fomba manokana ny Vatana Masin’i Kristy. Araka izany dia ny fetin’ny Eokaristia Masina no ankalazaintsika androany ka ahatsiarovantsika ny nanoloran’i Jesoa ny tenany ho sakafo mahavelona mandrakizay. Ireo Tenin’Andriamanitra rehetra aroson’ny Fiangonana ho antsika androany dia manamafy daholo ny maha zava-dehibe ny Eokaristia. Ambaran’ny fampianarana izay omen’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika mazava tsara fa « loharano sy tampon’ny fiainana kristianina manontolo ny Eokaristia. Ireo sakramenta hafa ary koa ireo andraiki-panompoana rehetra ao amin’ ny Fiangonana sy ny lahasa maha-apôstôly dia voafehy avokoa ao amin’ny Eokaristia sy voahasina aminy. Satria ny Eokaristia masina no misy ny rakitra rehetra ara-panahin’ny Fiangonana, izany hoe ny Tenan’Izy Kristy mihitsy, ilay Pakantsika » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 1324).

Voalazan’ity fampaniarana ity fa ny « Tenan’Izy Kristy mihitsy, ilay Pakantsika » no ankalazana amin’izao Fetin’ny Sakramenta Masina izao. Midika izany fa ity fankalazana ataontsika anio ity dia mbola mifandray tanteraka amin’ny fankalazana ny Paka, azo lazaina fa fanohizana ny Paka mihitsy satria isaky ny mankalaza ny Eokaristia isika dia mamerina ny nataon’i Jesoa tamin’ny Alakamisy Masina, izany indrindra no ambaran’i Md Paoly amin’ny Vakiteny Faharoa izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany manao hoe : « fa izao no noraisiko tamin’ny Tompo sy nafindrako taminareo kosa : tamin’ny alina namadihana azy iny Jesoa, dia nandray mofo, ka nony efa nisaotra izy, dia namaky azy sy nanao hoe : Raiso ary hano, ity no vatako ho anareo ; manaova izao ho fahatsiarovana ahy. Toy izany koa, nony efa nihinana, dia hoy izy : Ity kalisy ity no fanekena vaovao amin’ny rako ; manaova izao ho fahatsiarovana ahy, isaky ny misotro hianareo » (1kor. 11: 23 – 25).

Tsara ihany ny mampahatsiaro fa i Md Paoly dia tsy anisan’ny roambinifolo lahy nanatrika ny fotoana namoronan’i Jesoa ny Eokaristia saingy ireo vavolombelona natri-maso io fotoan-dehibe io no nanambara taminy ny zava-niseho rehetra ka nahasahiany nilaza ankarihary fa ny Eokaristia dia sakafo mahavelona tokoa izay mirakitra ny Vatana sy ny Ran’i Jesoa Mpamonjy. Raha ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany no jerena dia hita fa tsy mitantara ny namoronan’i Jesoa ny Eokaristia, saingy azo lazaina fa ny nampitomboan’i Jesoa ny mofo dimy sy ny hazandrano roa dia efa nanambara mazava tsara fa te-hanome sakafo mahavelona antsika olombelona izy ka izany no nahatonga azy niteny tamin’ny mpianatra nanao hoe « Omeonareo hanina izy » (Lk. 9: 13), tamin’ny fotoana niangavian’izy ireo an’i Jesoa mba handefa ny vahoaka mody.

Vakiteny I : Jen. 14: 18 – 20

Tononkira : Sal. 109: 1 - 4

Vakiteny II : 1kor. 11: 23 – 26

Evanjely : Lk. 9: 11b – 17

Volaza amin’ity Evanjely ity mazava tsara tokoa fa « tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sady nanasitrana ny marary. Efa ho hariva ny andro ka nanatona Azy ny roa ambin’ny folo lahy nanao taminy hoe : Ravao ny vahoaka handeha hitady fandriana sy hanina any amin’ny vohitra sy ny saha manodidina, fa aty an’efitra isika izao. Fa hoy Izy taminy : Omeonareo hanina izy. Dia namaly ireo nanao hoe : Tsy manana afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa izahay, raha tsy hoe handeha hividy angaha izahay, mba hisy hohanin’ireo vahoaka be ireo» (Lk. 9: 11 – 13). Hita miharihary amin’ity Evanjely ity fa tena eo ampanatanterahana ny iraka nanirahan’Andriamanitra Ray azy i Jesoa no nilaza tamin’ny mpianatra fa tsy maintsy mitady fomba izy ireo hanomezana hanina ny vahoaka marobe tonga nanara-dia azy. Voalaza eto fa niteny tamin’ny vahoaka ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra izy sady nanasitrana ny marary. Midika izany fa tsy afa-misaraka velively ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly sy ny fanasitranana marary ary ny fanomezana hanina ny vahoaka.

Araka ny ambaran’ity Evanjely ity dia tokony ho dimy arivo lahy no isan’ireo izay tsy maintsy hanomanana sakafo. Tsara ho marihina fa amin’ny fomba jody dia ny lehilahy no isaina rehefa misy fivoriana atao saingy raha marobe tahaka izany ny isan’ny lehilahy tonga nanara-dia an’i Jesoa sy nihaino ny fampianarany dia tsy isalasalana fa avo roa na telo henin’izany ny isan’ny olona manontolo rehefa isaina miaraka amin’ny vehivavy sy ny ankizy. Tena zava-tsarotra no nangatahin’i Jesoa tamin’ny mpianatra saingy fantany ny hataony ka ambaran’ny Evanjely fa hoy Izy tamin’izy ireo : « Asaovy mipetraka mitsitokotoko dimampolo avy ny olona. Dia nataony izany, ka nasainy nipetraka daholo izy ireo. Tamin’izay, noraisin’i Jesoa ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nitso-drano azy, ary novakiny sy nozarainy tamin’ny mpianany, mba harosony eo anoloan’ny vahoaka. Dia nihinana izy rehetra ka voky. Dia nentina ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno sobika roa ambin’ny folo » (Lk. 9: 14 – 17).

Ny fitenenan’i Jesoa tamin’ny vahoaka ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ny nanasitranany ny marary ary ny nampitomboany ny mofo dimy sy ny hazandrano roa dia mampieho miharihary fa izay rehetra manara-dia azy sy mandray ny teniny dia omeny fanasitranana sy tolorany sakafo. Izany adidy izany no napetrany tamin’ny roa ambin’ny folo lahy ary ifandovana ato amin’ny Fiangonana. Ankehitriny dia ny Eveka sy ny Pretra no irahin’i Jesoa ka ilazany hoe « Omeonareo hanina izy », amin’ny alalan’ny fankalazana ny Eokaristia. Miara-mivavaka ary isika amin’izao fetin’ny Sakramenta Masina izao mba ho maro ireo antsoin’i Jesoa ho mpandraharaha masina ka ho afaka hizara ny Eokarisitia sy ireo Sakramenta isan-karazany izay mitarika antsika amin’ny lalam-pamonjena. Ny Vatany sy ny Rany no atolotry Jesoa ho antsika, koa mitalaho ny fahasoavany isika mba ho mendrika handray azy amim-pinoana marina tokoa satria isaky ny mandray ny Eokaristia isika dia tsy isika intsony no velona fa izy no velona ao amintsika.


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.078