Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo

Alahady Fahaenina amin'ny Paka

Ny didy vaovao nomen’i Jesoa no nambaran’ny Evanjely tamin’ny Alahady heriny. Voalazany mazava tsara fa « didy vaovao no omeko anareo, dia izao : Mifankatiava, ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia » (Jo. 13 : 34). Manasa antsika rehetra ihany koa izy hiaina izay didim-pitiavana izay amin’ny alalan’ny fifanampiana sy fifampitsinjovana rehefa misy ny zavatra manahirana eo amin’ny fiainana andavan’andro. Mbola mitohy amin’izao Alahady Fahaenina amin’ny Paka izao ny fanomezan’ny Fiangonana antsika ny Evanjely ampianaran’i Jesoa ny mpianany mahakasika izay didim-pitiavana izay satria « tamin’izany andro izany i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe : Raha misy tia Ahy dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy. Fa izay tsy tia Ahy kosa, dia tsy mba mitandrina ny teniko ; ary ny teny izay renareo, dia tsy Ahy, fa an’ny Ray izay naniraka Ahy » (Jo. 14 : 23 – 24).

Mazava ny ambaran’i Jesoa eto fa izay tia azy dia hitandrina ny teniny, izay tsy azy araka ny voalazany fa an’ny Ray izay naniraka azy. Efa voalazany rahateo fa izy sy ny Ray dia iray ihany ka izay rehetra mitandrina ny teniny dia ho tian’ny Ray, ary hankao aminy izy ireo ary honina ao aminy. Io fampianaran’i Jesoa io no manambara amintsika fa tena zava-dehibe tokoa ny fandraisana ny Tenin’Andriamanitra sy ny fampiharana izany amin’ny fiainana andavan’andro. Tsy ho an’ny mpianatra ihany fa ho antsika mpino rehetra no nanaovan’i Jesoa io fampianarana io. Noho izany dia mamporisika antsika izy hazoto handray ny teniny satria ny Tenin’Andriamanitra dia aina mamelona antsika ary isaky ny mitandrina izany isika dia monina ao amintsika Andriamanitra Ray sy i Jesoa Mpamonjy. Eto dia azo lazaina fa tsy azo sariha fa tena mitovy tanteraka amin’ny fandraisana ny Eokaristia ny fandraisana ny Tenin’Andriamanitra. Izany indrindra no amporisihan’ny Fiangonana antsika hatrany hazoto mamonjy Lamesa satria io no fotoan-dehibe indrindra andraisantsika an’i Jesoa amin’ny alalan’ny Teniny sy amin’ny alalan’ny Vatany sy ny Rany.

Ity fampianaran’i Jesoa androany ity no manazava amintsika fa tena zava-dehibe tokoa ny fandraisana ny Eokaristia satria io no mampiombon’aina antsika aminy saingy manan-danja ihany koa ny fitandremana ny teniny satria dia voalazany fa izay manao izany dia ho tian’ny Rainy, ary hankao aminy Izy ireo ka honina ao aminy. Ny tiana hambara dia izao, noho ny sampona samy hafa dia misy amintsika no tsy afaka mandray ny Eokaristia. Tsy tokony hatao sakana amin’ny fivavahana anefa izany fa vao maika aza tokony hamporisika antsika hivavaka bebe kokoa satria ny fandraisana ny Tenin’Andrimanitra dia hery lehibe ho antsika ary mampiombona antsika tanteraka amin’i Jesoa sy ny Ray izay naniraka azy. Mazava ho azy fa ny sampona izay mety misy amintsika ihany koa dia zava-mandalo ihany ary mety miankina amintsika aza no mahatonga azy ireny ka mamporisika antsika hatrany ny Fiangonana hitady vaha olana manoloana azy ireny mba hahafahantsika mandray indray ny Eokaristia. Ny vaha olana tsotra indrindra dia ny fanantonana ny Pretra izay mpiandraikitra antsika satria ny Fiangonana dia miezaka mandrakariva hitarika ny vita Batemy rehetra hahazo ny famonjena ka mamaha ihany koa ny sampona rehetra izay mety misakana antsika tsy hizotra amin’izany lalam-pamonjena izany.

Noho izany dia tsy tokony hitebiteby isika eo ampandinihana izay mety hiafarana fa tsy maintsy miezaka mandrakariva hatoky sy handray ny fahasoavana avy amin’i Jesoa izay nampanantena ny Fanahy Masina Mpanafaka alahelo sy fiadanana lavorary ho an’izay rehetra mandray ny fampianarany. Izany indrindra no nambarany tamin’ireo mpianany ka nilazany hoe : « Voalazako taminareo izany, raha mbola mitoetra eto aminareo Aho. Fa ny Mpanafaka alahelo, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny Anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo. Fiadanana no avelako aminareo, ny fiadanako no omeko anareo, tsy mba tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo » (Jo. 14 : 25 – 27). Tsy azo lavina fa maro tokoa ny zavatra mampitebiteby sy mampatahotra antsika saingy efa nampanantena i Jesoa fa hanome ny fiadanany koa amim-pinoana mandrakariva no ametrahantsika eo ampelan-tanany ny fiainantsika andavan’andro mba ho izay fiadanana avy aminy izay no hameno ny fiainantsika hatrany.

Ny amaranan’i Jesoa ny fampianarany amin’ity Evanjely androany ity dia ny filazany manao hoe : « Efa renareo fa izao no voalazako taminareo : Handeha Aho, nefa mbola hiverina ho aty aminareo. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly tokoa amin’izao handehanako ho any amin’ny Ray izao, satria lehibe noho Izaho ny Ray. Ary Izaho no milaza izany aminareo dieny ankehitriny mbola tsy tonga izany, dia ny mba hinoanareo rehefa tonga izany » (Jo. 14 : 28 – 29). Azo lazaina fa manomana tsikelikely ny fon’ny mpianatra izy eto ny amin’ny tsy maintsy hiverenany any amin’ny Ray izay naniraka azy saingy mampanantena izy fa mbola ho avy amim-boninahitra indray. Tsy ho ela ihany koa isika dia hankalaza ny Niakaran’ny Tompo any an-danitra saingy aoka ho tsaroantsika mandrakariva fa velona eo anivontsika izy ary miara-monina amintsika sy mitoetra ao amintsika amin’ny alalan’ny Teniny sy ao amin’ny Eokaristia izay raisintsika. Miara-mitalaho ny famindram-pony ary isika amin’izao Alahady Fahaenina amin’ny Paka izao mba hanana ny fiadanana marina izay nampanantenainy. Io fiadanana avy aminy io tokoa no mahatonga antsika tsy hitebiteby na hatahotra manoloana ireo zava-manahirana isan-karazany izay tsy maintsy hatrehina. Araka izany, na amin’ny mora na amin’ny sarotra dia tsy mandao antsika izy ary fanilo manazava sy mitari-dalana antsika hatrany, araka ny voalazan’ny Boky Fanambaràna nosoratan’i Md. Joany Apôstôly, izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany manao hoe : « Tsy mila masoandro ny tanàna, na volana hanazava azy, fa ny voninahitr’Andriamanitra no mamirapiratra ao aminy, ary ny Zanak’ondry no fanilony » (Apok. 21: 23).

 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1425