Didy vaovao no omeko anareo, dia izao : Mifankatiava

Alahady Fahadimy amin'ny Paka

Ny fetin’ny Mpiandry ondry tsara no nankalazaintsika tamin’ny Alahady heriny, io no fotoan-dehibe natokana indrindra hivavahana mba ho maro ireo antsoin’Andriamanitra ho mpisorona ka ho mpiandry ondry misolo tena an’i Kristy hitory ny Vaovao Mahafaly sy hisazara ny sakramenta izay efa nambarantsika fa « famantarana mandaitra andraisam-pahasoavana, naorin’i Kristy sy nankininy amin’ny Fiangonana, izay izarazarana amintsika ny ain’Andriamanitra ». Tsara ny mamerimberina fa mbola anatin’ny fankalazana tanteraka ny fotoan-dehibe nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty isika izao, ary ny Alahady Fahadimy amin’ny Paka no ankalazaina androany ka anomezan’ny Fiangonana antsika ny Evanjely miresaka indrinda ny didy vaovao nomen’i Jesoa ireo mpianany dia ny mba hifankatiavan’izy ireo marina tokoa rehefa tonga ny fotoana hiverenany any amin’Andriamanitra Ray izay naniraka azy hamonjy ny olona rehetra tamin’ny alalan’ny fijaliany sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany ho velona tamin’ny andro fahatelo.

Ambaran’ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity fa : « tamin’izany andro izany, nony efa nivoaka ny trano fihinanana i Jodasy, dia hoy i Jesoa : Nomem-boninahitra izao ny Zanak’olona, ary Andriamanitra kosa no nomena voninahitra eo aminy. Ary raha Andriamanitra no nomem-boninahitra eo aminy, dia Andriamanitra kosa no hanome voninahitra Azy eo amin’ny Tenany sy hanome voninahitra Azy faingana. Anaka, kely foana sisa hitoerako aminareo. Didy vaovao no omeko anareo, dia izao : Mifankatiava, ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia » (Jo. 13 : 31 – 33a, 34 – 35). Hita miharihary amin’ity Evanjely ity fa tamin’ny fotoana niarahan’i Jesoa sy ny mpianatra nisakafo farany no nanaovany io fampianarana mahakasika ny didy vaovao io.

Araka ny voalaza eto dia efa nivoaka ny trano fihinanana i Jodasy, midika izany fa ny didim-pitiavana izay nomen’i Jesoa dia natolony indrindra ho an’ireo mpianatra izay fantany mialoha fa tsy hivadika aminy na dia hiparitaka sy handositra aza mandritra ny fotoana hisamborana sy hanamelohana azy. Jodasy kosa dia efa mazava ny aminy fa izy no ilay mpamadika ary tsy niverin-dalana fa nanatanteraka hatramin’ny farany ny fomba rehetra izay nahatonga an’i Jesoa hijaly sy ho faty. Azo ambara fa tsy natao ho an’ny olona mpamadika sy mpankahala namana ary mpamitaka ny didim-pitiavana izay nomen’i Jesoa fa natao ho kosa an’ireo izay mahatoky sy tsy mivadika na amin’ny mora na amin’ny sarotra, eny fa hatramin’ny fahafatesana aza. Izany indrindra no nahatonga azy hiandry ny fivoahan’i Jodasy ny trano fihinanana vao niresaka tamin’ny mpianatra.

Tsy ho an’ny mpianatra ihany fa ho antsika rehetra no nilazan’i Jesoa fa « didy vaovao no omeko anareo, dia izao : Mifankatiava, ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia ». Tena fitiavana lehibe tokoa no nasehon’i Jeosa ary azo ambara fa tsy misy olona afaka hahavita ny nataony satria nafoiny hatramin’ny ainy mba ho fanavontana antsika olombelona mpanota. Tena mampandinika tokoa raha ny nitiavany antsika ary mampanontany tena mihitsy aza satria mba firy moa no olona vonona hahafoy ny ainay noho ny fitiavana ny namana ? Raha amin’ny maha olombelona dia sarotra ny hanao tahaka ny nataon’i Jesoa, mazava ho azy fa tsy manasa antsika izy hofatsihana amin’ny Hazofijaliana tahaka azy fa zavatra tsotra no angatahiny amintsika dia ny mba hifankatiavantsika. Io indrindra anefa no mila dinihina lalina satria maro no mihevitra fa mifankatia na tia ny namana nefa toa fihetsika ivelany na eo am-bava fotsiny ihany fa tsy vokatry ny fo na avy ao anaty. Tsy misy mahalala izay any am-po tsy miloaka tokoa ka ny tsirairay no tsy maintsy mandini-tena sy mahatsapa fa tena manam-pitiavana tokoa izy fa tsy sanatria fihetsika ivelany fotsiny noho ny fitiavan-tena na noho ny tombotsoa no ampisehoana fitiavana.

Mazava ny ambaran’i Jesoa fa raha mifankatia marina tokoa isika dia ho fantatry ny olona rehetra fa mpiany. Tsy azo lavina fa tena hita mibaribary indraindray ny tsy fifankatiavana eo amkintsika samy isika. Aoka anefa ho tsaroantika mandrakariva fa Batemy iray ihany no noraisintsika tsirairay avy. Tsy misy ambony tsy misy ambany fa mitovy daholo isika eo anatrehan’Andriamanitra, noho izany dia manana adidy lehibe isika Kristianina ho vavolombelon’i tena fitiavana marina nampianaran’i Jesoa. Tsy am-bava fa amin’ny asa sy amin’ny fiainantsika andavan’andro no tsy maintsy ampisehoana izany. Manainga antsika izy mba hahay hifampitsimbina, hifanampy, hifanasoa ary hiray fo sy hiray saina tanteraka amin’ny maha Kristianina antsika. Izany no hahafantaran’ny olona fa tena mpanara-dia an’i Kristy tokoa isika ka ny fahaizantsika mifankatia marina tokoa eo anivon’ny fiarahamonina dia ohatra velona entintsika mitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny mpiara-belona.

Ankehitriny dia maro no milaza fa mino an’Andriamanitra ary isika Kristianina manokana dia nametrahan’i Jesoa ny didim-pitiavana, saingy ny zava-misy dia ny mifanohitra amin’io didy vaovao io no hita. Ady sy fifandirana, fifamonoana sy fifandrafiana, herisetra sy fankahalana, izany no miseho eny anivon’ny fiarahamonina misy antsika eny. Indrisy fa noho ny tsy fisian’ny fifankatiavana dia very ny fifampitokisana ka zary risoriso, fanambakana, fanaovana tsidrio fa lavo ary fanararaotana ny madinika no manjaka. Adidintsika vita Batemy ny manarina izany ary manatanteraka amim-pinoana ny didim-pitiavana napetrak’i Jesoa. Miara-mivavaka ary isika androany mba tena ho vonona hifankatia marina tokoa. Tsy azo lavina fa tsy mora izany satria mila fandavan-tena sy fanetren-tena, saingy i Jesoa no efa nitia antsika mialoha tamin’ny nanekeny ho faty teo amin’ny Hazofijaliana. Andeha ary isika hibanjina azy mandrakariva ary hitalaho ny fahasoavany, izy no afaka hitari-dalana antsika ka hahatonga antsika tena hifankatia marina tokoa satria izay no porofo fa manara-dia azy isika ary tonga mpianany ihany koa sy mpandova miaraka aminy noho ny Batemy izay noraisintsika.


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1468